Andriamanitra dia fitiavana (God Is Love)
1. niryna
(
10/11/2007 12:46)
Ny fitiavan' Atra dia nampisehony antsika ,ary ny vokany dia ny fampiharantsika izany fitiavana izany amin'ny fitiavana ny hafa sy ny manodidina.
Ry namana, andao ampiharina izany fitiavan'Atra antsika izany ho an'ny tsirairay ary hizara izany fitiavan'Atra izany ho an'ny hafa koa.Raha mampiseho izany fitiavana izany tokoa mantsy isika dia izay no taratra iray fa zanak'Atra tokoa isika."Satria Andriamanitra dia fitiavana" Nasehony ary nanaporofony antsika ny fitiavany izao tontolo izao ka ny Zanany Lahitokana no nomeny mba hanavotra antsika rehetra,mba hanana fiainana ho mandrakizay.Tsy hisy intsony ny tebiteby,ny aretina,ny fankahalana,ny fahoriana,ny ho irery tsy misy mpitia."Didy vaovao no omeny antsika dia ny hifankatiavantsika tahaka ny mpirahalahy."
Ry namana,na dia tsy mahita maso an'Atra aza isika,Atra dia fitiavana ka ny mizara izany fitiavana izany ny tsirairay dia efa taratra fa manana an'i Kristy isika,manana fitiavana Azy isika,miboiboika ato anatintsika izany fitiavana izany ary dia miredareda hanazava ny manodidina.
Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Jaona 15:12
Ahoana no hanehoanao izany fitiavana izany?
Eo amin'Andriamanitra mba ahafahanao manatona Azy kokoa?
Amin'ny fizaranao izany amin'ny hafa sy na manodidina anao?
Amin'ny fahavalonao na ny olona mankahala anao?
Amin'ny olona tsy mba manana fitiavana na tsy manana olona ho tiavina?
Ary ny hoe "Tiava ny namanao,tahaka ny nitiavan'i kristy anao?" Tsy mora ary tsy tonga tonga ho azy fa misy ezaka sy fitsapana maro mety mandalo aminao.
Andriamanitry ny fitiavana anie hanome hery ho antsika tsirairay avy mba hampitombo izany eo amin'ny tenantsika sy ny manodidina ary indrindra ny fahavalontsika. Amin'ny anaran'i Kristy izay be fitiavana no hanaovako izany vavaka izany ^:^
(l) niryna

répondu par ygossamer le 11/12/2024 07:18
2. nandrianina1
(
10/11/2007 13:13)
tena manohana ny hevitr'i nirina fa tokony mba asiana fampiarana mazava kely ity
Ary ny hoe "Tiava ny namanao,tahaka ny nitiavan'i kristy anao?" Tsy mora ary tsy tonga tonga ho azy fa misy ezaka sy fitsapana maro mety mandalo aminao.:?:
3. koffman
(
10/11/2007 13:25)
tiava ny namanao tahaka ny nitiavan'i Kristy anao:
-mitia ny namana mety ho vita ihany, fa ny hoe hisolo heloky ny namana .... sarotra be izany! izay koa angamba no mbola manaporofo fa olombelona aho,
io eo ihany fa ny tena sarotra amiko ny le hoe "tiava ny fahavalonao!" sarotra be izany, ny azoko atao fotsiny angamba ny tsy mamaly azy, fa reefa tsy mifamaly ve zaho sy ny fahavaloko de hisy ady aninn tsony??:)

4. cutie
(
10/11/2007 17:16)
Ahoana no hanehoanao izany fitiavana izany?
Eo amin'Andriamanitra mba ahafahanao manatona Azy kokoa?
Amin'ny fizaranao izany amin'ny hafa sy na manodidina anao?
Amin'ny fahavalonao na ny olona mankahala anao?
Amin'ny olona tsy mba manana fitiavana na tsy manana olona ho tiavina?
Ary ny hoe "Tiava ny namanao,tahaka ny nitiavan'i kristy anao?" Tsy mora ary tsy tonga tonga ho azy fa misy ezaka sy fitsapana maro mety mandalo aminao.
Andriamanitry ny fitiavana anie hanome hery ho antsika tsirairay avy mba hampitombo izany eo amin'ny tenantsika sy ny manodidina ary indrindra ny fahavalontsika. Amin'ny anaran'i Kristy izay be fitiavana no hanaovako izany vavaka izany
ok niryna a
miverena manao vavolombelona eto refa nahavita an'reo njy :lol::lol::lol::lol:
6. niryna
(
11/11/2007 04:40)
nandrianina1:
tena manohana ny hevitr'i nirina fa tokony mba asiana fampiarana mazava kely ity
Ary ny hoe "Tiava ny namanao,tahaka ny nitiavan'i kristy anao?" Tsy mora ary tsy tonga tonga ho azy fa misy ezaka sy fitsapana maro mety mandalo aminao.:?:
ka iza no ampianatra? Tsy isika eto ihany ve!
Marina tokoa izany fa tsy mora,mila mandefitra amin'ny rehetra na fantatra aza fa mety ho diso ilay iray ohatra,ary miteny kosa fa hoe diso rehefa mahafantatra izany.Ilay miteny hoe mifona anie no tene dange e! Ny rehetra mba vita ihany :D
Raha tena miteny hoe " I'm sorry amin'ny fo madio tokoa dia vita ilay izy .Mbola" pratique" manaraka ny arabe io. Mila ampiharina amin'ny fiainana mihitsy ilay izy ka.
Raha resaka namana aloha moramora kokoa rehefa tena mifankatia,tsy mifampihafahafa fa mifanitsy,fa ilay mitia ny fahavalo eo isika no mitady mpampianatra .8)
7. niryna
(
11/11/2007 04:43)
koffman:
tiava ny namanao tahaka ny nitiavan'i Kristy anao:
-mitia ny namana mety ho vita ihany, fa ny hoe hisolo heloky ny namana .... sarotra be izany! izay koa angamba no mbola manaporofo fa olombelona aho,
io eo ihany fa ny tena sarotra amiko ny le hoe "tiava ny fahavalonao!" sarotra be izany, ny azoko atao fotsiny angamba ny tsy mamaly azy, fa reefa tsy mifamaly ve zaho sy ny fahavaloko de hisy ady aninn tsony??:)
Heloka inona no ho soloina ry koffman?
Raha ohatra asian'ny namanao mandainga ve hianao ohatra izany (sanatria anie io)ka fantatrao fa tsy mitombona ilay izy dia mety hanaiky ,hiaraka andainga aminy koa ve hianao? Ohatra ny ahy io an,na ho antsika rehetra ary e!
8. niryna
(
11/11/2007 05:03)
cutie:
Ahoana no hanehoanao izany fitiavana izany?
Eo amin'Andriamanitra mba ahafahanao manatona Azy kokoa?
Amin'ny fizaranao izany amin'ny hafa sy na manodidina anao?
Amin'ny fahavalonao na ny olona mankahala anao?
Amin'ny olona tsy mba manana fitiavana na tsy manana olona ho tiavina?
Ary ny hoe "Tiava ny namanao,tahaka ny nitiavan'i kristy anao?" Tsy mora ary tsy tonga tonga ho azy fa misy ezaka sy fitsapana maro mety mandalo aminao.
Andriamanitry ny fitiavana anie hanome hery ho antsika tsirairay avy mba hampitombo izany eo amin'ny tenantsika sy ny manodidina ary indrindra ny fahavalontsika. Amin'ny anaran'i Kristy izay be fitiavana no hanaovako izany vavaka izany
ok niryna a
miverena manao vavolombelona eto refa nahavita an'reo njy :lol::lol::lol::lol:
Misaotra aky cutie a,izaho izao efa manao fanandramana,sy manao pratique mafy ka.Mitsiky fotsiny amin'ireny fahavalo ireny aho :D ary mivavaka ho azy.Amin'izay tsy mandaitra ny hatezerany sy madio ny foko fa tsy mitazo alahelo.Ataoko toy ny rano miraraka eo amin'ny lamosin'ny gisa fotsiny.Andramo anie e.Na misy ireny olona fohizina ireny,jereo fotsiny dia tsikio fa izy indray no manongo-tena . :roll:
Ny fihetsika,ny fiteny ,ny fanoratra rehetra dia efa hita taratra amin'izany fitiavana ny namana na fankahalana ny namana izany dia anjaran'ny tsirairay no maka ny tandrifiny.:D
9. niryna
(
11/11/2007 05:06)
pissoa:
:-D:-D:-D
Manaova pratique anie pissoa e,raha misy olona mandreraka an'i pissoa ireny dia hivavaho fotsiny fa lasa ny hatezerany na lasa mandositra fa tsy te-ahita na hifampitaza an-dry intsony izy,tsy tafiditra ny baolin'ilay olona.:D
10. niryna
(
11/11/2007 05:14)
Ny olona rehetra manodidina antsika dia olona mangetahetam-pitiavana daholo.Ny fitiavana avy aminao no mety hanakatra izany olona izany sy ny hafa,ny fanampiana avy aminao no mety hanampy ireo olona izay mitady izany fitiavana izany.
Ahoana no atao raha isaky ny miditra ny asa hianao ka miarahaba ny olona ? Ny sasany mamaly ,ny sasany tsy mamaly? Moa ve hianao mbola hiarahaba amin'iny ihany sa dia hoe tsy mamaly io ka inona no hiarahabako azy intsony?
9 Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsarambelatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara.
10 Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha làlana amin'ny fanomezam-boninahitra. Romana 12:9-10
Resena amin'ny soa ny ratsy,manaova soa amin'ny fahavalonao,ary aza mamaly ratsy ny ratsy.Ireo izao dia efa taratra hitiavana ny hafa.(l)(l)(l)
Inona tokoa moa hoy ny baiboly no soa ho azontsika raha izay tiantsika ihany no ho tiavintsika sy hanaovantsika soa?

11. niryna
(
11/11/2007 05:30)
nandrianina1 > "Andriamanitra dia fitiavana?" , ahoana no hampiharina izany amin'ny fiainantsika.
http://baiboly.org/toko.asp?boky=IKORINTIANA&toko=13&dika=

12. niryna
(
12/11/2007 01:17)
1 Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho.
2 Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana dia tsinontsinona aho. Ikor 13
Ny fitiavana izany no tena fototra amin'ny fiainana rehetra,tsy afaka hiteny isika hoe tia an'Atra(izay tsy hita maso) raha ny olona izay hitantsika aza tsy tiantsika na halantsika.

13. diamondra27
(
12/11/2007 07:27)
asio ilay hira: "Atra fitiavana" kely e!
Atra fitiavana ianao
ka mihevitra ny mombanay ety
raha mifoha maraina izahay
de tsy afaka ao am-bavanay ny we
"Ampy anay ny fahasaoavanao"...:-*:*
Atra fitiavana ianao
ka mihevitra ny mombanay ety
raha mifoha maraina izahay
de tsy afaka ao am-bavanay ny we
"Ampy anay ny fahasaoavanao"...:-*:*
14. niryna
(
12/11/2007 11:12)
diamondra27:
asio ilay hira: "Atra fitiavana" kely e!
Atra fitiavana ianao
ka mihevitra ny mombanay ety
raha mifoha maraina izahay
de tsy afaka ao am-bavanay ny we
"Ampy anay ny fahasaoavanao"...:-*:*
=D=D
15. niryna
(
12/11/2007 11:32)
niryna:
Ahoana no hanehoanao izany fitiavana izany?
-Eo amin'Andriamanitra mba ahafahanao manatona Azy kokoa?
Amiko,raha mba te-hanatona Azy kokoa aho ? Mamaky sy mandray ary miezaka ny ahafantatra izay lazainy ao anatiny soratra masina. Miezaka ny hampiasa izany amin'ny fiainako."Tiava an'i Jehovah Atrao amin'ny fonao rehetra,ny fanahinao rehetra,ary ny sainao rehetra.Tsy mora fa sarotra ho tanterahana,saingy amin'ny maha olona ahy dia miainga amin'ny fitiavako ny manodidina sy ny ankohonako aho.
-Amin'ny fizaranao izany amin'ny hafa sy na manodidina anao?
Jiro manazava ny manodidina antsika isika ka izay ataontsika rehetra dia taratra hitarafana ireo manodidina:na ny fiteny na ny fihetsika sns izany.
:D
16. niryna
(
12/11/2007 11:43)
-Amin'ny fahavalonao na ny olona mankahala anao?
Eto no tena sarotra tanterahina ary izany no mahatonga hanaraka ny tenin'Atra hoe "Aza mamaly ratsy ny ratsy,Ahy hy famaliana".Manaiky ho resy na marina aza,tsy mamaly ratsy ny olona,matetika tsy ilay olona no miady amintsika fa ny hery izay mampiasa azy,ka inona no hiadiko amin'iny raha izany,ilay hery no mila fongorana ary dia mivavaka fa ny miantso ny anaran'i Kristy tsy tian'ilay hery sy tsy zakan'ny ainy.Tsy ho voatery hiresaka ilay fahavalo intsony na ilay olona nankahala anao,eo foana no mipetraka ny olana,tsy misy intsony ny fahatokisana amin'iny olona iny,na misy aza tsy mitovy tamin'ny fiarahana miresaka taloha.Mivavaka ho azy irery ihany no hitako amiko fa tsara,sady mandry ny saiko,afaka ny alaheloko,ary miaro ahy ny FM mba tsy ho tafiditra ny herin'ilay ratsy.
Andriamanitra dia tsy nanome antsika fitiavana ny tenantsika irery,nomeny antsika izany fitiavana izany mba ho zaraina ny hafa sy na manodidina ary indrindra ireo izay tsy mitovy finoana antsika.
Raha hilasy na ahandro sakafo isika ohatra dia manokona ny saribao na ny hazokely aloha.
Vanajan'afokasika iray monja no niteraka ny afo.Ary dia mahazo ny manodidina izany afo mirehitra izany ka mafana daholo ny rehetra.Vokatr'ilay afo kely iray anefa izany dia nahazo hafanana sy hazavana ny rehetra.Izay ilay fitiavana tian'Atra omentsika ny manodidina antsika.Ka rehefa mahazo hazavana sy mizara izany fitiavana izany isika,dia izy ireo indray no mamindra izany amin'ny hafa izay manodidina azy.
:-*:-*:-*:-*:-*
17. niryna
(
12/11/2007 11:57)
http://baiboly.org/toko.asp?boky=IKORINTIANA&toko=13&andininy=1-13&dika=
Io no mahafoaka ny zavatra rehetra ary voafaritra ao daholo ny atao hoe fitiavana. 8)8)
Ny fitiavana dia fihetsika mivoaka avy amin'ny fo izay mametraka ny hafa ambony noho ny fitiavantsika ny tenantsika.Ny zavatra tsara indrindra amin'ity fiainana ity dia ny fitiavana.Izay mahatonga ny hery sy ny saina hiova isan'andro.mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.

18. niryna
(
12/11/2007 12:07)
Fitiavana marina(True love)
Tsy miankina ny ety ivelany no antsoina hoe fitiavana marina eto,miha-latsa-paka,lalina,ary indraindray dia misy fitsapana izany:
Nisy mpifankatia ary nifamboraka ny fitiavana niredareda tao anatiny tokoa izy ireo.Lasa nanao miaramila ity rangahy ary dia nitohy izany fifankatiavany izany.Nifamboraka sy nitanisa ny ho aviny izy roa tao anaty taratasy no nanaovany izany.Vokatry ny fifanjevona tany an'ady dia tapaka ny tanan'ilay rangahy havanana.Niato ny fifanoratana,tsy mba nisy moa ny fifampiantsoana an-tarobia.Nony tonga ny ttsy tany amin'ity malalany,:roll::oops: tsy soratanan'ilay rangahy no tao.Endratra izy,nidoboka ny fony,sadaikatra hamaky ilay taratasy.Nindrana namana ity olon-tiany hanoratra azy ary noresahiny fa tsy afaka hiaraka aminy intsony,notsofiny rano hanambady olon-kafa fa tsy afaka ny hanampy azy eo amin'ny fiainana intsony izy.Tsy nanazava ilay rangahy ny momban'ny tanany.
Nandeha teny ny fotoana,notsaboina tany amin'ny hopitaly ilay rangahy ary teo am-pandriana izy no tonga ity mpikarakara ny marary.Iza hoy hianareo? Ilay olon-tiany no nanatona 8O .Nifampijery izy roa,ilay ramatoa mbola maratra ny fony,ilay rangahy mbola mitempo fitiavana fa tsy afa-nanoatra

19. niryna
(
12/11/2007 12:17)
Fitiavana marina
Tsy namaly ilay taratasy ilay ramatoa,tsy nahafantatra ny tena antony ihany koa,tsy nanadihady na nangataka fanazavana.Nipoitra teo ny antony,nandalo ireo miaramila maro ho tsaboina izy,ary sendra namindra no nahita ity malalany mbola feno ratra sy fery.Faly ,kenda,latsa-dranomaso."Tsy amela anao ho irery aho hoy ilay olon-tiany,ho karakaraiko hianao".Tsy nanda ilay fitiavany ity rangahy ary dia nivady ihany ry zareo taty aoriana. Tsy nisy fifaliana mihoatra toa izany teo amin'ny fiainan-dry zareo noho io fitiavana io
I (l) YOU :* YOU (l) ME

20. niryna
(
12/11/2007 12:43)
Jesus loves Everyone.
Na mavo,na mena na fotsy na maity dia tia antsika Atra.
Tian'Atra daholo ny rehetra na dia misy aza ny tsy tia Azy.
Ny tsy fahalalana sy ny tahotra indraindray no mahatonga antsika hanalavitra ny hafa.Raha manatona an'Atra isika ka mangataka aminy ny Mpanampy antsika dia ho tonga sy ho afaka hanatona ireo olona izay heverintsika fa lavitra na sarotra ny mitia azy ireo isika.
Iza ny manodidina antsika?
http://baiboly.org/toko.asp?boky=LIOKA&toko=10&andininy=25-37&dika=
Ny fitiavan'Atra dia tsy misy fetrany.Miankina ny maso mahita,ny tanana malalaka,ny saina tsy tery ary ny fo misokatra mba handray izany fitiavana ny hafa izany no tadiavina ataontsika ihany koa.
Hoy ny hira nampianarinay ny ankizy tany an-tsekoly Alahady hoe : God loves me,yes I know
When the Bible tells me so ....
Mandeha ho azy amin'ny fiainantsika ny mitia ny zavaboaary,ireo olona mizara fitiavana.Ny fitiavana matotra koa anefa dia mahay mizara izany fitiavana izany ho an'ireo olona tsy mba manam-pitia na tsy mba afaka mamaly fitiavana antsika.
Maro ny olona izay tsy manana fitiavana ny hafa intsony,manosika izany fitiavana izany noho ny ratra mety nandalo taminy ohatra ka tsy misokatra intsony ny varavarana ho an'ny hafa mba handray azy,ary manidy ny varavaram-pitiavany koa izy ka tsy afaka hitia olona intsony.Ireny olona ireny no mila zaraintsika fitiavana tokoa.Raha afaka mizara amintsika izany fitiavana tsy misokatra izany intsony izy,raha mampahafantatra azy ireo fa Atra dia fitiavana,manana an'Atra isika tsirairay mitia antsika hatramin'ny farany.Io fitiavana io dia fitiavana avy amin'Atra irery.Atra no mampiseho izany amintsika Tiava ny fahavalonao ,ny mitia izy ireny dia mampiseho fa zanak'Atra isika,satria Tia ny rehetra Izy ,na inona no nataony na inona no nitranga tamin'ny fiainany,tiany foany isika,tiany foana izaho sy hianao
Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, ka aza kivy na amin'inona na amin'inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo indrindra hianareo; fa Izy mora fanahy amin'izay tsy misaotra sy ratsy fanahy.Lk 6:35

Mitia ireo tsy mba manana ho tiavina na tsy misy mpitia