Inona no tokony atao?

1. nirinkosoa ( 06/11/2007 13:28)
ahoana no mba fahitanareo oe misy lehilahy efa manambady aman-janaka nefa tsy mety mahatsapa fôna izany?

tsy mety tamana an-trano mihitsy izy, efa atao daolo ny zavatra rehetra mety ho azonao atao (sakafo atao matsiro, refa mitady .......... dia omena, refa reraka d tsindritsindrina, refa nôna d karakaraina gouter kely) nefa tsisy fiovana fa mody ariva b fôna d refa sabotsy d maita aleha fôna, refa alahady d zara ra miaraka fa satry ivôka fôna,

Mba zarao ze efa niainanareo ry reto ah!
répondu par soanja le 09/11/2007 01:38
2. ainaheri ( 06/11/2007 13:56)
Tsy misy afatsy ny manao carte sur table,d anontanio azy ny tsy zakany fa ianao tsy afaka aminany an'izany,ary ny sakafo,sy ny .... mety tsy ho ampy zany eo antrehany,fa ny miresaka ihany.
3. Samoana ( 06/11/2007 14:27)
nirinkosoa:

...tsy mety tamana an-trano mihitsy izy...


Raha andro mibaliaka kosa ve de mbola ihidy aman-trano hifanabe maso fotsiny:wink:?
Afaka miara-mivaoka mifampizara fialam-boly koa satria efa samy novizanin'ny asa aman-draharaha na ny fianarana nandritry ny herinandro.
Raha "irian-ko-soa" ny tokan-trano dia ny miresaka hatrany no fanafodiny fa tsy vitan'ny sakafo matsiro sy ny tsindrona izany e

4. mignone ( 06/11/2007 14:48)
sao dia marary kosa lé tsindronany ry samoana a !:wink:
io rehefa nanaiky hatraminy voalohany dia lasa foana izy ...
5. kallie ( 06/11/2007 15:13)
miombokevitra am Ainahery sy Samoana, mifampiresaka, fa refa miresaka d aza manao reproche fa ny zavatra tianao sy mba hirianao tenenina, ny fihetsemponao zaraina... fa aza mibedy na mikizitina amin'ny ataony
D refa ataonao tsara ny sakafo sns nefa mbola ts tamana izy, sô d enao ko no tokony manambômbôtra tena? oatra oe mba miova coiffure, manaonao sexy ôtran'ny tam nahafantarany anao e ;-) tamle mbola nampazoto azy nikôty anao reny, ra efa somary ni-lache kely d ndana manao exercices mikotrana kely
6. simplex ( 06/11/2007 15:18)

manapa-teny, manapak'aina
ary miala tsiny,
fa tena tsy azoko mintsy ny dikan'ilay teboka maromaro.
indraindray bedabe ny isany indraindray vitsivitsy, mitovy ihany ve ireo?
7. rova30 ( 06/11/2007 20:01)
:)Raha "simple" dia vitsivitsy...
8ORaha ".....mplex" dia bedabe!!!

...ilay teboka.:-P
8. simplex ( 06/11/2007 20:33)
:)Raha tapany aloha izany no hita dia vitsivitsy izy zay...
8ORaha ....tapany ariana indray dia bedabe!!!

mahagaga :P
9. pissoa ( 06/11/2007 21:22)
sy ny sisa ny dikan'ireny !
refa vitsy kely dia kely zany le sisa, moa raha vraky be dia betsaka zany le sisa :°):°):°)

nirinkosoa : Cf Samoana ! :-D
10. rova30 ( 06/11/2007 21:59)
nirinkosoa:

ahoana no mba fahitanareo oe misy lehilahy efa manambady aman-janaka nefa tsy mety mahatsapa fôna izany?

tsy mety tamana an-trano mihitsy izy, efa atao daolo ny zavatra rehetra mety ho azonao atao (sakafo atao matsiro, refa mitady .......... dia omena, refa reraka d tsindritsindrina, refa nôna d karakaraina gouter kely) nefa tsisy fiovana fa mody ariva b fôna d refa sabotsy d maita aleha fôna, refa alahady d zara ra miaraka fa satry ivôka fôna,

Mba zarao ze efa niainanareo ry reto ah!



ATAOVY MISY FIAVAHANA NY TOKATRANONAREO SY NY FOMBA FIAINANY TAMIN'IZY MBOLA KELY( Izy teo anilan'ny reniny)

;-)Mba mila imagination avy aminao izany, fa tsy voatery hanompo ilay tiana foana , vao manantena hotiavina!
11. simplex ( 06/11/2007 22:02)

nirikosoa,
anaovy toetra tsy zaka indray hoe hojerena ny pasiny :°)
12. keyoann ( 06/11/2007 23:05)
ka malaina ny hody iz zany mety misy zavatra tsy ampy ao.
Mety misy ny ady korontana na filana tsy ampy tsotra izao.
Na koa noterena hiditra tanaty fanambadiana iz fa tsy sitrapony tanterake fa sendra "accident" d mbola manina le fiainana maha zatovo azy.
Na koa "makovisy" tsotra zao iz.
13. ari.malala ( 07/11/2007 11:57)
nirinkosoa, ary sao dia avy aminao iany no nahatonga azy tsy tamana an-trano? ohatra hoe be plaintes momba ny fahasahiranana ao an-tonakntrano @ raharaha sy ny zazakely ianao, na koa ilay mihevitra hoe ity efa vadiko dia efa ahy ka tsy afaka hoaiza intsony dia tsy mahavatra tena toy ny t@ mbola tsy nanambady azy, na t@ mbola tsy niteraka? Matetika mantsy ny sasany amintsika vehivavy no mihevitra fa io vady io dia eo foana fa tsy afaka hoaiza indrindra rehefa niteraka taminy isika, ka torohevitra, manao metimety e, ovaovaina koa ohatra ny toeran'ny fanaka, atao maso vaovao no hitany rehefa avy any ampiasana izy, enao no mahita azy ao antrnao ao, ka dia mahereza. Fa na izany aza aza adino ilay miresaka, atao am-pitoniana araka ny voalazan'i kallie.
14. soanja ( 09/11/2007 01:38)
Tsy mahafantatra ny cas tsiraidray aho fa ireto ny fahitana ny lehilahy amin'io zavamitranga io:

- Misy lehilahy miditra ao anaty fanambadiana dia vonona ny hiova sy handray andraikitra amin'ny mahaDADA ary afaka hifandray amin'ny vadiny amin'ny fomba itaizana izany zaza izany. Ny lehilahy toy izany dia mitsinjo ny hoavin'ny famille-ny fa tsy azy irery.
-Misy koa lehilahy tena mihevitra foana fa na efa manambady aza dia mbola ilay saina mpitovo no ao an-tsainy ka zary izy no lasa zaza kenakenana sy ampihantaina ao antrano ka tsy mahalala izay tokony ataony. Amin'iny raha malemy ny vehivavy dia araraotiny tokoa amin'izany resaka fitiavana izany.

Miankina amin'ny zavatra isankarazany anefa no mahatonga ny lehilahy tsy mahatsapa fa manana adidy izy ao an-trano:

-Mety tsy mbola vonona hiditra ao amin'ny tokatrano izy nefa tonga dia nandrasana tamin'ny vohoka tsy noeritreretiny na nanao bevohoka ilay sipa dia voatery nanambady izy.
-Mety koa anefa tsy noresahina mialohan'ny hiterahana izay mba ifandraisana sy itaizana ny zaza iaraha manana eo. Dia mihevitra izy fa mety ny ataony raha toa ka mitondra vola ao antrano izy na miasa dia izay aminy no adidiny fa ambiny dia andramatoa daholo.
-Mety koa ny vehivavy ao antrano mihitsy no manao izay tsy mahatamana azy ka mahatonga azy mitady izay mety aminy any ivelany. Zany hoe tsy mahasambatra azy ny zavatra hitany ao an-trano nefa tsy te hisaraka izy.

Inona no vahaolana?

Miresaka aminy izay tsapa ary manontany azy ny mba fiheviny momban'ny zanany sy ny tokatrano.

Na izany anefa na tsy izany dia ny fiarahamonina no hitako fositra mahatonga ny fitongilanana ara-tokatrano toy izany. Tsy ampy ny fampianarana ny zatovo na ny olona hiditra amin'izany famoahana taranaka izany ka zary jamba mifampitantana ny rehetra.
Ilaina ny parenting class rehefa hoteraka ny olombelona iray. Eo miatrika izany class na fihofanana izany i Dada sy Neny ary ny Ministeran'ny Fahasalamana izay mikarakara ny famoahana ny zaza no tokony mpiandraikitra voalohany hanome izany class izany satria ry zareo no mahita hoe iza no bevohoka ary iza no nahazo fampianarana. Tokony hamonjy obligatoira io class io izay hiteraka.
Refa tsy nandalo an'io ny mpivady niteraka dia tsy tsara ny manome tsiny azireo satria tsy voatery ho fantantsika rehetra ny abidian'ny fitaizana zaza iray mba ho salama/olombanona.

Ny ankoatr'izay dia resaka fitiavana daholo!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1904