Ratsy ve ny hasarotam-piaro

1. ronaldo09 ( 31/10/2007 08:49)
Za raha nandinika de maro no olona mitaraina fa saro-piaro loatra ny vadiny na ny sipany!Amiko aloha tsara ny hasarotam-piaro satria midika izany fa tia anao ilay olona matoa sarotiny aminao .Ary ho anahy manokana dia vao maika aho faly raha saro-piaro amiko ny olon-tiako.Tsy haiko ny anareo fa mba lazao hoe inona no maharatsy ny hasarotam-piaro?
répondu par parazy le 04/02/2008 11:28
2. meva2 ( 31/10/2007 08:57)
tsara ny fahasarotam-piaro raha misy limite. Fa raha be loatra @ tsisy antony dia sady manimba tena no manimba ny fiarahana.Satria mantsy lasa mahatsiaro tena ho voageja ilay olona, tsy mba afaka mi s'épanouir satria matahotra ny voa-gueule kanefa rehefa mifankatia dia tokony fifaliana no atao betsaka fa tsy mifandragy lava izao. Na hoanao saropiaro aza lasa mampijaly tena mi imaginer an'izao horreur rehetra izao.
3. ronaldo09 ( 31/10/2007 09:25)
Ie raha tafahotra loatra kosa aloha de ratsy e!Sady mampiady fa hasarotam-piaro ara-dalana no asiako teny eto !
4. xxx ( 31/10/2007 11:02)
tsy ratsy ny hasarota-piaro fa mariky ny hoe tia enao izany fa ny tafahoatra loatra no tsy mety fa manimba ny fiarahana.....
5. salmo1 ( 31/10/2007 11:24)
ronaldo:
Ratsy ve ny hasarotam-piaro

Non!
midika zany fa tena tibe an-lah izy.
;-)

Oui!
Rehefa tsy mazava ny antony.
;-)

Azon'elah ve ry Madrilista tapotsin'atody ah?!!:lol:
;-)
6. milafitia ( 31/10/2007 12:31)
Ny hasarota-piaro a! dia mariky ny fitiavana.
Saingy toy ny zavatra rehetra ihany, rehefa diso tafahoatra loatra dia manimba:
1- Ny fon'ilay olona saro-piaro.
2- Ny fiarahan'ny olona roa.Mety hiafara amin'ny fisarahana aza na fampoizam-po.
Ataovy toy ny milalao fotaka e: raha eo ampelatananao ny fotaka ka fihininao mafy a: dia mitady lalana mipiritsaka saingy raha kenakenaina dia mijanona eo. Asiana limite


7. sarobidy ( 31/10/2007 12:47)
1. Mpandefa : meva2 [ Valio ] 31-10-2007 09:57:58
Lohateny : Re : Ratsy ve ny hasarotam-piaro
tsara ny fahasarotam-piaro raha misy limite. Fa raha be loatra @ tsisy antony dia sady manimba tena no manimba ny fiarahana.Satria mantsy lasa mahatsiaro tena ho voageja ilay olona, tsy mba afaka mi s'épanouir satria matahotra ny voa-gueule kanefa rehefa mifankatia dia tokony fifaliana no atao betsaka fa tsy mifandragy lava izao. Na hoanao saropiaro aza lasa mampijaly tena mi imaginer an'izao horreur rehetra izao.


miombon-kevitra @ meva2 tanteraka fa ampiko kely fotsiny: Amiko matoa ny olona saro-piaro dia tsy matoky ny valerany @ le olon-tiny izy zany fa mbola heveriny fa ny hafa iany no ambony.

Raha izaho manokana aloha dia tsisy ilàko ny hasarotam-piaro e, mifampatoky fotsiny de ampy!!!
8. Kwasi ( 31/10/2007 14:17)
Hatraiza ary ilay limite?
9. cutie ( 31/10/2007 23:24)
Mpandefa : Kwasi [ Valio ] 31-10-2007 15:17:58
Lohateny : Re : Ratsy ve ny hasarotam-piaro
Hatraiza ary ilay limite?

refa lasa aretina :-D
10. ronaldo09 ( 01/11/2007 12:24)
salmo1:

ronaldo:
Ratsy ve ny hasarotam-piaro

Non!
midika zany fa tena tibe an-lah izy.
;-)

Oui!
Rehefa tsy mazava ny antony.
;-)

Azon'elah ve ry Madrilista tapotsin'atody ah?!!:lol:
;-)

Ie ry Barca mena toy lambam-paty a!Azafady ooooooo!!!!!!!


11. aidana ( 03/11/2007 19:17)
ny hasarotam-piaro raha misy limitiny tsy d ratsy loatra fa rehafa tafahoatra d loza,za zo miteny dia lazaiko anareo fa faran'zay saro_piaro ary naniry ihany koa olona mba ho sro piaro amiko kay loza rehefa tena sendrany ianao d loza e na phone maneno aza d voasotina tsy misi iainanao mht,dikany loza io rhf ny couple aminao no saro piaro d najanoko ny hasarotam-piaroko raha tsy tena hita maso zay vao miady
d sady mampieritreritra fa matoa hono ny ol iray saro_piaro dizy no manao zay hi hi
12. meva2 ( 05/11/2007 10:11)
kwasi:
Ny ahy ohatra, ny mihoatra ny limite dia ireto:


- Tsy mahazo mandeha fety irery miaraka @ namany
- tsy mahazo manao jupe fohifohy!!!
- tsy mahazo miresaka @ ny ex
- tsy mahazo mijery olon-kafa
- Tsy afaka miteny hoe: tsara tarehy i X na i Y.
- Misava ny port sy mail no antondraharaha.
- mametraka fanontaniana dimy ambizato: taiza, avy aiza, miaraka amin'iza avy (enquête hita hoe mi douter!!!)
13. sarobidy ( 06/11/2007 10:06)
meva2: korazy fa loza be zany :roll: zany ve misy hiainana kty :?


matoa hono ny ol iray saro_piaro dizy no manao zay hi hi

aidana: marina ny voalazanao 8-)
14. nirinkosoa ( 06/11/2007 13:37)
misy lafiny tsara sy ratsy daolo ny zavatra rehetra,
amiko alou tsara ny hasarotam-piaro fa ref adiso tafaôtra d mitera-doza: manjary tery ny fiainan'ilay ilany fa mahatsiaro ho voageja b hany ka manao ny tsy mety ary refa endrikendrehena fôna ny olona iray d mandrisika azy hanao an'iny marina ianao!:lol::roll:
15. ronaldo09 ( 07/11/2007 09:45)
Za kosa aloha tsy manaiky raha toa ka miresaka amin'ny ex zany ilay olontianao ,indrindra moa fa ilay ex no nametraka fa tsy ilay olon-tianao!Mitandrema ihany amin'ny ex e!
16. meva2 ( 09/11/2007 09:46)

sarobidy,
Ireo notononiko tetsy ambony ireo no mihoatra ny limity amiko fa tsy hoe akory iainako!!!
Raha ny resaka ex indray, ny hevitro dia ny hoe: tsy ny fahasarotam-piaro mihitsy no hanakana ny olona hiaraka rehefa te hiaraka, sady koa ny firesahana tsy voatery foana hoe hitarika zavatra hafa.
17. bazylou ( 26/11/2007 00:21)
ouai bofffffffff:wink::wink:
18. colyann ( 01/12/2007 11:05)
HASAROTAM-PIARO:
Tsy hoe tsara na ratsy fa izao no fahitako azy. Raha manana zavatra iray tianao ianao, oh fiara na ankanjo, sns, dia matetika sarotiny, ary tsy tianao ho zaraina na omena na lasan'olona satria FANANANAO. Amiko ny olona dia tsy fananana. zava-dehibe ny FIFAMPATOKISANA. Raha ahiahianao fa tia olon-kafa ilay olon-tianao dia METY MISY TSY AMPY AO na METY MISY TSY MILAMINA. Anjaranareo ny mandamina.
Hatreo aloha fa mitady ho lava be.
19. maki ( 29/01/2008 09:07)
amiko a! ilaina ny hasarot-piaro kanefa asiana fetrany ihany.Ny hasarota-piaro anie midika fa tia zavatra na olona iray ianao e!izany koa anefa tsy natao hanakorontanana akory.eo amin'ny fitiavana manko no tena resabe izy io, nefa raha tsy mifanafina ny mpifankatia fa nahay mifanampy sy mifampiresaka tsara dia mandeha ho azy ny fiainana. filamatra:FIFANAJANA FIFAMPITOKISANA FIFAMPIRESAHANA vahaolana iray lavitry ny hasarota-piaro
20. parazy ( 04/02/2008 11:28)
hummmm ao anatiny saropiaro ny tenanay de mangina kle!! wanted!! ho ho!!zay aloha de zaloze @ny anay e!! lol haha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1041