Ny Apendisity

1. soanja ( 29/10/2007 23:54)
Ny vermiform appendix rehefa nandinika ny anatomy n'olombeolona aho androany dia nahita fa tsy dia misy ialana azy loatra e. Zany hoe na esorina teo aza de velona foana ny olombelona sady miodina tsara.

Ny tena mahakamo ahy mantsy dia ny mieritreritra hoe firifiry ny olona tany aloha tany na hatramin'izao lavitra ny fandidina na fitaovana arifomba no maty satria tokony nesorina ilay izy satria feno loatra na marary tao.

Ny tiako ahatongavana izany dia hoe tsy voatery hisy nilana azy aby ny taova eo amin'ny olombelona sady indraindray mahabe asa fotsiny.

Sa ve misy asa mazava izy io fa zah no tsy maharaka? Na hoe mbola mety misy ilana azy any ho any fa isika olombelona na ny siansa no mbola tsy mahita izany mazava?

Ahoana ny hevitrareo?
répondu par soanja le 31/10/2007 15:50
2. malalatinasoa ( 30/10/2007 00:56)
Tsy mahay anatomie ary tsy mpanao fikarohana @ fahasalamana aho fa matoa misy ny zavatra na taova iray dia misy dikany sy ilavana azy izy izay na dia kely sy bitika ary manahirana ohatry ny inona aza. Tsy adala akory ny mpahary na mpanaonao foana fa isika olombelona no mila voatsiary sy be fanontaniana lava.

Eto aho dia mahatsiaro ny resaka nataoko t@ dokotera manampahaizana iray fa misy zavatra manelingelina kely ahy mihintsy @ vatako ny hanamboarany azy. Dia hoy izy hoe, rehefa tsy mahafaty sy miteraka tsy fahasalamana aminao dia aleo tsy kitihana, fa mety iteraka fikorontanana @ taova ambony izany.
3. soanja ( 30/10/2007 02:23)
Ka ny fanontaniana indrindra no miteraka ny fikarohana ka. Ilaina ny manontany amiko fa tsy mety amiko ny mionona amin'izay hitako fa ilana fanontaniana.

Ny voka-dratsin'ny fisiany no nahatonga ahy hametraka ny fanontaniana satria tsy ananako ny vokatra tsaran'ny fisiany.

Misy ny zavatra iray satria nahoana? Mety ho voavalintsika olombelona izany omaly, androany na rahampitso na mandrakizay.



4. tsaramaso ( 30/10/2007 08:36)
misy ilaivana azy io e : mitahiry mikroba !!!!! hahahaha !!!!
5. sakaizakely ( 30/10/2007 09:11)
Soanja,

Tena dokotera tokoa no henoko niteny an'io ary efa imbetsaka tokoa no nahenoko azy ireo miteny an'zany.

izany hoe rehefa manelingelina vao esorina satria tsy misy ilana azy intsony am zay

Eritrereto hoe misy olona voan'ny aretina na aksidà sanatrian'izany, dia simbabe ny tanany iray, na ny tongony iray (na mihoatra) tsy azo tsaboina intsony, dia voatery tapahina. Tsy mahafaty azy anefa izany fa vao maika afajioga aza ilay olona satria dia tena olana taminy ilay taova. Mi s'adapta koa ilay olona rehefa avy eo; vao maraina io aho izao nahita kofy tongotr'ila fotsiny nefa mpandihy samba high level beuuuuuuuu lery

Tsy haiko raha azo ampitahaina ireo tranga ireo. Ny tiako asongadina, dia ankoatry ny fo sy ny organes vitaux sasany, mi s'adapta foana ny vatana raha misy banga iray. Sa tsy izany.
6. xxx ( 30/10/2007 09:16)
soanja:


Ny voka-dratsin'ny fisiany no nahatonga ahy hametraka ny fanontaniana satria tsy ananako ny vokatra tsaran'ny fisiany.





Tsy misy voka-dratsin'ny fisiany raha toa ka tsy marary ilay izy , ny voka-dratsin'ny fisiany raha toa ka mi s'inflammer no misy

7. booboo ( 30/10/2007 10:31)
Afaka ho azy io afaka an'alina taonany any aoriana any, izay ilay " évolution de l'espèce ".

Rehefa tsy maharary dia aleo izy ho ao fa mandany vola fotsiny no hanaisotra an'io any @ hopitaly satria hoe tsisy ilavana azy akory....
8. ari.malala ( 30/10/2007 12:13)
nenà alou zany ts maints nalàna tam 2004 fa efa naika vaky tao e
9. soanja ( 30/10/2007 16:08)
Ny hoe hanala azy aloha tsy tokony atao raha toa ka tsy marary le izy raha tsy hoe mandalo eo akaikiny eo ny fandidiana raha misy olona marary zavatra hafa dia tsy maintsy nodidina teo akaikiny. Zany hoe efa eo ihany dia esorina le izy mba hisorohana ny fandidina fanindroany raha sanatria ka marary le izy any afara. Izay possible tokoa.
Fa raha kosa iny no handaniana vola handidina ny tena dia somary tsy wise ihany zany.

Ny mahakamo mieritreritra azy ahy fotsiny anie ka nahalasa ny fisainako dia hoe raha ny nify no maharary dia afaka esorina eo tsy mila fandidina raha tsy hoe efa gravy.Iny anefa manana ny asany tsara. Fa ity kosa dia tena mila fandidiana tanteraka ny fitsaboana azy. Nefa anie hatramin'izao de mbola tsy hita izay nilana azy ao anaty ao.
Zany hoe ny fisiany ao izany dia hitanty ireo vatokely sns, de mitondra amin'ny faharariana na infection. Efa be ny maty tamin'io satria lavitra fitsaboana na hopitaly na tsy mahalala dia marary de maty.

Ny tiako hahatongavana dia misy ny ialana an'io mihisty fa tsy tongatonga ho azy eo ny fisian'io fa hoe inona no ilana azy no tokony hitadiavana fikarohana ary azo atao ve ny mikarakara azy tsy harary mba tsy hahavoatery handidina ny marary azy foana.

10. booboo ( 31/10/2007 09:30)
Tany aloha beeeeee tany, t@ vao niforononan'ny oul no nety nilàna an'io fa rehefa nivoatra ny manodidina dia nanaraka zay fiovoarana koa ra-Olombelona (mi-s'adapte) dia lasa niha-tsisy ilavana an'iny intsony.
Tahaka ny ankihikelin-tongotra ihany, tsy misy ilavana an'io koa ange, fa dia io izy miha-fohy ary hiha-foana io rehefa any aoriana beeeeeeeeee any....
11. watafon ( 31/10/2007 09:50)
Tsy dia misy asany loatra amin'ny fandevonan-kanina aloha raha ny appendice e ! ary izay no mahatonga ny dokotera mpandidy n'aiza na aiza hanala azy io rehefa misokatra ny kibon'ny olona iray !
Marina ny voalazan'i soanja hoe iny indray v no mbola handaniana vola sy fotoana esorina raha sendra marary aty aoriana !
12. soanja ( 31/10/2007 15:50)
booboo:

Tany aloha beeeeee tany, t@ vao niforononan'ny oul no nety nilàna an'io fa rehefa nivoatra ny manodidina dia nanaraka zay fiovoarana koa ra-Olombelona (mi-s'adapte) dia lasa niha-tsisy ilavana an'iny intsony.
Tahaka ny ankihikelin-tongotra ihany, tsy misy ilavana an'io koa ange, fa dia io izy miha-fohy ary hiha-foana io rehefa any aoriana beeeeeeeeee any....


Ilay hoe no "Nety" nilana an'io no tena mahaliana ahy tokoa. Nisy afaka nilaza ve sa hoe mbola eritreritra fotsiny. Ny hahafoana azy koa aloha tokony hojerena akaiky. Asa na efa nisy nafantatra hoe ngoza be izy io tany aloha ary efa mihena. Efa misy porofo ara-tsiansa ve mijery sy nanametatra ny fivoaran'ny fihenany amin'ny ho avy??

Azoko antsaina anefa fa be no matin'io tany aloha satria nihaza sy nioty ny olombelona tany aloha ary hanina daholo izay hita fa azo hanina fa tsy nisy fanavahana loatra. Moa ny fitsaboana tsy nisy tamin'izany.

Mahagaga ny vatan'olombelona ka!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4609