voan'ny nendramboalavo ny zanako

1. nenipita ( 27/10/2007 15:55)
salut nareo, ny zanako 3 taona voan'ny nendramboalavo, nefa misy zandry vao 2 mois izy ka izany no atahorako hoe mety hifindra amin'ilay zaza ve izany ilay aretiny? matahotra ihany mantsy aho satria mbola tsy vita vakisiny ilay zaza. *raha misy afaka mamaly io de mba ampio aho fa matahotra an'ilay zaza sao ho voa nefa mbola kely loatra.
Misaotra e
répondu par alibaysalim le 14/07/2018 11:46
2. salmo1 ( 27/10/2007 16:32)
Tena tsy azoko zany aretina mahazo ny zanakao zany:roll:

Aza raisinao ratsy fa tena tsy aiko zany aretina zany ah, oe inn no mahazo ny zanakao!?
Voakaikitriny voalavo anga izy:?:

;-);-)

3. Belle ( 27/10/2007 19:19)
salmo1:
Voakaikitriny voalavo anga izy
Tsy izany mihitsy fa "varicelle" no mahazo azy.
4. xxx ( 27/10/2007 20:10)
Tena mifindra be ny nendra fa mila tandremana ny zaza.

Raha tsy diso aho dia ny rora sy ilay fery amin'ny tenany ireny no mamindra ny nendramboalavo. Mety tsy mivantana koa nefa ny fifampikasohana, ka mila mitandrina ianao amin'ny fitaovana ampiasaina, mila sarahina daholo. Raha mety koa dia aza atao miray hefitra aloha izy ankizy fa raha mikohoka ilay iray ohatra dia misy ihany koa ny risk hifindrany amin'ilay zaza kely (piti-drora sns). Sady mbola zaza telo taona izy tsy hahatandrina zavatra toy izany.
5. gasy100isan100 ( 28/10/2007 01:13)
ie tena mifindra be reny fa mila mitandrina tsara
Ary de tena mbola tsy naheno anzany tokoa v salmo???
6. ikaretsaka ( 28/10/2007 05:05)
hay moa i salmo tsy gasy fa Malgache.. ka tsy mahay izany!:°)
7. tywa68 ( 28/10/2007 07:21)
nenipita : tsy olana anie na voa aza ilay zazakely e (aleo lavitra aza voa mbola kely).
Tsy misy tokony atahoranao fa tsy maintsy mandalo @izany ny ankizy e.
Ny fiambenana azy tsy hikitika loatra an'ilay boutons no manahirana ; satria mangidihidy be mandra-paha-maina an'ilay izy. Misy fanafody manamaina an'ireny sy manamaivana ny hidihidy fa anontanio ny dokotera e.:wink:
8. lanto ( 28/10/2007 07:55)
raha efa lehibe tokoa hono no tratran'io d ratsy be, na izany aza le 2mois ve tsy kely loatra raha izao dia voa ?
9. Rasiligaoma ( 28/10/2007 15:37)
ankoatran'ny anarany, inona tokoa ny maha samihafa ny kitrotro amin'ny nendramboalavo?
10. ari.malala ( 29/10/2007 07:48)
sanatria tsy manao automedication za, fa nisaceptole (tsy tadidiko ilay fanoratra azy) manamaina vetivety ny varicelle no sady tsy dia mampangidihidy azy, natoron'ny dokotera tam za nitaiza ny zanako voalohany.

Ny nendram-boalavo dia tsy mamindra raha tsy izy ilay manomboka mihofaka iny ka raha azo atao izany ny mampifanalavitra ireo zaza ireo amin'izay fotoana izay dia tsara.

Ny kitrotro dia hatrany anaty vavan'ny ankizy menamena feno bouton sady mikohaka be ny ankizy tratran'ny kitrotro, sady mety mahafaty raha tsy voatsabo tsara fa ny varicelle dia eraky ny tenany ftsn no feno bouton sady mamay le zaza fa io nisaceptole io no rapide, tsara noho ny eosine fa tsy mandoto (ny eosine menamena b d manasy), dia mirary fahasalamana hoan'ny ankizy e!
11. sakaizakely ( 29/10/2007 14:44)
salmo:
Tena tsy azoko zany aretina mahazo ny zanakao zany

Aza raisinao ratsy fa tena tsy aiko zany aretina zany ah, oe inn no mahazo ny zanakao!?
Voakaikitriny voalavo anga izy


Salmo kiffer-ko m'lay =))=))=))=))=))=))=))
12. sakaizakely ( 29/10/2007 14:48)
ny 15 andro mialoha ny isehoany no mifindra ny nendramboalavo. Rehefa mipoitra izy dia trop tard, tsy misy n'inn n'inn azo atao intsony fa dia miandry ny hipoirany @ le zaza faharoa indray.

tsy dia mampatahotra loatra io aretina io @ zazakely

dia arahabaina nahazo zazakely o :-*
13. rush ( 29/10/2007 18:58)
5 volana ny zaza kely indrindra voan'ny nendra,ny zaza latsak'izay tsy mbola mety ho voany satria ny nono no miaro azy,fa misy ny "exception"ka aleo mitandrina ihany, mijery dokotera ange rehefa mihazohazo e!misy fanafody osorana ny vay kely rehetra dia misy koa ny sirop anti-virus sotroin'ny zaza voa ny varicelle ka.Ny mpitsabo ihany no tena mahalala izay azo atao @ ny zaza menavava akia a!mazotoa e.
14. ikaretsaka ( 29/10/2007 20:39)
fa nalefanareo taiza indray izao zazakelinareo izao no voan'izany aretina isankarazany izany e?
15. ari.malala ( 30/10/2007 07:38)
ika, nga misy anzany hoe alefa aiza sy alefa aiza izany fa ny virus nge entin'ny rivotra d mahavoa na zaza mijan ao antrnao aza e!
16. sakaizakely ( 30/10/2007 08:23)
hita hoe mbola tsy manana ikaretsaka-kely ry ika izany :-D:-D:-D

sa ve mampiresaka fotsiny :-P:-P:-P:-P
17. ikaretsaka ( 30/10/2007 18:23)
ika selibany ka.. interessee nga sakaiza:-D
ny ahy hafa mihitsy ny vocation ko ka
18. ikaretsaka ( 30/10/2007 18:31)
raha mbola tsy voan'ny nendramboalavo kao raha edfa helibe de mbola afaka hifindrany ve?
19. ari.malala ( 31/10/2007 11:33)
ika, possible mbola voany mints na efa lehibe aza ka! mpiaramiasa taminay zay zao t@ herintaona izy vao voan'ny nendram-boalavo, nga enao ts mbola voa?
20. ikaretsaka ( 02/11/2007 16:01)
ayayay:roll:
nope!
misy vaksiny moa izany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9979