Fampianarana asa!

1. Herimiafina ( 19/10/2007 04:58)
Nisy projet hoe Vohijoro izay henoko fahiny fa toa tsy re laza mihintsy taty afara. Io tetikasa io dia mikasika ny fananganana eraky ny 22 regions ao Madagasikara fianarana fambolena tena fambolena toa ilay projet Ambararatabe izany.

Niheritreritra aho hoe tena ilaina tokoa ny fianarana toa ireny raha valider-n'ny fanjakana satria tsy ampy main d'oeuvre i Madagasikara fa rehefa tsy tantsaha mamboly ny hohaniny fotsiny dia injeniera agronome mibaiko tsy misy.

Torak'izany koa ny sapandraharaha sasany, ny travaux publics, ny resaka plomberie, mekanika, tena ilaina tanora maromaro mihintsy hamenoan ny banga ara-tsosialy amin'ny resaka asa madinika, mba tena hoe tohanan'ny fanjakana.

Fampianarana asa ho an'ireo izay tsy mba tafita nihoatra ny BEPC na ny Bac fa tsy hoe ho an'ny universitaire foana akory ny asa rehetra. :^):@
répondu par sarobidy le 05/11/2007 07:34
2. Jeankely ( 19/10/2007 05:56)
Aty andafy moa i Herimiafina no mitafa an? Inona no tian'i Herimiafina lazaina @'ny hoe "tohanan'ny fanjakana"? Ary ny Vohijoro ve tsy nisy fifandraisana t@'ny fanjakana? Ny banga ara-tsosialy aloha dia misy ary mety anisan'izany koa ny tsy maha any Madagasikara anao hameno ny banga=))=))=)). Ny fampianarana asa dia efa ela no noresahina tany Madagasikara fa ny olana lehibe dia izay hevitra mivoaka rehetra ao Madagasikara dia tsy tafavoaka ary hitadiavan'ny sasany hevitra mihintsy ny tsy hivoahany. Raha ny fifindra-monina ohatra dia natao nefa tonga any ny olona dia ny fikarakarana ny fiverenana no atao satria betsaka ny tsy mifanaraka @'ny eritreriny. Tsy ny Fanjakana intsony re izao ry Herimiafina no mitondra ny Fandrosoana fa ny sehatra tsy miankina a
3. Herimiafina ( 19/10/2007 06:20)
Loza ity marina mafy! anjekaky oo :{:{
Ary iza no mitondra ny sehatra tsy miankina, sa mpitondrantena izy ireny? ontsoooo:^)

Ny fanjakana tsy maintsy mbola misahana ny fianarana sy ny fampianarana, ny fandriampahalemana, ary ny fahasalamana sy ny fampahasalamana knou, dia eo indrindra isika izao.

Ka ny loza ara-voajanahary hitako matetika aty Madagasikara aty dia injeniera daholo ny olondrehetra hany ka rehefa tonga eto amin'ny chantier izahay dia samy manana ny dosage beton-ny daholo fa tsy misy manaraka ny voasoratra ao anaty cahier de charge sy ny Os, hany ka hoy aho hoe aleo mitady macon izany fa tsy ampy macon isika fa lasa injeniera koa ilay macon dia tsy mety manao ny asany fa aleony hono hanao chef de chantier, loza ity. :^)

Dia tahaka izay ilay fiainana aty Madagasikara aty, mitady plombier ianao dia tsy misy fa injeniera indray no antsoina hanao plombier dia izay ilay izy e, tena raha samy capiteny daholo ny ao anaty sambo dia ahoana izany?

Mahita anefa aho tanora mirenireny tsy mahita asa nefa manantalenta na tsy manana bac aza, tsy aleo ve izy ireny omena sehatra amin'ny fampianarana asa e?

Ilay hoe tohanan'ny fanjakana, betsaka ny sekoly profesionaly anelakelatrano, privé sns, fa raha ny mpandraharaha no anontaniana dia aleony ihany maka sortant oniversitém-panjakana na formation fanjakana. ka eo indrindra, inona no vaha-olana ho anay majinika tsy nahita fenarana? :^):@
4. Jeankely ( 19/10/2007 07:55)
O Ra-namana o! Aza dia mitaraiky be ny fomba fijery e. Ny toerana mba nolalovako dia hita fa tsara lavitra ny fitsaboana tsy miankina, ny fianarana tsy miankina, sy ny sns tohizo ary hita izany na ao Madagasikara aza. Ny fanjakana dia efa miova ny fomba fijery azy ankehitriny ry injeniera a.
5. Herimiafina ( 19/10/2007 15:23)
Tsy dia misy idiran'ny privatization na ny PPP ny resaka tiako hatao fa ny resaka ambaratongampampianarana toa ny IST ny INTH, sns, izay sanctionné par diplome publique.
Lazao fa efa lasa privé indray ny CONABEX ny Office du Bac ary efa privé koa ny oniversité.

6. Jeankely ( 20/10/2007 03:45)
Tsy hifandany andro hifamaly @'izany isiaka ry Injeniera fa hoe afaka miasa sa tsy afaka miasa ny olona nivoaka tamin'ny sekoly na oniversitia tsy miankina? Ireo olona rhetra ireo saika manana ny mahaizy azy avokoa. Ny resaka CONABEX sy Office du Bacc dia resaka hafa fa azo manao resaka mifangaro. I Madagasikara dia taraiky @ zavatra maro ka aza dia ny ao no raisina ohatra satria ny zavatra rehetra atao dia avadika olana daholo ho an'ny Malagasy. Ny Malagasy tia mamadika olana ny rehetra. Ny fomba fijery ny fanjakana efa miova fa tsy miresaka na mampianatra anao Privatization akory aho. Ny fantatro sy hitako ny ankizy mivoaka IST na INTH dia afaka miasa fa raha tia hanoy hianatra izy tsy maintsy mandalo io resahinao io. Ka natao hanoy ambaratonga ambony ve ry zalahjy sa natao avy dia hiasa araka ny eritreritra tao antsainao?
7. Herimiafina ( 20/10/2007 04:04)
Tsy misy olana kah, fa izao fotsiny zah tsy injeniera fa teknisiana formasion gasy kah, ny privatizasion indray efa resaka be roa taona nataoko foana tao amin'ny toekarena. hehehehe:-D

Fa izao no tiako hiaviana, io resaka INTH sy IST io no hitondrako azy angamba. ny karazana formation toa ireny mba tena tiako raha tena reconnu na fantatra 100% ao Madagasikara fa tsy hody ho baoritra fotsiny ihany ka ampifilaina ny ankizy mivoaka avy amin'ireny sanatriavina.
Tsy ireo ihany fa ny formation profesionely rehetra mihintsy raha manaraka norme tsara mifandray amin,ny legislation rehetra apetraky ny fanjakana, dia tokony ho reconnu tsara ary afaka miditra ny sehatry ny asa toy ny ankizy nivoaka tamin'ny fianarampanjakana, hamenoana ny banga misy.

Ny antony dia tsotra, fony aho tany amerika fahiny dia nahita fa tsy ny sortant oniversité loatra foana no omena loha-laharana amin'ny asa fa eo koa ireo karzana asa madinika toy ny securité, ny ambulancier, ny secretaire, ny infirmier, ny saofera taxi sy bus, ny plombier, soudeur, hatramin'ny resaka varotra sns tsy voatanisa, izay tena ilain'ny ekonomia tokoa satria banga an'ireo ny fiaraha-monina raha toa ka olona ho techocrate sy bureaucrate daholo no mameno ny asa.

Ireo formation ireo dia harovan'ny fanjakana amin'ny fanekeny ny certificat sy ny diplaoma izay omeny mba hahafahany mivarotra azy ireo any amin'ny sehatra tsy miankina. manana syndicat ara-dalana izay afaka miaro ny mambra amin'ny mety fanararaotan'ny mpampias atsy miankina sns.

Ny olana mantsy dia be ny mivoaka ny oniversité no miavona asa hany ka mitingina eny amin'ny toerana ambony avokoa izy rehetra, ny toerana sasantsasany nefa dia banga ka tsy maintsy ny mexikana tsisy taratasy foana no hatsoina hanao ny asa sasany. Dia izay no antony namoahan'ny fanjakana volabe entina manampy ny fanaganana ireny formation professionnel privé ireny na dia ny fanjakana ihany aza no manome sy manao sonia ny diplaomany mba tsy hanambanian'ny tsy miankina azy ireo.

Asa raha mazava? :@
8. Jeankely ( 21/10/2007 05:52)
Baba a. Ny tsena no manome lanja azy fa tsy ny fanjakana. Ny olona nandalo fianarana tany Amerika dia tokony hamafy tsara mihintsy fa ny sehatra tsy miankina no tena nampivoatra ny rehetra fa tsy ny fanjakana. Mifameno ny resaka fa tsy mifandaka akory fa manamafy fotsiny aho. Ny zavatra tsy mbola nisainanao angamba dia ity. Natsangana ny Centre de Formation isakarazany ao ny vita roa taona ao ny telo taona ary noheverina fa afaka hiasa avy hantrany ireo nianatra avy ao. Ny zavatra mitranga anefa dia tia hanohy fianarana indray ireo ankizy avy ao fa tsy ilay hoe avy dia hiasa. Raha miasa avy ahatrany izy dia tsy misy mbola nandrenesako fa tsy mahay ireny ankizy ireny. Tsy sakanana izy raha tia hanohy fa ilay hevitra fotsiny no diso hatrany amboalohany. Indraindray aza ny ankizy tena mahay indray no lasa manao fianarana fohy sy vita haingana fa ny votsvotsa indray no manao fianarana lasa alavitra. Anisan'izany no maharendrika ny firenena.
9. naughtyboy ( 21/10/2007 12:53)
ny fahitako azy ndray de zao tsara anohizana reny vinavina manokatra asa ho any tanora,fa ny vaindohandraharaha no ambaninjavatra oh.famatsiana vola ho any asa mamokatra sy fampivelarana reo sehatra samihafa ao anatiny fiarahamonina antoky ny toekareny firenena iray(fahasalamana,fambolena,indostria manondrana vokatra iraisampirenena,lalana sns..)
zany oe jerena lavitra ilay vinavina ,ra mamorona toerampanofanana asa 1 oh.za de efa manana traikefa
@ asa mifanaraka ho any reo zay vonona ny hiasa avy atrany sampana miankina na tsia @ fanjakana( manana fepetra miaro ny zo ny mpiasa fa tsy ho karamaina varimasaka)
fahaizamitantana ny kitapombatsimpanjakana mba tsy ho feheziny @ olombitsy fotsiny ny tombotsoany vahoka mamokatra,ary ny fanabeazana civic manomboka any antsekoly amongorana ny tsolotsolotra mambotry ny firenena amiko io no tena fositra mampiletika nyfirenena indrisy:oops:
10. Herimiafina ( 21/10/2007 17:07)
ny sehatra tsy miankina no tena nampivoatra ny rehetra fa tsy ny fanjakana

Fantatro tsara mihintsy io ary fantatro tsara koa fa ny tsy miankina ao Madagasikara mbola tsy vonona tsara amin'ilay PPP, ary mbola fantatro tsara koa ny atao hoe andraikitry ny fanjakana eo anatrehan'ny privatisation na ny fomba fisahaniny ny secteurs stratégiques.

Natsangana ny Centre de Formation isakarazany ao ny vita roa taona ao ny telo taona ary noheverina fa afaka hiasa avy hantrany ireo nianatra avy ao. Ny zavatra mitranga anefa dia tia hanohy fianarana indray ireo ankizy avy ao fa tsy ilay hoe avy dia hiasa.


Mbola tanora loatra ireo ankizy no mahatonga an'io, satria koa ny any amintsika mipetraka daholo ny limite d'âge isankarazany amin'ny fianarana ka tsy afaka manao recyclage ny efa zokinjokiny. Ny any ankafa anefa olona efa 50 taona te hanao plombier niverina nianatra soa amantsara. Ary matetika ihany koa tsy tena ny ankizy afaka bac tsy tafiditra na tsy tia oniversité no tena cible teneniko eto fa ankizy mety tsy nianatra mihintsy nefa manana talenta, na tsy manana Bac fa tsy ankizy hamadika indray ny formation 2 taona ho doctorat tsy akory..ireny efa feno any amin'ny aceeem hehehehe:-D

ny vaindohandraharaha no ambaninjavatra oh.famatsiana vola ho any asa mamokatra sy fampivelarana reo sehatra samihafa ao anatiny fiarahamonina antoky ny toekareny firenena iray(fahasalamana,fambolena,indostria manondrana vokatra iraisampirenena,lalana sns..)
zany oe jerena lavitra ilay vinavina ,ra mamorona toerampanofanana asa 1 oh.za de efa manana traikefa
@ asa mifanaraka ho any reo zay vonona ny hiasa avy atrany sampana miankina na tsia @ fanjakana( manana fepetra miaro ny zo ny mpiasa fa tsy ho karamaina varimasaka)
fahaizamitantana ny kitapombatsimpanjakana mba tsy ho feheziny @ olombitsy fotsiny ny tombotsoany vahoka mamokatra,ary ny fanabeazana civic manomboka any antsekoly amongorana ny tsolotsolotra mambotry ny firenena amiko io no tena fositra mampiletika nyfirenena indrisy


Izay mihintsy no ataon'ireo centre de formation, manana agence de placement hafahafa izany tonga dia ahitany asa avokoa ireo ankizy navoakany, ary isaky ny sampana izany, ary matetika dia tonga dia tafiditra soa amantsara anatin'ny syndicat rehefa mivoaka. :^)
11. naughtyboy ( 21/10/2007 17:53)
ra ny enoko tantarainy reo namana tafavoaka @ fianarana ambony any antoerana sy sokajy samihafa miasa @ reo sampana tsy miankina fanjakana zone franche de mifanohitra @ zany ny miseho tokony tsara karama koko noho ny fanjakana voambaka tanteraka ny fahaizana noratoviny @ fianarana nataony ra oharina @ karamany ary ny syndicat de fitaovana malemy eo anatrehany fanaparapahefana @ mpiasa madinika zay de zvmisy any fa ny technocracy syndicat mipirina eny ambony latabatra fotsiny,tsy manana ny fahefana manapaka sy mahefa ra mihoatra sampana fitondrana misy ao amintsika(zay voafehy ny antokon'olmbitsy, diniho tsara ange:wink:
12. xxx ( 21/10/2007 20:33)
naughtyboy:

ra ny enoko tantarainy reo namana tafavoaka @ fianarana ambony any antoerana sy sokajy samihafa miasa @ reo sampana tsy miankina fanjakana zone franche de mifanohitra @ zany ny miseho tokony tsara karama koko noho ny fanjakana voambaka tanteraka ny fahaizana noratoviny @ fianarana nataony ra oharina @ karamany ary ny syndicat de fitaovana malemy eo anatrehany fanaparapahefana @ mpiasa madinika zay de zvmisy any fa ny technocracy syndicat mipirina eny ambony latabatra fotsiny,tsy manana ny fahefana manapaka sy mahefa ra mihoatra sampana fitondrana misy ao amintsika(zay voafehy ny antokon'olmbitsy, diniho tsara ange:wink:


sao dia ny olona kosa no kanosa tsy sahy manao lobbying fa manaiky izay lalitra fahanana azy rehetra.
jereo fotsiny fa raha ny any ivelany raha ny soudeur sy ny machinista no mitokona, dia mikatso ny famokarana ary matanjaka sy manampahefana kokoa ny mpiasa sindikaly ka tsy manikinaiky lembenana amin'ny zava-misy. Miova ny mpitondra ny orin'asa tafiditra ao Canada ireo orin'asa metalorjika amerikana ohatra dia miova ny tsenan'ny asa, manidy varavarana ny orin'asa ao antoerana fa tsy sahy mifaninana, rehefa mano pression nefa ny syndicat dia tsy manana safidy afatsy ny hitady marimaritra iraisana ny mpampiasa.
ny resaka zone franche indray ohatra, dia ny main d'oeuvre tsy qualifié ka azony solosoloina araka izay ilavany azy, marobe ny olona no mitady asa, ary matetika karazana olona tsy nianatra ka tsy mahita haleha hafa.
jereo indray anefa ny resaka fanamboaran-dàlana fa ny conducteur d'engins ohatra izao dia tena vitsy ka afaka manampatra tsara sy manome pression ireo mpampiasa azy satria qualifié tsara nahazo formation irney olona ireny ary miray hina afaka mampifila. Kanefa ny fotondrana engin ve nilana doctorat teny Ankatso ohatra.
13. Jeankely ( 22/10/2007 02:51)
Misaotra fa nazavainao Raxxx ny resaka tsenan'ny asa nolazaiko teo ambony. Na any Madagasikara na @ toerana hafa dia anjaran'ny samy mpiasa no manisy lanja ny asany. Ohatra farany tsotra indrindra hiainan'ny ambanivohitra ny karama atao hoe "olona iray" na "iraika lahy". Rehefa manakarama tambanivohitra ianao dia 200 ariary ny iraika lahy avy eo nisondrotra nisondrotra. Rehefa samy tsy manaiky ireo fa milaza hoe arivo ariary ny iraika lahy tsy maintsy manaraka ianao raha mila tany voaasa. Ny ava-mitranga anefa na mafy aza ny asa-tany dia misy manaiky mampidina ny "iraika lahy" noho izany ambany hatrany ny karaman'ny mpamadika bainga. Ohatra farany tsotra io fa mitovy @'izay daholo ny sehatra rehetra.
14. naughtyboy ( 24/10/2007 17:04)
herimiafina,tsy itovy mintsy ny infrastructure sy
ny fahefana manapaka ananany mpiasa sy mpampiasa ao madagasikara sy any ivelany fa tsy fahakanosana akory,samihafa ny mahazo ny mpiasa 1 azony tsindrihazolena sy ny iray mahazo indemnite na fanampiana @ fanjakana ra tsy miasa na ny firenena misy azy aza samihafa ny rafitra sy ny lalana miaro sy manapaka azy
15. soanja ( 25/10/2007 00:18)
Efa manomboko zegny amprovince sasany.

http://www.youtube.com/watch?v=rvLOlytW6Sw
16. xxx ( 25/10/2007 00:30)
Misaotra anareo! Manao ahoana tsara izany ny fiarovana amin'ny asa raha ao Dago? (securité du travail).
17. Herimiafina ( 26/10/2007 03:18)
EFa somary voavaly ihany ilay fanontaniana tebitebiko izany. :)
18. sarobidy ( 05/11/2007 07:34)
:D za vo saika hiteny ko hay efa afa-po ranamana :oops:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2312