raha tsy ho ahy

1. andozo ( 17/10/2007 07:28)
salut daholo e!mba mitady an'ilay tononkiran'i rija ramanantoanina hoe raha tsy ho ahy iny fa tiako be le toniny ah
répondu par ari.malala le 19/10/2007 11:41
2. ari.malala ( 17/10/2007 07:49)
Raha tsy ho ahy ho ahy irery ianao fa hoazy koa
Raha tsy ampy anao ny iray fa tianao ny hampiaradroa
Dia avelao ho ahy irery ny fitiavako fa sao dia lo
ka tsy hahay hitia intsony avy eo
avelao hoa any koa ny lasantsika tsy hifoha
na izay anio na ny ampitso aoka tsy hiseho
diany mbola tsy miroborobo fakany ilay fitia
dia aleo kapaia sao mamoa
tsy ninia hamitaka aho sanatria
na hoe tsy ampy ahy ka aleoko roa
fa nisy fitia iray tsy mbola hitako nandalo teo
dia tsy fantatro fa lasany aho
fa nisy fitia iray niserana nitondra afo teo
nangatsika aho dia nantsoiny hoeo aminy
sanatria tsy hoe tsy tia anao intsonya ho dia nandeha
nandeha aho dia niverina indray
sao santria tsy ampy anao ny fitiavako
tsy noho ianao na ny fitiavanao no antony
ampy ho ahy tokoa izay nataonao sy ny fonao tena tia
nanana amby betsaka aza ireny
f'ilay fitia izay nandalo hafa tamiko
no nahavariana ahy ka niniako nofantarina
fantatro avy eo fa tsotra nefa feno ny fitiavanao
hafahafa ilay fitia vaovao
toa nampiova ahy ny fitia nentiny
nampitombo ho ahy ny fitiavanao
tany aho fa tys nahatsiaro ho nafana ny afo netiny
mbola hafa ny fitiavanao
fa nisy fitia iray niserana nitondra afo teo
dia nanampy ahy izy hanazava anao
fa misy fitia iray tsy manam-petra ao anatiko ao
voatokana hoanao sy ho ahy

mihirà finaritra e
3. andozo ( 17/10/2007 11:23)
misaotra an'izay nandefa an'ilay rahatsy ho ahy iny e!ie hihira finaritra @ zay zany zah zao
4. lanto ( 17/10/2007 14:53)
Hay moa xxx tokoa i ari.malala eto :wink:
5. ari.malala ( 19/10/2007 11:41)
lanto, hihihi zay zany e;)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0147