tsy maintsy mifampahery isika
1. 100tinl
(
10/10/2007 08:43)
Azon'ny mpino KRISTIANA antoka tokoa ny fandovana ny fiainana mandrakizay na dia tsy maintsy ho tonga aza ny fahafatesana, saintsaino mandrakariva izany dia mifampahereza fa manana izany finoana sarobidy izany isika ary mivavaha mba hanana izany ny olon-drehetra fa mampalahelo ny olona tsy mahalala izay iafarany aorian'ny fahafatesana afa-tsy ny fasana sy ny fahaverezana mandrakizay any amin'ny helo.
répondu par fijo le 11/10/2007 20:11
2. tywa68
(
10/10/2007 09:31)
tena marina tokoa zany fa tsy mora ho an'ny tsy te-halala ny mino izany rehefa betsaka ny manodidina azy mampiseho toetra tsy mendrika nefa milaza azy ho kristiana.
3. niryna
(
10/10/2007 11:07)
100tinl:
Azon'ny mpino KRISTIANA antoka tokoa ny fandovana ny fiainana mandrakizay na dia tsy maintsy ho tonga aza ny fahafatesana, saintsaino mandrakariva izany dia mifampahereza fa manana izany finoana sarobidy izany isika ary mivavaha mba hanana izany ny olon-drehetra fa mampalahelo ny olona tsy mahalala izay iafarany aorian'ny fahafatesana afa-tsy ny fasana sy ny fahaverezana mandrakizay any amin'ny helo.
Izany no antony iray hiambenana andro aman'alina ny fanahintsika,ka hanazarana antsika ny hamakiana ny teniny satria io irery ihany no ampinga hiarovana an'i satana .Fomba ahoana tokoa moa no hilazana fa hoe kristiana isika kanefa ny teny izay nomeny aza tsy atao ao am-po na am-piharina amin'ny fiainana?
Anjarantsika kristiana no mivavaka ireny ondry very na mivoaka ny vala ireny mba ho voavonjy ny fanahiny ,eny fa na dia iray fotsiny ihany aza no voavonjinao.
dia efa mifaly ny anjely any an-danitra miaraka amin'ny Ray :D
tywa68 :
tena marina tokoa zany fa tsy mora ho an'ny tsy te-halala ny mino izany rehefa betsaka ny manodidina azy mampiseho toetra tsy mendrika nefa milaza azy ho kristiana.
^:^
LazaDaddy:
[quote=Galatiana5:19-21]Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijefojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.
niryna:
Ho tohizako io Gal 5:22-26
Soa ihany fa misy an'i Kristy isika manome antsika hery sy fanantenana ka dia miezaka ny hanantona azy hatrany satria nahazo fampaherezana isika.Tsy mbola tara raha manaiky sy mino azy ho tompontsika isika,raha mibebaka ka manatona azy amin'ny fo manontolo dia omeny hery ho tonga zanak'Atra.
22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,
23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.
24 Fa izay an'i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filàny tamin'ny hazo fijaliana.
25 Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.
26 Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.
prime:
Lohateny : Re : Ny asan'ny nofo
Voninahitra ho an'Andriamanitra amin'izany teniny izany... Amen
4. fijo
(
10/10/2007 19:38)
tywa an,elah kosa aza mamely fantsy be eto an.sao hisy hanatena fotsiny eto mantsy
hoan'ny mpanoratra,ahoan ano hilazanao,fa azo antoka ny aorian'ny fahafatesana????nisy efa niverina avy any nilaza ngaha?
hoan'ny mpanoratra,ahoan ano hilazanao,fa azo antoka ny aorian'ny fahafatesana????nisy efa niverina avy any nilaza ngaha?
5. rabilabila
(
10/10/2007 20:25)
Fa misy resy angaha no mifampahery ?:wink:
Aza mifampitsara ho'aho fa tsy mety izany .
Te-Hanamaivana ny asanao aho ry niryna fa mety ho lany andro ianao raha olona (ondry )ohatra ahy:wink:
Ny ahy izao fotsiny:
Rehefa maty aho dia aleveno ,ary aza atao lalina loatra fa ho atao "compost" ( evidemment raha tsy matin'ny pesta aho , na ebola ,na izay areti-mifindra mafy daka ,raha izay indray dia dory ) ,dia amboleo paiso petak'orona na roatra eo amboniko ( éspèce en voie de disparition) ,na manga koa ,amin'izay ianareo afaka manao "palabre" eo amin'ny alokaloka eo ( ilaina ny aloka izao fa miha-mafàna ny andro). Ka rehefa vokatra ny voankazo ka handàlo eo i Rainilezo dia hioty ary hihinana ,ho voky ary ho afaka hetaheta .Ary ny voan-drotra ,na ny taola-manga na ny voa-paiso dia haniry etsy lavidavitra etsy aorian'ny nandehanan'Ingahy Rainilezo niafina tao ambadik'ilay bongo .
Mino aho fa mànana "sens de l'humour" daholo an!!

6. fijo
(
10/10/2007 20:28)
ny ahy koa dia io no hiafarako,fa ny ahy tsy paiso no ambolena eo fa raozy.amin'izay faly izay mahita azy ary mba mety ahatsiaro ahy
7. tsimiandravola
(
10/10/2007 21:02)
rabilabila:Indro kely hoy ny mpandrafitra....
Fa misy resy angaha no mifampahery ?:wink:....
Mino aho fa mànana "sens de l'humour" daholo an!!
Vazivazy iray an-dalana,...ary toa tsy iray andalana fotsiny ihany ny vazivazinareo tsy mpino sasany!!!:x:cry:
Raha tena dinihinareo isany ny halalin'ny rano dia ho tsapanareo fa mbola goavana ny adidinareo...moramora angaha amin'ialahy isany ny mandinika izany hoe oeillèren-tsoavaly?Ny mandinika izany hoe dontoloha amin'ny finoana....
Io ilay antsoin'ilay hoe Riboni Enrico (www.christianisme.ch) hoe ESR (encephalopathie spongiforme religieuse)...sady mamindra io no manaranaka..;any madagasikara izao vao mihe-tototra, sady tsy ampiampy défense loatra ny organisme dia ataony mahamay.
Ireo olona mafy adidy no mila mifampahery,ary ny adidy tsy an'olon-dratsy hoy ny fitenenena.
Veloma aina ho'aho!
9. tsaramaso
(
11/10/2007 01:54)
efa miandry ny vampira atsy mirarak'ivy !!!!!!!hahaahahaha !!!!! ze laniny eo lasa vampira koa !!!!
10. niryna
(
11/10/2007 04:00)
fijo:
tywa an,elah kosa aza mamely fantsy be eto an.sao hisy hanatena fotsiny eto mantsy
hoan'ny mpanoratra,ahoan ano hilazanao,fa azo antoka ny aorian'ny fahafatesana????nisy efa niverina avy any nilaza ngaha?
Tsy mino hianao dia tsy ho azonao mihitsy na hisy hanazava eo aza.Aza manao an'Atra tsy misy ka mitsambiky mikipy ry fijo an.
11. fijo
(
11/10/2007 20:11)
ka za manao azy tsy misy mihintsy ka;fa tsy hitsambikina mikipy kosa akory.ahoana moa no ilazanao,fa misy zavatra azonao antoka,nefa tsy mbola nisy nahita avy any akory.....?finoana ny anao,fa aza mitompotena amin'izany