Ny Fanahy Masina
1. LazaDaddy
(
08/10/2007 23:51)
Betsaka ny olona fantatro miresaka momba ny Fanahy Masina. Rehefa henoina anefa ny resany dia tena tsy fantany mihitsy ilay Fanahy Masina resahiny fa fahazarana tonga ao am-bavany fotsiny.
Misy koa ireo tsy te ahalala momba ny Fanahy Masina satria diso fanantenana tamin'ireo "charismaniac".
Mino aho anefa fa isika eto dia liana te ahafantatra ilay marina manafaka antsika ka tsara raha mifampizara.
Inona avy ary ny fantatrao momba ny Fanahy Masina ka azonao zaraina amin'ny namana?

répondu par prime le 15/10/2007 13:03
2. salmo1
(
09/10/2007 00:13)
Tsy fantatsika izany. ^:^
La Biblia dice: Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra.
Zao fotsiny wa:
Aza mitsaratsara olona fa ny tenanao alou jerena tsara, koa raha tsy tinao ho hatao aminao ny zavatra tsy tinao manokana, dia aza hatao amin'ny sasany kosa anefa ny zavatra ratsy tsy tiany.
Koa rehefa mahatsiaro enao fa tsara izay hataonareo rehetra dia tsara izay eo anatrean'Andriamanitra, indrindra fa oe: nataonao tamin'ny fahatahorana Azy manokana.
Rehefa mino Azy sy manaraka ny didiny enao de manana ny atao oe: Fanahy Masina.
Mazava amin'ny rehetra oe: isika dia tsy misy tanteraka raha mbola ety an-tany. Knefa izaho mino fa misy Fanahy Masina isika, rehefa mibebaka.
(Asa ndray io ra himemezan'i pissoa na ho tsia)

3. ikaretsaka
(
09/10/2007 01:48)
Fijeriko:
Samy manana ny fanomezana fahasoavana sy ny fiasan\'ny Fanahy Masina ao aminy avy ny tsi11, ary tsy voatery ny mety aminao akory dia mety amin\'ny hafa.
Ny fahaizana mampiasa sy ny fisan\'ny fanahy masina dia hita eo amin\'ny tena sy ny asa ary ny fiainana andavanandro!
Fa ny famintinana azy dia
1) mpanazava saina mpankahery ary manamasina Izy! (Misy ilay vavaka latinina izay hoe O veni Sancle spiritus mahalaza azy tsara)
2)Ny olona hendry dia manam-panahy hoy ny Gasy: mahay mandinin-tena, tsy manana prejuges amin\'ny namany, falifali lalandava
dia misaotra an\'i salmo amin\'ny tohiny:wink: vaya con Dios letsy e

4. ikaretsaka
(
09/10/2007 01:58)
Fijeriko hafa koa:
Ny famantarana ny hazo fijaliana (amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina) no mahafehy ilay asan'ny Fanahy masina.
Raha vertical sy miditra lalim-paka (ambony-ambany) ny Ray sy ny zanaka.Dia horizontal(gauche-droite) mivelatra ny Fanahy masina
ny Fanahy masina no manome antsika ilay fivelarana sy fahalalan-tsaina mahatonga ilay finoana
"tsy ho fahafahana mivoana any anivon-danitra any fa santarina eto an-tany... hampiadana ny olona rehetra"
sady raha olona iasan'ny Fanahy masina dia mahafantatra ny tenany aloha, vao ny namany!
na carismat'Ika io na carismaniac (araka ny voalaza eo ambony) , na Karispijo

5. soanja
(
09/10/2007 05:53)
Ny ahiko indray dia misy karazany telo ny fanahy ao anatin'ny olombelona.
Nianarana avy amin'ny finoana Jiosy ilay izy ary tena tsapako fa mi-make sense tokoa;
-Ny Nefesh izay fanahy nomen'Andriamanitra tamin'ny voalohany, izay manodina antsika rehetra hiaina. Io dia mahaOlombelona antsika ary io ilay hoe ny fanahy no mahaOlona. Tafiditra ao anatin'io ny fitandremana ny didy nomen'Atra sy ny fanekana fa manana ny fahendrena ny olombeolona ary misy lalana arahina noho izany.
- Ny Ruah kosa dia ilay fanahy fitaritana amin'ny mahampino antsika. Io dia mitondra antsika hikatsaka an'Andriamanitra lalin-dalina kokoa, misahirana mihitsy amin'izany ary manao izay azo atao hahatomombana ny mahaFanahy antsika. Raha mampiasa an'io fanahy io isika , izay ao anatintsika matory raha tsy etsehana, dia tia mandinika ny tenin'Andriamanitra sy izay mahalalina kokoa ny fisiantsika satria zanany sy tiany isika. Io ilay fanahy kitihana vao mihetsika ary fohazina hitaridalana vao hanilo! Ny tenanao no mikatsaka azy fa izy efa ao anatinao vonona lalandava hanampy anao.
-Ny Neshamah moa izany dia ilay Fanahy Masina, ilay solon'i Jesoa, ilay teny, Ilay Afo, Ilay Andriamanitra resahin'ny baiboly mazava tsara. Izy andriamanitra no tonga midina ao aminao manome anao ny fahasoavana sy ny fizarana izany amin'ny hafa. Izy ihany no mahalala izay mandray azy ary ireo dia azo antsoina hoe olo Masina satria manana azy ao anatiny. Afaka miala io FM io raha manota ilay olona na misy zavatra ataony tsy mifanaraka amin'Andriamanitra.
Io zany tsy ao aminao raha vao teraka hoe le fanahy mahaolona fa midina ao aminao avy amin'Atra sao tsy mazava ny tiako resahina.
Vitsy ny mahatratra io FM io saingy misy tokoa izany olona izany. Tsy misy afaka milaza fa manana azy afa tsy ny asa vita sy ny fahaganana mitranga vitany ka ny olona no miteny hoe izy mahita sy mijery no manana an'ilay FM SATRIA mazava sy miharihary ny fahamasinana manoloana anao sy ilay olona.

6. soanja
(
09/10/2007 05:58)
Izay no mahatonga ahy miteny hoe fohazy ilay fanahy ao aminao , hitarika anao hahita ny fahamarinana satria izy no hanazava ny lalanao hamonjy an'i JESOA!
7. rova30
(
09/10/2007 07:12)
Tsy dia nandalina loatra ny Baiboly aho , fa raha ny fahazoako azy dia : ny olona itoeran' ny Fanahy Masina, dia olona mitoetra ao amin' ny Kristy (Jesosy), olona miezaka sy mametraka ny lalandava ny fiainany eo ampelantanan'A'tra; olona manolotra ny tenany antsitrapo an' Atra: hanatanteraka izay asa nanirahana azy ,izany hoe: tsy ilay olona intsony no mandidy ny tenany, amin' izay fa Atra sy ny Fanahy Masina mitoetra ao aminy!
Lasa fitaovana hiasa ho an'Andriamanitra izany ilay olona, ary ny Fanahy Masina mitoetra ao aminy no mibaiko sy mitarika azy amin'izay nanirahana azy.

8. bosista
(
09/10/2007 10:06)
tsy hoe manakiana aho na manaratsy fa maninn le olona sasany izay ilatsahan'ny fanahy masina ,le miteny amin'ny teny tsy fantatra no tiako hitongavana amin'izany no hoe:toa samy mampiasa ny fiteniny ry zareo?nefa tsy iray ihany ve ny fanahy masina sa misy langue firy izy? no toa samy manana ny azy ko!tsy misy fiteny ofisialy angah iraisan'izy rehetra?
10. pissoa
(
09/10/2007 17:45)
LazaDaddy:
Betsaka ny olona fantatro miresaka momba ny Fanahy Masina. Rehefa henoina anefa ny resany dia tena tsy fantany mihitsy ilay Fanahy Masina resahiny fa fahazarana tonga ao am-bavany fotsiny.
Misy koa ireo tsy te ahalala momba ny Fanahy Masina satria diso fanantenana tamin'ireo "charismaniac".
Mety ho tafiditra ao amin'ireo olona fantatrao ireo ve ianao ? :-D:-D:-D:-D:-D
Mino aho anefa fa isika eto dia liana te ahafantatra ilay marina manafaka antsika ka tsara raha mifampizara.
Inona avy ary ny fantatrao momba ny Fanahy Masina ka azonao zaraina amin'ny namana?
1 - Tsy miasa eo ambany fiadidiako ny Fanahy Masina. Izany hoe tsy izay tiako no ataony. Tsy hoe rehefa tsy mitovy amin'ilay eritreretiko dia teneniko hoe tsy mahafantatra na tsy misy Fanahy Masina io olona io. Manana ny fomba fiasany sy ny fomba tiany hiasana ny Fanahy Masina.
2 - Tsy any anaty fahagagana ihany no iasan'ny Fanahy Masina fa any anaty zavatra tena takatry ny saina ihany koa.
11. fijo
(
09/10/2007 21:06)
amiko moa dia tsy misy io,fa ny tsirairay kosa dia manana fanahy izay anjarany ny manao izay hitiavany azy.safidy io
12. rabilabila
(
09/10/2007 21:16)
Soanja a!!! Mba tiako omenao ahy kely hoe :inona no définition n'ilay fanahy ,raha tsy mahadiso .
Ame ve ? sa pensée ? sa morale ? sa bon sens ? sa inona ?
Avy eo dia hoe inona ny definition n'ilay hoe Masina ? Tsara ? sa ny mifanaraka amin'ny baoboly ? sa ny mifanaraka amin'ny fiaraha-monina ? sa inona ?
Misaotra.

13. ikaretsaka
(
09/10/2007 23:04)
miandry an'i soanja ary, za saika hanontany mihitsy hoe in what way ilay hitaritan'i sianja ny hevitr'i soanja kanjo efa io lazain'i bibablila @ fomba mahitsy io
14. niryna
(
10/10/2007 11:32)
salmo1:
Tsy fantatsika izany. ^:^
La Biblia dice: Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra.
Zao fotsiny wa:
Aza mitsaratsara olona fa ny tenanao alou jerena tsara, koa raha tsy tinao ho hatao aminao ny zavatra tsy tinao manokana, dia aza hatao amin'ny sasany kosa anefa ny zavatra ratsy tsy tiany.
Koa rehefa mahatsiaro enao fa tsara izay hataonareo rehetra dia tsara izay eo anatrean'Andriamanitra, indrindra fa oe: nataonao tamin'ny fahatahorana Azy manokana.
Rehefa mino Azy sy manaraka ny didiny enao de manana ny atao oe: Fanahy Masina.
Mazava amin'ny rehetra oe: isika dia tsy misy tanteraka raha mbola ety an-tany. Knefa izaho mino fa misy Fanahy Masina isika, rehefa mibebaka.
(Asa ndray io ra himemezan'i pissoa na ho tsia)
misy fahamarinany izany.Matoa aho ohatra miresaka ny hoe FM dia fantatro fa miaraka amiko izy ary azoko tsampain-tanana Izy ato amiko.Ny kristiana ihany no miaraka aminy ny FM .Ny olona miresaka ny FM kanefa tsy mino an'Atra dia tsy ny FM izay noresahin'i Kristy (izay nangatahiny tamin'ny Ray foiny izy tety an-tany io) fanahy resahiny io fa hafa (fm):roll:
15. prime
(
10/10/2007 11:48)
Mitovy hevitra amin'i Niryna ny tenako...
Tsara ny tari-kevitra nentin'i soanja... no sady mazava tsara... misaotra sy mankasitraka...

LD:...Raha ny momba ahy manokana dia nampibaribary ny mahaizaho ahy ny fanahy masina nanoloana ny mahaAndriamanitra an'Andriamanitra ary resy lahatra aho ka nibebaka ary nandray Azy... ankehitriny dia mivavaka mandrakariva aho mba honina amiko mandrakariva ny fanahin'Andriamanitra sy mba hanome hery ahy hizara ny fahasoavana voaraiko tamin'ny anaran'i Kristy...
Inona avy ary ny fantatrao momba ny Fanahy Masina ka azonao zaraina amin'ny namana?
16. cutie
(
10/10/2007 12:47)
Raha ny momba ahy manokana dia nampibaribary ny mahaizaho ahy ny fanahy masina nanoloana ny mahaAndriamanitra an'Andriamanitra ary resy lahatra aho ka nibebaka ary nandray Azy... ankehitriny dia mivavaka mandrakariva aho mba honina amiko mandrakariva ny fanahin'Andriamanitra sy mba hanome hery ahy hizara ny fahasoavana voaraiko tamin'ny anaran'i Kristy...
taiza no nahitan'i prime ny FM:wink:
17. soanja
(
10/10/2007 13:49)
rabilabila:
Soanja a!!! Mba tiako omenao ahy kely hoe :inona no définition n'ilay fanahy ,raha tsy mahadiso .
Ame ve ? sa pensée ? sa morale ? sa bon sens ? sa inona ?
Avy eo dia hoe inona ny definition n'ilay hoe Masina ? Tsara ? sa ny mifanaraka amin'ny baoboly ? sa ny mifanaraka amin'ny fiaraha-monina ? sa inona ?
Misaotra.
Rabilabila>
Io fanahy resahiko io dia mifandanja= midika amin'ny ame sy ny soul.
Saingy rehefa adihadihadina dia tsy mitovy ny zavabitany.
Tamin'ny olona iray vao niforona dia nanome nanome antsika ny Nefesh Andriamanitra hahafantsika miaina sy miodina. Tafiditra ao anatin'io ny saina sy ny fihevitra ary ny fomba amam-panao manoritra ny mahaolombeolona antsika ka mitarika antsika hiara-monina amin'ny hafa. Io koa izany dia isan'ilay hoe Moral, vertue, justice satria io saina io ihany dia afaka mandinika ny tokony sy ny tsy tokony iatrehana ny fiaraha-monina ka ny mba hifandraisan'ny mpiarabelona tendro no tanjona iray zany hoe ny tsy fanelingelenana ny fivoatran'ny tsirairay amin'io fiainany io nefa isian'ny firahamonina ary ny tsy fanararaotana ny hafa ary ny tsy fanamorana ny fahafatesan'ny hafa.
Ny Ruah indray koa dia azo amin'ny fotoana nahaterahana. Io dia efa ao anatinao ary matory. Raha ny fihevitra Jiosy dia efa nomen'Andriamanitra antsika mialoha ny fahaizana an'Andriamanitra rehetra, anjarantsika ny manokatra azy ary mampihatra azy amin'ny fiainantsika ary indrindra ny fampitana azy amin'ny hafa.
Eo ny olona iray no mifoha ara-panahy ka manapakevitra fa hiroso amin'ny lalindalina handinika ny zavatra takian'Amdriamanitra aminy ary manao ny ainy tsy ho zavatra hanantanteraka izany. Eo izy dia tena mikatsaka ny endrik'Andriamanitra izay lazain'i baiboly fa hitovizaNY amintsika.
Io Ruah io no mahatonga ny olona iray hanaraka ny dian'i JESOA ka hanao relijiozy, ny sasany hanao filozofy handinika ny finoana, ny pasitera, olon-tsotra laika sady mantahotra an'Andriamaniitra sns tsy voatanisa... saingy miahy ny finoana ny azy sy ny hafa.
Ka io amin'ny fiasan'i Nefesh sy ny Ruah io amin'ny olombelona no ahafahan'Andriamanitra mijery raha nampiasa ny zav-tsarobidy nomeny ny olombeolona iray. Eo izy no manapa-kevitra manome ny FANAHY MASINA. Izy mihitsy no midina ao ain'ilay olona mameno, manenika ny fiainan'ilay olona. Fahasoavana sy fanomezam-pahasoavana no miseho eo anatrehan'ny rehetra sy ilay olona raha mitranga izany. Tsy hita pesipesenina ny mety ho zava-bita tsy takatry ny saina nefa misy sy tsy mampino ny hafa indraindray na mahatonga ny hafa ho tapakevitra hanaradia ilay olona satria MASINA izy.
Io Fahamasinana io dia sarotra ny manaza azy satria n'iza n'iza tsy afaka hiteny hoe MASINA aho saingy ny zavabita sy ny zavamiseho ao anatiny sy ety ivelany no hahafantarana izany. Satria misy ny famantarana manokana momba izany fahamasinana izany.
Koa raha hiteny aho hoe ao anat baiboly daholo ve ireo , dia hilaza aho fa tsy voatery saingy ny fanazavana entiny hiatrehana ireo fanahy ireo dia ao anaty baiboly tokoa.
Raha misy fanontaniana dia apetraho.
I JESOA no fanilo hitarika anao amin'ny FAHAMARINANA IZAY TAKIN'ANDRIAMANITRA amintsika. Izy no modely ary izy ihany no afaka hanokatra izany lalana izany hampitovy antsika amin'ilay nahary antsika eto ambonin'ny tany. Endrik'Andriamanitra ianao, ampisehoy izany!Ny Fanahy Masina no zavatra katsahinao raha toa ka te hiaina izany ianao.
19. cutie
(
11/10/2007 17:14)
Mpandefa : prime [ Valio ] 11-10-2007 12:45:27
Lohateny : Re : Ny Fanahy Masina
cutie> ianao angaha mbola tsy nihaona taminy?
:-D:-D:-D:-D:-D
le tena pure ry prime a :-D