Asio resaka kely aloha ROLLAND RATSIRAKA E

1. Sambilokely ( 05/10/2007 15:23)
Tadidiko tsara fony nafana be ny raharaha momba an'io olona io dia nipotsaka daolo ny vavan'ny fanatika ity fitondrana ity toy ny efa nahita mintsy oe nangalatra sy nanodikodina ny vola tokony hanadiovana tanàna io ben'ny tanàna io!! androany anefa dia nilaza ny fitsarana fa afaka izy amin'iny raharaha iny! dikan'izany de oe tsy nanao izy!! Ka fanontanina mipetraka de oe inona no zava-nisy tao am fitsarana tao? Voavidin'i Rolland ve ny fitsarana? impossible zany!! Sa misy tsikombakombany am fitondrana?? toa tsy hampino nefa possible!! Sa vita ny fifidianana deputé de na afahana aza izy de tsy maninona??
répondu par Jeankely le 16/10/2007 02:55
2. Fiffi ( 05/10/2007 16:15)
iray kalou no nahafaka azy...mbola mitohy ny fitsarana.....
3. salmo1 ( 05/10/2007 16:18)
Sambilokely:
Voavidin'i Rolland ve ny fitsarana?

ie, a+ 30ariary :@
Sa misy tsikombakombany am fitondrana??

Tena misy tsikombakombany maintsy ao @ fitondrana (¿donde esta la democracia? :roll: ), satry raha olona meloka i Rolland teo aloha, am zao tsy meloka ndray, de oe: tsy nanao ny ratsy^:^. Noho izany, lay nanameloka anazy rehetra indray no tokony tsara heloina:!::°)

Mety nivavaka be angamba i Rolland8)
4. fijo ( 05/10/2007 22:06)
malalaka ny fitsarana ,ka izay no heviny de izay.ny sisa manombana
5. zandikely ( 05/10/2007 23:36)
Fiffi: efa vita kosa ny fitsarana rehetra e, toa hoe tsy nisy nitombina ny ankamaroan'ny fiampangana azy.
Ny fanontaniana mipetraka izao dia hoe haverina amin'ny maha maire azy ve izy sa tsia?
Procédure administrative indray no mety miady eto, nefa mety misy politique iany koa!
Wait and see!
6. maditra ( 05/10/2007 23:46)
Manantena zah fa ny marina no iny nivoaka iny. Ny mampalahelo ahy dia ny fomba fisainan'ny mpanao politika sasany ao Tamatave. Ireo mpiara-mitolona t@ Rolland Ratsiraka (conseillers) taloha izany sy ilay namana iray tsy tadidiko anarana izay.

Ny zavatra tokony hodinihina koa dia ity. Nahoana no efa vita ny fifidianana depute vao natao ny fitsarana?

Misy dikany be iny famotsorana an'i ROlland iny satria, araka ny fandinihako izay mbola mila fanaporofoana dia, maro amin'ny mpanao politika izay nohelohin'ny fitsarana hatramin'izay no innocent(e)s fa mieritreritra ny mpitsara hoe manampy ny fanjakana izy raha manameloka an'ireny!

Alohan'ny hamalian'ny sasany ity zavatra soratako ity dia izao ny fiangaviako: mandiniha kely ihany!
7. Jeankely ( 06/10/2007 01:11)
Ny resaka fanatika dia tsy mitombona ihany. Rehefa tsy marina daholo ny fanenjehina sy fiampangana olona nefa niantraika tamin'ny zavatra maro ny fanamelohana azy dia tokony hisy sazy ho an'ny mpitory ihany koa. Ny mpitory ve tsy nanana porofo, tsy nisy ny zavatra na vola nanjavona fa dia notoritoriana fotsiny ary ny fitsarana koa ve afaka mandray olona sy mitana olona nefa zavatra tsisy no hiampangana azy? Na fanatika io na tsia izay rehetra manameloka olona tsy meloka dia tokony andray ny anjarany. Ny fiainana ao Madagsikara dia tsy mitombona daholo ny resaka rehetra ary mifangaro resaka POLITIKA daholo. Io no anisany mankaleo ny vahoaka ka na fifidianana aza tsy tiany hatrehina satria resaky ny mpanao politika daholo. Lozabe
8. Stone ( 07/10/2007 13:54)
Ny fitsarana mahaleo tena no nanameloka na tsy nanameloka azy dia izay izany.
9. Jeankely ( 08/10/2007 08:40)
Mila milamina izany ny amin'iny ve? Iza moa no mitady ny hanatsikafoanana an'io fa tsy i RainiSambilo? Fa ilay iray niresaka hoe mbola haverina Maire no asiako resaka. Fa angaha moa rehefa milatsaka ho President mbola Maire sa mametra-pialana? Sa efa tsy Maire vao nilatsaka? Betsaka CINEMA amin'ny tanana. Asa na mampiavaka ny Malagasy ary mahatonga azy alavitra angamba ny CINEMA?
10. rabaradaka ( 08/10/2007 19:05)
Iny afera Roland Ratsiraka iny dia tena politika tanteraka. Fa mbola ho avy koa ny anjaran-dry Davidson Andriamparany, ry Donnat Andriamahefaparany, ry Ben'ny tanàna lasa ministra ary hahita faisana ireo. Aza manao ratsy ihany ho'aho.
rabaradaka tompoko tsy mpanao ratsy
11. Jeankely ( 09/10/2007 05:21)
Nohon'ny fahaizan'ny Malagasy Politika tanteraka no mahatonga ny laharany avobe sady tsy misy problema no tsy misy manantsiny izao. Ny vahoaka mitazana dia mijery ny fahaizan'ny mahay ary mbola hijery satria tsara ny mijery ary mampandroso haingana.
12. xxx ( 10/10/2007 14:32)
izao no resaka "politika avo"aza alefa alavitra ny eritreritra fa raharahan-dry zalahy mpanao politika izao e!:lol::lol::lol::lol:
13. Jeankely ( 11/10/2007 09:04)
Tsotra ny valiny. Efa malaza izy ary olomarina tsisy heloka ka ny toerana President no mendrika azy @ manaraka. Aleo hiakatra ny olomarina fa be olomanga tokoa i Madagasikara ary miseho ny tena favy.
14. saranga ( 11/10/2007 09:24)
Fa inona no atahoranareo an'i Roland Ratsiraka e
15. Jeankely ( 11/10/2007 11:11)
Tsy atahorana fa amporisiho haka ny baolina fa mila olomarina sy madio ny firenena=))=))=))
16. xxx ( 11/10/2007 15:15)
=))=))=))=))=))=))=))marina moa zany ry JK ?ary maninona ra ianao no mirotsaka fa efa leom-boan'anana ny vahoaka e!
17. boubounezy ( 11/10/2007 21:45)
@ko alou aleo ny lasa momba ny lasa, d refa tsy mazava d resaka politika dôly zany.
zé mpitondra retra eo d tsy maintsy asina kritika dôly ra tsy zany tsy ita ny ma politika azy.:roll::^)
18. Sambilokely ( 12/10/2007 06:45)
Ka tsotra iany ny tenin'i Sambilokely oe mba mandiniha iany aloha vao miresaka ny raharaha mipoitra fa tsy entan'ny fo diso tafahoatra de lasa miteniteny foana sy manendrikendrika olona. Nanokatra sujet otran ty za tatsy am moov fa ireo fanatika tsisy sahy be vava sy nivatravatra intsony satria tsy nifanaraka tamin'ny eritreriny,tsy arakaraky ny fiaingany tam voalohany.
19. fijo ( 12/10/2007 21:35)
porofo izany ity fa malalak any fitsarana ao mada e/mifalia fa tsara izany
20. Jeankely ( 16/10/2007 02:55)
Ho an'i xxx dia tsy miditra amin'ny zavatra tsy haiko aho Raxxx. Aleo ny olomanga madio hifandimby hitondra fa reo no mahalasa avo ny firenena manoloana izao tontolo izao. Tsy misy afaka anda fandrosoana angamba.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0953