Ho malalanao

1. happiness ( 03/10/2007 06:33)
mangataka ny tonin'ny Ho malalanao an'i'Zay.Merci.
répondu par ari.malala le 08/10/2007 06:18
2. ari.malala ( 03/10/2007 13:20)
Toa vao haingana ihay no nahalalako anao
Fotoana fohy ihany hatramin'izao
Nefa ifankatia tsy mifankafoy
Minamana mahafatra-po
Na ny manodidina aza effa mananihany
Indraindray toa mahalasa saina ihany
Hoe izay misy anao dia tiako hisy ahy
Tsy mahafoy anao aho, marina izany

Fa efa zatra anao, zatra anao
Zatra niaraka aminao
Efa zatra namanao
Ka ny ho malalanao, io indrya no mba iriako
Ka ho malalako amin'izay no hiantsoako anao

Mierikerika foana rehefa mandeha irery
Mitady anao sao lahy mba eny ho eny
Na ny nofiko aza refa matory
Raha vao tsisy anao dia toa manorisory
Rehefa iny aho oriory tsy mety izay atao
Misava avokoa raha vao antsoinao
Ireo oram-pifaliana indray no ahatsapako
Fa tsy feno mintsy raha vao tsy eo ianao

Fa efa zatra anao, zatra anao
Zatra niaraka aminao
Efa zatra namanao
Ka ny ho malalanao, io indrya no mba iriako
Ka ho malalako amin'izay no hiantsoako anao

Tsy haiko na misy diso na tsia fa io aloha no fahatadidiavako azy, mihirà finaritra. Mbola hampidiriko any am tononkira refa sure aho fa marina;)
3. kalin ( 04/10/2007 07:27)
Misaotra @ ilay tononkira fa za koa nitady an'io e
4. ari.malala ( 08/10/2007 06:18)
Fanitsiana:

Toa vao haingana ihay no nahalalako anao
Fotoana fohy ihany hatramin'izao
Nefa tsy mfankafoy mifampiankin-doha
Minamana mahafatra-po
Na ny manodidina aza efa mananihany
Indraindray toa mahatonga saina ihany
Hoe izay misy anao dia tiako hisy ahy hatrany
Tsy mahafoy anao aho, marina izany

Fa efa zatra anao, zatra anao
Zatra niaraka aminao
Efa zatra namanao
Ka ny ho malalanao, io indrya no mba iriako
Ka ho malalako amin'izay no hiantsoako anao

Mierikerika foana rehefa mandeha irery
Mitady anao sao lahy mba eny ho eny
Na ny nofiko aza refa matory
Raha vao tsisy anao dia manorisory
Rehefa iny aho oriory tsy mety izay atao
Misava avokoa raha vao antsoinao
Ireo oram-pifaliana indray no ahatsapako
Fa tsy feno mintsy raha vao tsy eo ianao

Fa efa zatra anao, zatra anao
Zatra niaraka aminao
Efa zatra namanao
Ka ny ho malalanao, io indrya no mba iriako
Ka ho malalako amin'izay no hiantsoako anao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1051