hono hoa

1. ari.malala ( 02/10/2007 14:15)
Ny zanaky ny rahavavin-dreny dia atao hoe kibo tsy omby, fa ny zanaky ny rahalahan-dray kosa kay inona? ary ny zanaky ny anadahin-dreny na ny anabavin-dray? misaotra mialoha amin'ny fanazavana
répondu par tsaramaso le 04/10/2007 09:06
2. Fiffi ( 02/10/2007 15:27)
ari.malala:
Ny zanaky ny rahavavin-dreny dia atao hoe kibo tsy omby,
ari.malala: na io aza akia tsy fantako an !


3. menalamba ( 02/10/2007 16:35)
Lany haiky aho fa tsy hitako ,efa nikaroka tato @ boky ihany aho fa tsy nahita.Miverina ihany raha mahita ,raha mbola teo mantsy i Nenibe dia nanontaniako azy saingy...:(
Tsaramaso>manapa-tsinay koa le zalay ity ka...:-D:-D
4. ikaretsaka ( 02/10/2007 16:50)
tsy haiko ny any Antananarivo,
Fa any @ Vakinankaratra io ataony hoe zaza tsy omby trano
5. jefra ( 02/10/2007 18:15)
-Nomena anarana manokana ny zanaky ny mpirahavavy satria azo antoka fa taranaka/ra iray; izany hoe mitovy ra nipoirana (avy amin'ny reny niteraka azy mirahavavy, sady azo antoka 100% foana hoe iza no reny).
Azo ampifandraisina amin'io ny maha ambony laharana kokoa ny zanak'anabavy eo amin'ny gasy.Na manana zanaka aza ny lehilahy, dia ny zanak'anabaviny no tena azo antoka fa mitovy ra aminy.

-Ny zanaka mpirahalahy na mpianadahy dia misy fanontaniana tsy voavaly hoe tena ilay lehilahy ve no rain'ny zaza. Tsy nahalala test ADN ny gasy, sady toa mety aleo tsy fantatra fa mino fotsiny ihany ka :lol:

6. mirabela ( 02/10/2007 19:29)
zany kay no matonga an le hoe afaka mivady ny zanaky ny mpianadahy, fa interdi rah zanaky ny mpiravavy na piralah. :(
7. jefra ( 02/10/2007 21:26)
mirabela:

fa interdi rah zanaky ny mpiravavy na piralah. :(

ie, raha mpirahalahy hono dia mety ho lehilahy iray ihany no dadany.
8. ari.malala ( 03/10/2007 13:30)
jefra, fa na ny mpianadahy koa az aanie azo antoka foana hoe iza no reniny e! tsy azoko tsara ilay fanazavana! azo atao foana no mametraka ahiahy na mpirahavavy iray tampo zao aza:roll: noho izany tsy azoko ilay anton'ny anarana manokana sy ilay fandraràna, ka eo indrindra no tiako ahatongavana mantsy, raha zanaky ny mpiray tam-po ve dia ilay antsoina ho epremier degré zany, tsyafaka mivady ny zanaky ny mpianadahy sa afaka? raha ohatra indray hoe zanaky ny mpicousins? ary raha zafin'ny mpicousins? tsy izany mantsy fa toa mahalasa saina ihany ny fifandraisan'ny mpicousins sasany amin'izao fotoana izao... misy miteny fa efa relation de second degré hono ka azo atao, dia eo ilay tsy azoko hoe ny inona no atao hoe premier degré dia ny inona no second degré? miala tsiny amin'ilay teny vay amin'anana fa tsy haiko ny manazava azy:oops:
9. ikaretsaka ( 03/10/2007 14:54)
somary aviliko kely:
Asa raha tadidinareo koa ilay hoe "vady loloha" sy ilay hoe "vadin-joky kilalaon-jandry"

Izany hoe misy mpirahavavy afaka ampirafesana bandy iray
na misy mpirahalahy dia rehefa maty ny vadin'ny zokiny dia izy no lasa mandimby azy.

marina tokoa io lazain'i jefra io momba ilay hoe maha ambony laharana nyzanak'anabavy, sy ny zana-drahavavy satria io garanti fa 1 ra @ tena! sy fantatra hoe na iza na iza niray ara nofo tami'ny reniny tany dia hita foana ny maha ra n'ny tena mikoria
ny mpirahalahy sy ny lahy @ mpianadahy kosa sarotra be satria possible hoe tsy zanak'ilay lehilahy ilay zaza fa mety nanamboatra tany ambadika tany ramatoa

dia izany ny mahatonga ilay hoe raha hanambady cousins cousines dia fadina ny zanaky ny mpirahavavy, fa ny mpirahalahy sy ny mpianadahy somary tolerer-na .

zanak'i dadatoanao (raha avy any amin'ny reny) dia ok
Fa raha avy any @ ray dia tsy mety
Raha zanak'i nenitoanareo avy any @ mamanareo dia tsy mety

10. ari.malala ( 04/10/2007 06:35)
Misaotra fa mazava iny aloha, fa ilay resaka premier sy second degre amin'izay no mba ilàko fanampim-panazavana azafady e:oop:s
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2193