TOMPO TSY FOIKO (Ny Ainga)

1. richtiana ( 01/10/2007 05:50)
MBA MANGATAKA AN'IO HIRAN'NY AINGA IO RAHA MISY MAHAY,HIRAM-PIVAVAHANA IZY IO.
MISAOTRA MIALOHA HO AN'NY MPANOME::-*
répondu par richtiana le 09/10/2007 06:24
2. la ( 01/10/2007 06:05)
Vao2 ndray zany an!!:):D
3. CALVAT ( 02/10/2007 05:04)
Izaho koa izaho tena mitady an'io tononkira io
4. cmbolatiana ( 04/10/2007 11:33)
Inty ary ilay hira e

TOMPO TSY FOIKO
NY AINGA

Mazàna raha tonga any onja mahery misetra ny laka-nitàna
Dia tsy hita intsony izay lalan-kaleha
Sy tanjona izay hiafaràna

Réf :
Satria tsy mba mety ho fantatro fa ny fanahy tsy mba irery raha mino
Fa na maizina atoandro ny dia
Ianao eo ihany kanefa adino

Ny lalan-kizoran'ny diako anio toa efitra majepizepy
Dia ny heriko irery no sisa manentana
Kanefa tsy ela dia kivy

Ny toky amin-joky izay tsy mahafoy fa manampy raha tojo manjo
Dia efa ikipiako na koa dia ariako
Satria enti-toky ny foko

Mahita anoloana ity rahon'akora dia mihovitra mangenahena
Dia tsy mba mijoro amin-tsaina
Mahatoky tsy hanaiky ho resy resena

Ny fody eny an-tsaha aza misy miahy sy manafy isan'andro mihiratra
F'izaho no tsy latsa-paka amin'ny teny hoe
Ianao eo mandrakariva


Dia ankafizo ary e

5. richtiana ( 08/10/2007 12:42)
bjr cmbolatiana,
MBOLATIANA O!misaotra BDB fa tikoB mintsy enao,nanome ahy io tononkira io an,misy lanjany lehibe @ fiainako mantsy io hira io de izany no tena nilako azy mafy.:-*:-*:-*:-*
MISAOTRA BETSAKA AN.:oops:
cmbolatiana:

Inty ary ilay hira e

TOMPO TSY FOIKO
NY AINGA

Mazàna raha tonga any onja mahery misetra ny laka-nitàna
Dia tsy hita intsony izay lalan-kaleha
Sy tanjona izay hiafaràna

Réf :
Satria tsy mba mety ho fantatro fa ny fanahy tsy mba irery raha mino
Fa na maizina atoandro ny dia
Ianao eo ihany kanefa adino

Ny lalan-kizoran'ny diako anio toa efitra majepizepy
Dia ny heriko irery no sisa manentana
Kanefa tsy ela dia kivy

Ny toky amin-joky izay tsy mahafoy fa manampy raha tojo manjo
Dia efa ikipiako na koa dia ariako
Satria enti-toky ny foko

Mahita anoloana ity rahon'akora dia mihovitra mangenahena
Dia tsy mba mijoro amin-tsaina
Mahatoky tsy hanaiky ho resy resena

Ny fody eny an-tsaha aza misy miahy sy manafy isan'andro mihiratra
F'izaho no tsy latsa-paka amin'ny teny hoe
Ianao eo mandrakariva


Dia ankafizo ary e





6. cmbolatiana ( 09/10/2007 05:24)
Tsisy fisaorana akia a
Izaho dia isan'ny mankafy io hira io amin'ny hirany rehetra, indraindray ary aho rehefa any an-tany lavitra any maheno an'io tena latsa-dranomaso mihintsy. Mahafinaritra e?
7. richtiana ( 09/10/2007 06:24)
cmbolatiana:

Tsisy fisaorana akia a
Izaho dia isan'ny mankafy io hira io amin'ny hirany rehetra, indraindray ary aho rehefa any an-tany lavitra any maheno an'io tena latsa-dranomaso mihintsy. Mahafinaritra e?

Bjr,
Za tena mpakafy ny hiran'ny Ainga rhtra mintsy,satria ny hirany de tena miteny sy iainana mintsy e,asa enao raha ohatr'ahy fa ny ahy de tena izany.
Mirary soa an.:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.782