Mila fanandramana!

1. fetrakens ( 25/09/2007 12:35)
Ny zavatra rehetra dia mila fanandramana avokoa vao tena azo antoka ho tsara, ...ary ny fitiavana...
répondu par soanja le 05/10/2007 14:24
2. tsaramaso ( 25/09/2007 13:00)
klehhhhhhh!!!!!! tssssssss !!!!!
ko raha tsy ny fanandramana no mahatsara le !!!!!

fa ny fitiavan'lah ve no handramana sa elahy no hanandrana fitiavana ???!!!!!!
3. Jeankely ( 25/09/2007 13:04)
Fitiavan sarobidy ary ny mpanandranandrana milalao fitiavana tsy mijanona satria zatra ny mahita karazana masotsara=))=))=))tsaramaso.Tandremo sao ianao koa no ataon'ny sasany fanandramana dia avelany eo rehefa vita ny andrana. Ny sasany koa tsy mila izay nandraman'ny hafa.
4. tsaramaso ( 25/09/2007 13:09)
andramo ny
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m46f8a5be22425#m46f8c06764853:
tsy fahotan
'i Jeankely e !!!!!! hahahahahaaaa !!!!! klehhhhh!!!!!
5. tsaramaso ( 25/09/2007 13:18)
andramo ny tsy fahotan'i Jeankely e !!!!!! hahahahahaaaa !!!!! klehhhhh!!!!!


6. xxx ( 25/09/2007 19:21)
avelao samy hifanebaka eto ry tsaramaso sy zankely fa samy vendrana sy be taimbava
7. simplex ( 25/09/2007 20:32)
fetrakens:
Ny zavatra rehetra dia mila fanandramana avokoa vao tena azo antoka ho tsara, ...
handramo ary aloha ny fahafatesana :roll: sao tsy azo antoka manko :°);-)
8. xxx ( 25/09/2007 21:29)
fetrakens:

Ny zavatra rehetra dia mila fanandramana avokoa vao tena azo antoka ho tsara, ...ary ny fitiavana...

Ny fahitako azy nefa ny "ratsy" no tena tian'ny olona andramana. Toa arakaraka ny isian'ny "Aza ..." no hanaovan'ny olona azy. Matoa nefa asiana hoe "Aza ..." dia misy zavatra ratsy izay ao. Amin'ny ankapobeny ny zavatra heverina ho tsara toa tsy andrarana izany mantsy.

Toy izany koa ny fitiavana. Efa hita fa vadin'olona ohatra dia mbola hijolohana ihany. Andramana aloha e :°) Avy io ilay iray miverina amin'ny tokatranony dia :cry: Ny sasany efa manana ny azy mbola mikoty ihany, andramana koa aloha e :°) Avy eo miady amin'ilay tena tiana vao hoe tsy fidiko aho tsy fidiko :cry: Ny hafa indray efa hita fa hahabevoka mbola atao ihany. Andramana koa angamba aloha, nefa avy eo ilaozan'ny bandy dia =((^^^^^^
9. salmo1 ( 25/09/2007 22:52)
simplex:
handramo ary aloha ny fahafatesana

:)
tandremo ary sao lasa Mr Bean eo ry simple ah! 8)

10. Jeankely ( 26/09/2007 01:48)
Vendrana ve ny tia andranandrana nefa tsy mamoaka Formule.
11. Herimiafina ( 26/09/2007 22:36)
Vicarious experience! Miankina amin'ny fahaizan'ny tsirairay maka lesona io, misy na averina impolo aza ny fanandramana mbola tsy miady misy indray mandeha tonga dia poainsa favy be! :-D
12. tsaramaso ( 27/09/2007 03:02)
tsita tsony i fetrakens le !!!!!! lasa natao fanandramana i lery !!!!!!!! hahahahaa!!!!!!
13. boubounezy ( 27/09/2007 14:07)
fetrakens @ko ra ny fitiavana d tsy azo andramana satry arakiny lé lazainy vazah wé; "tu joue avec le feu" misy bdb kou ny zavatra tsy azo andramana, ohatra manadrana matory @ oull voany sida nefa efa fantatrao fa marary l oull!!:-D
14. Jeankely ( 28/09/2007 05:00)
Efa ela ny hoe "Learning from doing and Learning from mistake". Ato @ resaka fitiavana moa izy ity noho izany fitiavana no tian'ny mpanokatra loha-hevitra velarina. Tsy mitovy velively ny andrana @ fiainana sy ny andrana @ fitiavana. Amin'ny asa rehetra dia misy ny andrana na dingana maro vao mahay. Ny fanafody rehetra hitsaboana ireny dia nisy andrana maro vao nekena fa mahasitrana. Ny fitiavana kosa zava-masina. Ny zavatra mety aminao tsy mety ampiharin'ny olona hafa satria miova foana ny fisehony araka ny mahasamihafa ny olona. Tsy mety mihintsy ny hoe anandrana anao mariage aloa avy eo mahay dia manao mety. Handramana aloha ny zanaka vavin'olona rehetra ity avy eo mahafantatra tsara izany manimba fiainan'olona dia milaza mahay. Aza hafangaro amin'ny andrana rehatra ny fitiavana fa saro-bidy io. Ny zatra milalao moa dia tia hanamporofo fa mila manao sipa maromaro vao manambady. Tsy mitombona io.
15. fetrakens ( 05/10/2007 09:27)
Misaotra e!
16. soanja ( 05/10/2007 14:24)
fetrakens:

Ny zavatra rehetra dia mila fanandramana avokoa vao tena azo antoka ho tsara, ...ary ny fitiavana...



Tsy voatery ka.
Matetika efa misy ny formule de iny fotsiny arahina de tokony hahazo ilay hoe mety tsara ianao.
Ny fitiavana???? iny indray tsy fanandramana no atao fa tonga dia miaina ka, zany hoe mety hiasa ny riziky na chance amin'io raha tsy nahay nandanjalanja tsara alohan'ny hidirana aminy.
"Love is also a discovery"

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0598