Railovy Solo

1. anidi ( 25/09/2007 10:16)
Mba misy manana ilay Solo hirain'ny railovy ve azafady ?
répondu par Soniamada le 25/09/2007 17:26
2. Fiffi ( 25/09/2007 14:26)
heu....nga Railovy no mihira an'io ? fa tsy Vola sy Noro ?
http://tononkira.serasera.org/index.php?rub=tononkira/hira&id=276
3. Soniamada ( 25/09/2007 16:38)
Fiffi>>> i vola sy noro anie akia tao @ railovy taloha e! taty aoriana izy vao naka ireo anarana ireo
tena hiran'i railovy mihitsy io
4. anidi ( 25/09/2007 17:22)
Koa manana ny tonony ve ianareo ? misaotra
5. Soniamada ( 25/09/2007 17:26)
anidi>>> efa io nomen'i fiffi io ny rohy fa raha tsy hitanao dia ity




'Ty vonin-draozy ity taloha, nivelatra sy soa
Nomeny ho fahatsiarovana notehiriziko
Fotoana sarobidy mantsy, tsy hohadinoiko
Fa nahitako an'i Solo, 'lay fitiavako

Alakamisy ny andro moa, tsy nianatra izahay
Nanao voley aho ka nandresy ny ekipanay
Dia tonga i Solo, falifaly, menamenatra
Nanolotra ity raozy ity, natokany ho ahy

Nidoboka ny foko, gaga sady faly aho
Ny ankizy moa tsaroako, nananihany hoe "hmm, hmm"

Nampiripirina ny boky tao an-trano aho izao
Dia nojereko 'lay nisy azy, k'indro mbola tao
Folo taona lasa izany e! Lasana tokoa
Tsiaro sisa mitanisa, maina 'lay raozy soa

Tamin'izay fotoana izay tsy nampoiziko akory
Dia indro izy fa nandalo teo an-tranonay
Tsy nino aho fa sao dia nofy, tsy naharitra
Ka niantsoantso "Solo! Rasolo! Moa Solo va ianao?"

Nidoboka ny foko, gaga sady faly aho
Ny zavatra tsaroako, horak'ankizy hoe "hmm, hmm"

Tafaresaka izahay, nifanatsafa koa
Nifanontany vaovao, falifaly am-po
Nilaza i Solo, feno tsiky "Dimy izao ny ankizy"
Ny ahy kosa telo hoy aho, bolangina 'zay ts'izy

Kakakaka toa nikotaba teo 'zahay sy Solo
Avy eo nasehoko azy teo 'lay raozy maina volo
Tadidiny, tadidiko, nihomehy tokoa izahay
Fitia fahazaza ireny, nadio dia nadio taminay

Nidoboka ny foko, mitoetra ao am-poko ao
'Lay teny hokoloiko "mpisakaiza isika izao"

La! la! la! la! la! la! ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0534