NY LASA TSY METY MOMBA NY LASA. Ahoana ny ao ASIA?

1. Jeankely ( 14/09/2007 02:20)
Matetika voasoratra eto fa manao RISORISO ary mafy nohon'ny nataon'ny lasa aza ny mpitondra ankehitriny. Izay tompon'ny fahefana moa sarotra ny manenjika azy ary izay no antony hanenjehina ireo mpitondra efa lasa. Tsy ny Malagasy ihany no manao izany. Noho izany tsy misy tokony hiarovana ny mpitondra manao ny tsy mety fa manangona ny dossiers rehetra no atao ary tsy maintsy ho tonga ny andro hialany amin'ny fitondrana ary eo no hany azo hanenjehina azy. NY LASA TSY METY HO MOMBA NY LASA.
Raha mijery ny fanejehina mpitondra teo aloha dia manao koa ny aty ASIA. Misy ny miaro ireo nefa tsy tia ahafantatra ny mpitondra fa mifampitady hatrany. Ny an'ny INDONESIAN na antitra aza i SUHARTO ex-dictator dia mbola mifampitady amin'ny fitsarana ary manana ONITRA. Ny an'ny PAKISTAN dia vao tonga ny seranampiaramanidina i Nawaz Sharif dia voasambotra na nisy mpitsena 4000 mahery aza.
Koa na manao izay ho afany aza ny mpitondra tsy maintsy ho tonga ny anjarany. Ny efa nanao moa tsy afa-bela. NY LASA TSY METY MOMBA NY LASA.
répondu par Jeankely le 15/09/2007 05:40
2. ranitse ( 14/09/2007 03:09)
Dia tena marina iny. Fanasoavana no atao amin'ny firenena fa tsy hoe rehefa mahazo fitondrana aho sy ny tariko dia ataonay izay tianay. Rehefa tonga ny fotoana dia mahazo ny sahaza anao ianao. Tsy fanadino ny lasa ary izay mandrendrika firenena tsy maintsy hazaina hatramin'ny fara-fofonainy na ny taranany nametrahany lova tamin'ny risoriso aza.
3. kanota ( 14/09/2007 09:46)
Ho an'ny samy mpangalatra dia izay lasa hadinoina. Rehefa eo amin'ny fitondrana manarampo avy eo tsy tokony tsarovana ny lasa rehefa tonga ny fialana. Enjeho hatramin'ny farany tokoa na iza na iza. Valimpingika fingaka.
4. Jeankely ( 14/09/2007 09:51)
Toa manao resaka tsy mifampitohy mantsy ireto miseho mpanenjika risoriso nefa izy ihany no milaza hoe mamela ny helony. Mody manenjika nefa mitady lalana hiarovana ny akama. Aza ity?
5. rahiratra ( 14/09/2007 12:10)
Mangina daholo ry mpiaro olondratsy ve eee?
6. tezitra ( 14/09/2007 12:35)
joue pas le monologue , pôv mec

JE PONCE DONC J'ESSUIE
7. Jeankely ( 14/09/2007 12:55)
Anga tsy ary amin'ny fivavahana indray Tezitra no mamokovoko?
8. rasil ( 14/09/2007 15:06)
Io, ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka.
Ireo vahoaka hoe madinika:
Assainissement 67ha, may ny toerana mitahiry ny atota-taratasy. Natsangana ny bianco, tonga dia may ny trano mitahiry ny ato-taratasy momba ny mpianatra mipetraka eny amin'ny cite-U: ankatso I II, Ambohipo: greve. Nisy haitrano tao amin'ny efitra mitahiry ny atota-taratasy mikasika ny mpiasam-panjakana tao amin'ny finance: court-circuit.
Ny mpanana:
Amnistie fiscale.

Aleo ihany hoy Jeankely maka tahaka an'i Indonezy. Ilay faharoa tompondakan'ny kolikoly era-tany.

Fa izany hoe ny fositra ve no tsy ambolem-boavahy e.
9. Jeankely ( 15/09/2007 05:40)
Iza no nilaza taminao hoe mila maka tahaka ny hafa? Tsy mbola nanoratra izany aho fa aza mampidi-kizo. Ny Malagasy manana ny maha-izy azy fa tsy resaka fangalaha-tahaka ny antony hiresahana ny zava-misy etsy sy eroa. Ho an'ireo mipetraka any Europe dia mahita zavatra avobe izireo ary miteny sy manambara. Tsy afaka ny halai-tahaka satria tsy mitovy ny toetra, tsy mitovy ny tantara ary tsy mitovy ny dingana vita. Ny fanaovana ny tsy mety dia anjaranao raha mbola hifampiaro fa dia samy miaina amin'ny tsisy fivoarana eo ihany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0539