Jamba, tsy mahita an'Andriamanitra

1. salmo1 ( 13/09/2007 12:16)
Indray andro izay, tany ampovoany Espane, avaratriny Capital. Indro ilay namako tovolahy tsy mpino nanantona ahy sady nanontany oe: Raha misy izany Jesosy asaivo miarahaba ahy fa tiako tolorana tanàna? Izaho moa dia tsy namaly an'ilay fanontaniana fa dia nodiko fanina.

Indro kosa ilay tovovavy mpino nanantona ahy, sady nanazava ny tokony hitondrako tena tsara. Dia rehefa naveriko tamin'ny ilay tovovavy mpino ilay fanontaniany ilay tovolahy anakiray dia tsy hitany koa izay valiny.

Ny hevitro dia; Andriamanitra dia tsy miseoseo fôna. Jamba isika matoa tsy mahita Azy, mila miala amin'ny ratsy sy maloto, mibebaka, mivavaka ary manao izay sitrapony. Asa, ny fieritreretany kristiane tsirairay dia mety ho samy hafa izay heritreretiko Aminy.

Koa mba ahoana no hevitrareo hahitana an'Andriamanitra:?:
répondu par gasynamana le 15/09/2007 14:16
2. tsaramaso ( 13/09/2007 12:30)
salmo1:
Jamba isika matoa tsy mahita Azy
marina !!!!!!!
3. hery ( 13/09/2007 13:35)
Tsy voatery mahita :-)

http://baiboly.katolika.org/boky/Joany/20/29

4. Veloo ( 13/09/2007 14:30)
Jamba isika matoa tsy mahita Azy

satria
1- tsy manaiky hino azy isika
2- jambainan'i Satana ny mason-tsika
5. ikaretsaka ( 13/09/2007 16:13)
Nisy resaka nosoratako izay tany @ blaogiko, niteraka polemique be, toy izoa no ambagovangony:


Discovery

"Help us to find God."

"No one can help you there."

"Why not?"

"For the same reason that
no one can help the fish
to find the ocean."

-From One Minute WisdomAmpio aho hitady an'Andriamanitra
Miala tsiny fa tsy afaka aho
fa ahoana?
satria io lazainao io dia ohatran'ny hoe tsy misy hafa @ Trondro anaty rano
ka mitady ny rano
6. diamondra27 ( 13/09/2007 19:52)
Tsy misy mahita an'Atra na oviana na oviana afa-tsy ny Zanaka eo an-tratran'i Ray ihany.

Ny asa'Atra no hita, ny fiasany no tsapa.

Efa nandinika masoandro ve enao ka tsy nikipy, tsy mila solomaso mainty?
Mijery comète aza mila solomaso spesialy kou...
Ny asan'ny tanany aza tsy voajery fa maika fa Izy en personne.
Andriamanitra dia Masina ...


7. diamondra27 ( 13/09/2007 19:53)
dsl, mijery eclipse manko fa tsy comète e!
8. majesty ( 14/09/2007 05:06)
Dia raha hita maso moa izy dia aiza ho aiza ny fipetraky ny famaritana ny atao hoe finoana,satria ny tsy fahitana azy no mametraka ny hoe "na tsy hita aza izy dia inoako fa misy" fa raha hita maso izy dia efa tsy finoana intsony izay.
9. niryna ( 14/09/2007 06:04)
Tsy hoe tsy mahita fa manana andriamaninkafa ka tsy mahita ny Atra lehibe.Izay no mety hitranga.
Inona izany andriamanikafa izany?
ny vola,ny harena,ny fankahalana,ny lolom-po,ny fihatsarambelantsihy,ny manana toetra roa,ny mampiasa ny heriny sy ny sandriny,sns ireo rehetra ireo sy ny fizahazahoana manao kely tsy mba mamindro ,ny fanana sy ny fampiasana izay hery eo amin'ny ka manao tsinotsinona ny hafa ,,maro dia maro no mety ho atra hafa,ny olona izay natao hisoloana an'ATra moa dia aoka fotsiny..Izay zavatra natao ambony noho ny Atra dia mahajamba ny olona.
10. xxx ( 14/09/2007 16:07)
Ny hevitro dia; Andriamanitra dia tsy miseoseo fôna. Jamba isika matoa tsy mahita Azy, mila miala amin'ny ratsy sy maloto, mibebaka, mivavaka ary manao izay sitrapony. Asa, ny fieritreretany kristiane tsirairay dia mety ho samy hafa izay heritreretiko Aminy.

lasa mafinaritra kosany salmo1 an
11. fijo ( 14/09/2007 20:59)
za tsy jamba fa lery mihintsy no tsy misy ka
12. salmo1 ( 14/09/2007 21:25)
za tsy jamba fa lery mihintsy no tsy misy ka

- Fa iza alou ity lery lazainy fijo, Andriamanitra sa i allah?
13. fijo ( 14/09/2007 21:49)
ze tian'ise hoantsoana azy fa sahala ireo
14. ikaretsaka ( 15/09/2007 00:42)
15. gasynamana ( 15/09/2007 14:16)
Fa misy koa ny jamba tsy mahita ny manodidina azy.

za tsy jamba fa lery mihintsy no tsy misy ka

Misaotra an'Andriamanitra aho fa Fitiavana izy. Ny teny tsy misy fanajana ataonao aminy dia hanekeko fa Fitiavana izy, ary hahatsapako ny fitiavany ny olona rehetra tsy ankanavaka, eny fa na dia ireo mankahala azy fatratra aza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.209