iny volana iny ny railovy

1. boulaboula ( 25/08/2007 19:16)
salut à tous
mba mitady io hira io aho e!
misaotra
répondu par nickie2 le 10/09/2007 13:06
2. Fiffi ( 25/08/2007 19:52)
iny volana iny
tazanay manarangarana eny
.........vetsovetso ao
fa liana sy tomany
volana mitranga
......
any ho any anefa
zao rehetra izao mahita anao e !
volana lazao , lazao fa ny eto mitalaho
efa ampy izay
.......ny varavaranay
avelao maizina eto ny torimasokelinay....

hatreo kalou fa mbola hitady....
3. hertix ( 26/08/2007 09:40)
VOLAN'NY KAMBOTY

Iny volana iny
Tazanay manarangarana eo
Itambaram-betsovetso
Hafaliana sy tomany
Volana mitranga
Eo am-baravarankelinay
Tsy itafàna fifaliana fa
Mamoha ny fahoriana

Any ho any anefa
'Zao rehetra izao mahita anao e!
Volana ô! Lazao, lazao fa ny eto mitalaho
Efa ampy izay
Ilaozy ny varavaranay
Avelao ho maizina eto ny torimasokelinay

Tonony sy Feony: Jérôme Randria
Mpihira ny version taloha: Jérôme Randria sy Vola
Mpitendry ny sitara: tsy tadidiko!!!!

Mpihira ny version vaovao: Hery Andriamahatàna sy Voahangy Rajaofetra
Mpitendry ny vata maro afitsoka: Harry Rakotonimanga

Dia mazotoa mihira e!
4. nickie2 ( 10/09/2007 13:06)
MISAOTRA BETSAKA TAMILAY TONONKIRA FA MANAMPY AMINNY FIKALOKALOANA TAKARIVA REHEFA MANAIKITRA NY EMBONA NY GASIKARA
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1663