Alenteho lalindalina moa e!

1. tenagasy ( 23/08/2007 15:45)
Mankamamy!
Sehatra natao ho an'ny dinidinika sy ny fifanakalozana ary ny fanontaniana isan-karazany tokoa moa no eto, ary tsy misy izay tsy maha mety izany.
Ny zavatra tsapako anefa toa tsy dia mba misy dinidinika, famakafakana na ady hevitra miditra lalindalina momba ireo Artista sy Hira loatra ny antsika eto. Ka mampanontany tena ahy hoe:
- isika ve no kamo sy tsy te-hanao?
SA
- isika no tsy mahazaka na tsy mahatakatra izany?
SA
- maivana loatra ny Artista sy Hiran-tsika Malagasy ka tsy ampy hanaovana izany, na koa tsy mahasarika loatra, na dia isika tompony aza?
SA
- tsy misy Artista firy ato, na koa mpankafy?
SA
- ... ... ... ...
Andao mba halentika lalin-dalina ny resaka eh!
SA AHOANA HOY IANAREO?
Mirary soa!
répondu par Fiffi le 25/08/2007 10:41
2. Fiffi ( 23/08/2007 17:05)
tenagasy: hummm.....miandry anao handroso ny dinika zany koh ! :) zah kalou de liana an ! fa ohatranao miandry...:)
3. tenagasy ( 24/08/2007 10:11)
Mankamamy ary misaotra sahady an'i Fiffi!
Raikitra ary e!
Raha azoko tsara izany de samy te-hanao sy samy mahavita saingy mifampiandriandry fôna no tena olana an?
Mirary soa!
4. SHOAN ( 24/08/2007 13:02)
misy ny kamo
dia misy ny ... hafa
hihihihihi
=))=))=))=))=))=))=))=))
5. tenagasy ( 24/08/2007 16:08)
SHOANààààààààà inn kay le .................?
6. tenagasy ( 24/08/2007 16:15)
PAZZAPA efa taloha izany kalongany an!
7. tenagasy ( 24/08/2007 16:16)
DISO PEJY INY FA AZAFADY INDRINDRA!
8. Fiffi ( 24/08/2007 16:16)
tenagasy:

Raha azoko tsara izany de samy te-hanao sy samy mahavita saingy mifampiandriandry fôna no tena olana an?
heu....angamba....le izy koh ohatran'hoe tsy de mahasintona ny olona le izy ! sauf hoe rehefa tena ilainy maika ..fa raha ohatra hoe hanafakafa an'le izy de....


9. tenagasy ( 24/08/2007 16:37)
Ka inona ary izao hoy i Fiffi no tsy maika e?

Mitobaka sy mila handrakotra ny atsika ny an'ny vahiny. Ho difotra tanteraka ny kolontsaintsika!

Mifoa-delo mitrangalela ny mpanakantontsika vao mba mahita rirany.

Mba miezaka manondrana isika nefa de e e e! Laza tsy ratsy fotsiny ihany no re fa dia tsy mbola mahasehatra ny an'ny hafa eh!

Ny fotoana mihazakazaka dia mihazakazaka.

Tiako ho tsipihina etoana: Tsy afaka hiteny isika hoe ny mpanakanto no tsy miezaka satria na hiezaka toy ny inona eo izy ireo raha vao tsy manaraka sy manampy tosika ny mpankafy sy mpanjifa dia vakitratra eo fotsiny.
Toy ny Fanatanjahan-tena koa e!
10. Fiffi ( 25/08/2007 10:41)
asa raha fantatrao le hira....Ludger angamba no mihira azy hoe:

tsara ireny , mahafinaritra
kanefa kosa tsy aharitra
fa ny tena .....malagasy

(andraso aloha tadiavina):)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0453