Sokafy ny sofina dia ahirato ny maso, ary aza idina ny fo

1. gasynamana ( 15/08/2007 09:57)
Tsy misy ny fifanakalozan-kevitra vanona raha ohatra ka tsy misy ny fihainoana. Mbola ilaina ve ny miresaka amin'ny olona tsy mba vonona ny hihaino ny hafa? Mbola ilaina ve ny mamaly ny resaky ny olona manao botolo tsy vonona ny handalina?

Tsy misy ny tena fifankatiavana raha tsy misy ny fifanakalozana sy ny fifampizarana. Ny manome tsy mahafaty antoka, fa ny tsy fandraisana ny tsara avy amin'ny hafa kosa mahasanganehana satria ny tena tsy efa fanamperana akory.

Akory ny hevitrareo amin'ireo?
répondu par fijo le 17/08/2007 23:24
2. Jeankely ( 15/08/2007 10:11)
Resaka finoana samy mitana ny azy na mazava sy tsara henoina aza ny an'ny hafa. Tsy mety kosa ny mamaratsy ny finoan'ny sasany satria io no mahatonga ny fifamaliana. Sokafana ny sofina ary mihaino fa tsy hoe sokafy ny sofina dia araho ny finoanay fa ity no tsara sy marina.
3. gasynamana ( 15/08/2007 10:43)
Raha milaza ny marina sy manazava ny iainana ny finoana dia tsy midika izany hoe: avy hanaraka ny finoako.

Ny fanazavana dia mba hanitsina ny hevi-diso ananan'ny hafa: ohatra iray ity: misy ny milaza fa manompo sampy ny katolika, rehefa omena fanazavana izy dia lazainy fa manamarin-tena na mandainga ny tena. Ahoana anefa no afahana milaza fa mandainga ireo olona ireo?

Isany toetra tsara tokony hanana ny ohatra nomen'i diamondra27: fanazavana no angatahiny mikasika ny finoan'ny hafa, tsy midika izany fa hanaraka an'iny izy. Toy izany koa io ataon'i nirina io ambany io, sns...

Jereo koa ary ambadika ary fa nisy olona iray nilaza zavatra diso be ao, ary nahitsin'i piste (resaka tantaran'ny fiangonana izy zay). Toetra tsara koa no nasehon'io namana io: niaiky ny hadisoany ary nanamafy ny zava-marina nolazain'i piste.
4. ikaretsaka ( 15/08/2007 11:14)
miombona hevitra @ gasynamana
AMDG
5. niryna ( 15/08/2007 11:44)
gasynamana:

Tsy misy ny fifanakalozan-kevitra vanona raha ohatra ka tsy misy ny fihainoana. Mbola ilaina ve ny miresaka amin'ny olona tsy mba vonona ny hihaino ny hafa? Mbola ilaina ve ny mamaly ny resaky ny olona manao botolo tsy vonona ny handalina?

Tsy misy ny tena fifankatiavana raha tsy misy ny fifanakalozana sy ny fifampizarana. Ny manome tsy mahafaty antoka, fa ny tsy fandraisana ny tsara avy amin'ny hafa kosa mahasanganehana satria ny tena tsy efa fanamperana akory.

Akory ny hevitrareo amin'ireo?

Gasy a ,indraindray isika dia mila miteny malefaka sy mora fa raha mitratrevatreva ohatra dia vao maika mikatona ny fon'ny olona,lasa mandositra ny ondrikely ao anaty vala,tsy tafiditra ny ondry very mitady ny mpiandry ondry.Tsy anjarantsika ny mitsara ny olona izay noheverintsika fa tsy mihaino,na manao botolo na tsy mandalina izay tenenin'ny hafa.Raha mbola tsy tonga anie ny fotoana hanovan'Atra ny olona dia tsy hiova mihitsy izy na inona na inona atao e!
Ny ataontsika fotsiny dia mamaly foana izay fanontaniana raha azo atao,raha tsy afaka noho ny antony dia mifanavotra,miara manentana,mamaly raha afaka mamaly.Mivavaka ireny manantsofina kanefa tsy mihaino,na mana-maso kanefa tsy mahita.Ao @ kor no misy an'io.Efa nisy ela izany io fa tsy vao izao.:cry:
Misy ny olona mbola ronono no omena sotroiny,mbola ho entina moramora izy,mbola mitady porofo eny fa na dia hoe mino fotsiny ihany aza dia ho voavonjy,misy ny efa mihinana ventin-kanina dia mahazo izay lazaina izy.Io arakaraky ny ezaky ny tsirai2 io sy ny antso omen'ny tompo azy ary ny hetaheta tadiavin'ilay mpamaky ary ny fomba fanazavan'ilay mpanoro lalana.:D

6. niryna ( 15/08/2007 12:26)
gasy a ity misy fanampiana ho antsika" Izao no didiko dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.....Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa,ary mba haharetan'ny vokatrareo,mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona "(Jaona 15:11,16)
7. fijo ( 15/08/2007 19:27)
le marina aloha ,sarotra ny hilaza hoe ity no marina na iry.fa le mihaino dia ekeko,fa ny ady hevitra kosa tohizana.
8. xxx ( 15/08/2007 19:50)
Aoka hitandrina ny tsirairay fa efa akaiky ny farany.Tsimaintsy misy ny diso làlana ary tsy maintsy misy ny voavonjy mba hanamarina ny efa voasoratra fa misy làlana roa.aoka samy handini-tena isika.Aoka isika hivavaka tsara (miambena andro aman\'alina)dia ambaran\'Fanahimasina antsika ny làlana tena izy .Eritrereto tsara anié ity andian- tenin-tsoratra masina ity \"I mpanjaka22:19-25\" www.baiboly.org \" (io misy adresy ny baiboly raha tsy misy eo antananao zao).Mitandrema,mangatà mafy amin\'Andrimanitra sao ilay fanahy mandainga no tonga ao aminao na ny ato anatiko hanantateraka ny lamina izay ho totosain\"Andriamanitra hanehoany ny voninahiny.Hain\'Andriamanitra koa ny manamafy fo ny olona(ny egypt oh).Diniho tsara koa ny nahazo an\'i Jodasy nenina ny fiafarany,mba nanao ny asa tsara nampanaovin\'Jk ihany nefa lasa nivadika mba ahantanteraka ny pilanin\'Andriamanitra satria tsy naheno ny tenin\' JK hoe\"Mivava mba tsy hidiranareo amin\'ny fakam-panahy\"Lioka22:40 eo akaiky eo koa mba vakio fa indroa mihitsy:ny andininy 46. Ny tiako ambara dia izao araka ny teniko tany am-boalohany dia misy ny fanahy mandainga mba hisian\'ny fanafitohinana(Lioka 17:1\"Tsy maintsy ho avy ny fahatafitohinana;nefa lozan\'izay olona mahatonga izany\").Aoka isika samy handini-tena sy hi-teste ny fanahy ao anatitsika fa azo atao tsara izany.
9. fijo ( 15/08/2007 19:53)
izany resaka farany izany efa tamin'ny andron'i jesoa o efa nandeha,hatramin'izao tsy mbola miseo ihany ny lohany.rehefa maty enao di izay ny farany hoanao fa aza manao faobe
10. xxx ( 15/08/2007 19:56)

11. fijo ( 15/08/2007 19:59)
misy lasa gaigy indray ato fa naheno hafatra be le
12. xxx ( 15/08/2007 20:31)
fijo:

izany resaka farany izany efa tamin'ny andron'i jesoa o efa nandeha,hatramin'izao tsy mbola miseo ihany ny lohany.rehefa maty enao di izay ny farany hoanao fa aza manao faobe

Mahafinaritra ahy ny famalinao aoka ho ahy ny fahadisoako,araka ny nambarako dia handinitena aho sao fanahy mandainga ny tato anatiko,fa kosa ahy ny valiny fandinihan-tenako.misaotranao aho FIJO
13. fijo ( 15/08/2007 20:40)
le gaigy eto tsy fanaratsiana akory fa fomba fiteny an.sao tezitra.miverimberina isaky ny hafatra mantsy ilay hafatra.
14. niryna ( 16/08/2007 05:33)
Ilay fomba fitenenana ilay zavatra indraindray tsy mety satria misy haingam-panahy be ao mba hitarika ny olona hisokatra ny masom-panahy kanefa voa maika tsy misokatra fa manarona tanana izahay.Ahoana, toa manindrona olona be ilay filaza an'ilay izy,mandidy be hoe tapahako ny lohanareo raha tsy manaraka ahy ianareo.Vao maika mandeha amin'ny lalana izay nitondran'ATra azy fa tsy hanaraka izany.Satria tsy mahazo vatsi-panahy fa fanasoketana sy fanakihanana no mibahana be raha mamaky ilay teninao aho.=))=))
Miala tsiny aho gasy fa izany no fahazoako azy a raha hitarika olona ny hibebaka kanefa fanamelohana no hanazavana azy dia vao maika kivy ny olona ary izany foana no mahazo ny olona mitady famonjena satria ny kristiana mitovy azy ihany no manebaka sy mandatsa.
Omena teny mamy ny olona,torona ny marina fa tsy hafenina,avelao izy handray izay fantany na tsara na ratsy ka ariany,fa tsy fanamelohana lava ,vao maika lasa mandositra hatramin'ny totozy kely.:D
15. fijo ( 16/08/2007 21:52)
marina dia marina io voalazan'i niryna eto ambony io.
16. bosista ( 17/08/2007 12:31)
fomba fitenenana amin'olona amiko mba tokony ho amim-pahendrena mandrakariva, tahak'izany koa ny ankilany raha hamaly, fa raha samy manao teny tsy mendrika de tsy hitako ny antony maha -fitaritana olona aminy fa toa samy tsy misy mahasamy hafa azy amin'ny jentilisa , nefa fivavahana no ato,raha tsy voatandrina ny fomba fiteny dia tsy hahitana vokany mintsy zany, raha ianao ve hitory fitiavana mle ol tianao de hitrerona azy avy hatrany ianao? de hamaly koa ny ankilany amny valinteny boraingina, de aona ny hiafarany,?fa maninn ny mpitory sasany no tsy manja regle? sa mbola mila asiana fiofanana koo v ny amnzany?
17. niryna ( 17/08/2007 21:58)
Misaotra fijo sy bosista,izany no mahatonga antsika rehetra ato ka,ato anie no mianatra e,manome izay fantany ihany koa,hafa aloha ny hoe pasitera na monpera na olona mitarika fiangonana e,misy izy ireny efa voatokan'Atra ary isika tsirairay avy koa dia natsoin'Atra hitory ny teniny.Na i fijo aza,aza gaga ianao raha ho teneniko izany satria ianao no manitsy anay rehetra miteniteny foana izahay indraindray.
Mila ezaka io ary samy efa miezaka isika ,efa zava-dehibe izay ary dia hisaorana ny Tompo izany.

Andriamanitra o,toroy lalana tokony alehanay izahay,omeo hery ihany koa mba ahafantatra izay lazainay sy andanjalanja vao hiteny satria mbola maro ireo ondrinao izay mangetaheta ny teninao sy te-hiverina aminao. Amin'ny anaran'ilay Zanakao mamalanao no angatahinay izany.Amena ^:^
18. fijo ( 17/08/2007 23:24)
za tsy nofidina izany ka,ny ahy hevitra no ampiadiako.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0643