Tsy afaka manao ny tsara ve rehefa tsy anaty fitondrana?
1. Jeankely
(
13/08/2007 09:21)
Ny sehatra rehetra misy anao dia afaka hampisehoanao ny fitiavana an'i Madagasikara. Faly mitanisa fahantrana sy olana ny mpitsikera vendrana ary rehefa anontaniana hoe inona ary ny vahaolana hitanao fa mety dia milaza indray izy fa tsy raharahan'ny mpitondra izay hataony. Aminay tsy voatery mpitondra fanjakana fa na iza na iza dia samy mifandrombaka ny amin'ny fanarenana ny firenena. Ho an'ny sasany dia rehefa tsy izy no mitondra na ny dadatoany dia tsy misy tokony hanaovana soa ho an'izany Madagasikara izany fa atao aza izay hampikorosy azy mba ahafahana maka fitondrana. Izay no tsy tantinay izay tsy mpisolelaka @ fitondrana fa mba malahelo raha misy mitady hanimba ny tanindrazana. Ny sehatra rehetra afaka manasoa amin'izay mifanandrify aminy na tsy hitan'ny mpitondra aza fantatrao fa namafy soa ho an'ny firenenao ianao.
répondu par Jeankely le 16/08/2007 01:42
2. kanota
(
13/08/2007 09:36)
Ny fanaovana sy fikatsahana ny fampandrosoana dia adidin'ny daholobe ary samy manana ny mifanandrify aminy tokoa. Adidin'ny daholobe koa ny manenjika hatramin'ny farany ny mpamorika firenena sahalan'ibazylou sy Tezitra=))=))
3. Jeankely
(
13/08/2007 09:52)
Rehefa anaty fitondrana ianao dia mahalala hoe mila miasa ary rehefa tsy mpitondra dia hoe aza miasa, manaova grevy, poteo ny foto-drafitr'asa... Aminay ny dikan'izany mpanohitra izany dia manohitra ary sarotiny amin'ny fampandrosoana ny firenena. Raha mapanimba firenena dia fahavalompirenena no fahalalanay izany. Na anaty fitondra, na olontsotra dia tonkony handray anjara amin'ny fanasoavana ny firenena. Na ny fivavahana aza izany anisany tanjona.
4. kanota
(
13/08/2007 12:49)
Rehefa tsy ao anaty fitondrana dia hatramin'ny VEHIVAVY MALAGASY avy lazaindr'i bazylou tsisy ilaina azy. Ny an'i Tezitra moa hatramin'ny ZEDEZIL atao kilalaon'ny vendrana. Izany hoe vao izao vao nisy ny fanaovana ZEDEZIL ary asa rehefa miova ny Filoha dia tsy mitohy ny zavatra tapakin'ny firenena na ara-panatanjahatena na hafa. Karazany lasa kondrana ireo mpanohitra sisa fa i Madagasikara sy ny vahoaka indray no henjihiny. Hiareto hono fa nofidianareo. Izany no atao hoe lany koa inona indray?
6. bazylou
(
13/08/2007 21:52)
dia andana mivazavaza eran'izao rehetar aizao fa gida maimbo i madagasikara!! sady tsy mahay hafa tsy ny mangataka
7. Jeankely
(
14/08/2007 08:52)
Ka izay laharana izay indrindra no hitaritanay ary hanoroanay ny olona fa miezaka vao misondrotra ny laharana fa tsy miandry fotsiny. I bazylou tsy hampiakatra fa mitetika ny hanabotry sy hisoavaly. Ny hafa miasa ary mitady izay ahasoa ny firenena ny anao rehefa tsy mpitondra ny tarikao dia tsisy ilana azy ary mahafinaritra anao ny mahagisitra ny firenena. Ho anay fahavoazana izany ary mampalahelo sy hitadiavana hevitra fa tsy sahala anao mihintsy. Izahay na mahantra na ory tsy menatra fa Malagasy. Mino aho fa tsy aminao mihintsy no mangataka i Madagasikara.
8. bazylou
(
15/08/2007 16:38)
mon pauvre ami,,,, fa taiza ile 8 sy nytariny no nisolelaka hanaovana izao fatina mapme rehetra izao ?? tsy taty ve????? tsssssssss aza tery saina e:roll::roll::roll:
9. Jeankely
(
16/08/2007 01:42)
Tany aminao bazylou ve no anontaniako? Tsy mbola nisy firenena Madagasikara nitady famantsiambola taminao bazylou. Ny firenena rehetra nitady famantsiambola daholo na ireo Asia du Sud Est nahita fandrosoana ireo nandalo tamin'izany ary hatramin'izao mbola miaraka amin'ny mpamatsy vola. Inona no mahagaga raha mitohy ny fizahavana famantsiambola? Fa ny vita hatramin'izay angaha maharaka ny zavatra rehetra tiana hatao? Ny hamendrofendro ny Malagasy no tianao atao saingy miala tsiny fa tsy misy miditra aminay izany. Raha ny ampaosina no analana dia mahazo miatabataba fa ankoatr'izay vavan'alika mivoavoa.
