fimaoty

1. sitlo ( 12/08/2007 15:02)
Tena teny gasy ve izany kay? Rehefa mameno ny mombamomba ato amin'ny serasera mantsy dia hoe: "lahy sa vavy?" no eo, fa misy olona niteny hoe "fimaoty" no fiteny azy.
Fitia tia hahalala fotsiny ny ahy. :wink:


répondu par tywa68 le 31/08/2007 15:54
2. ikaretsaka ( 12/08/2007 15:28)
foromporona indray izany!
za tsy mankasitraka loatra an'io teny gasy vaovao foromporonina io aloha e
maninona raha raisina fotsiny @ fitenin'ny olona taloha hoe :
latabatra no anaran'io fa tsy "akalana lava taho"
Paompy no anaran'io fa tsy "vatolahy mam..."
Pataloha no natao anarany fa tsy "salaka lava tongotra"
lakre sy tsaoka fa tsy "vovon-tany fotsifotsy fanoratana"
Silipo fa tsy "takon-kenatra telozoro"?:roll:
3. sitlo ( 13/08/2007 14:22)
:-D

Mba notadiaviko tamin'ny google dia nime aho. Dia inona ary ny sex amin'ny teny gasy. :roll:
fimaoty izany izao anefa mba miady rima amin'ny hoe kilaoty. :°)
4. lapino ( 13/08/2007 14:37)
Efa ela koa za nanontany an'io dikan'ny "sexe" amin'ny teny gasy io teto, fa ity eto toa nisy valiny nipoitra tampoka :-)

Mba notadiaviko tamin'ny google dia nime aho.
:-D:-D:-D danzz !

Ika > fa ahoana kosa moa no tonga dia foromporona ?
Betsaka ange ny teny gasy tsy haintsika intsony e. Sady tsisy afaka hilaza koa fa mahay ny voambolana gasy rehetra rehetra. Saingy rehefa tsy ampiasaina matetika ilay voambolana dia maty.

Dia ireo "fa tsy ..." ireo koa, tsy voambolana ireo fa famaritana. Tsy misy mampiasa an'ireo ho voambolana mihitsy angamba.
5. Rasiligaoma ( 13/08/2007 15:17)
ny kilaoty efa tsy teny gasy intsony fa tankon-kenatra telo zoro no fiteny (cf Ikaretsaka)=))
6. Rasiligaoma ( 13/08/2007 15:19)
dia ny string tokoa izany ahoana?
tadieky fanafenana fivaviana?
7. sitlo ( 13/08/2007 16:40)
manao string -> misalaka tady :-D
8. ikaretsaka ( 13/08/2007 20:03)
string=tadikely fanafenana fivaviana.. hahaha:-D
9. zamanoro ( 31/08/2007 15:30)
"tavo" no dikan'ny sex amin'ny tenigasy ry Sitlo ah
10. tywa68 ( 31/08/2007 15:54)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8062