mila vonjy avy aminao

1. xxx ( 08/08/2007 18:04)
Mitady vonjy avy aminao aho, tsy inona izany fa vavaka. Mijaly mafy ny foko sy ny fanahiko, ka mila ho ketraka aho. Mivavaha ho ahy raha sitrakao fa tena mila tsy ho zakako intsony ity fiainana ity.
Misaotra betsaka anao
répondu par Fiffi le 09/08/2007 14:53
2. LazaDaddy ( 08/08/2007 23:36)
xxx:
mila tsy ho zakako intsony ity fiainana ity.
aza zakaina ny fiainana fa tsy misy mahazaka an'io isika. Avelao i Jesosy ihany no hizaka azy dia isika manara-dia Azy fotsiny.

Hoy i Jesosy: "Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa izaho hanome anareo fitsaharana"
3. Mandefitra ( 09/08/2007 04:19)
Hoy Jesosy :"Aty @ za tontolo zao no hahitanareo fahoriana, nefa matokia, Izaho efa naharesy zao tontolo zao".
Rehefa miaraka Aminy sy ao Aminy, dia arak io lazain i LD io, Jesosy no mizaka ny entanao rehetra. Ary hataony mpandresy ianao, tahaka Azy zay Mpandresy.
4. Fiffi ( 09/08/2007 06:34)
LazaDaddy:

Hoy i Jesosy: "Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa izaho hanome anareo fitsaharana"
xxx: io ny famonjena de aza misalasala manantona an'Jesoa mametraka ny enta-mavesatrao......


5. todisoa2 ( 09/08/2007 10:08)
Ny vavaka, firesahana mivantana @ Atra. Ny finoanao no mahavonjy anao. Ny finoanao ny fisian'ny mpihaino ny vavakao, no mampahery anao. Izany no mahatanteraka ny zavata angatahinao ao @ vavaka. Ny vavaka miteraka finoana, ny finoana miteraka fanantenana, ary ny fanantenana miteraka valim-bavaka.

Ny valim-bavakao dia tsy miankina aminao, fa Izy irery ihany no tompon'ny famaliana izany. Mety ho ''eny'' avy hatrany, mety ho tsia koa anefa, ary mety ''andraso kely aloha.Ny vavaka, manova zavatra. Hoy ny mpandinika iray hoe: '' Ny vavaka ny lakile mamoha ny fiainana". Io no hany azontsika ivoahana @ ngidin'ny fiainana.

Ny zavatra takiana @ vavaka dia ny fanantenana ombam-piaretana sy faharetana. Izany hoe misy fitsapana ao Aminao rehefa henon'Atra ny vavakao.

Ny fomba fivavahana. io ilay lazain'i Lioka hoe, ''raha mivavaka hianareo dia aza manao toy ny...''.
Mila fandinihan-tena lalina, fanetren-tena ary fieken-keloka ny vavaka. Manao ''analyse'' kely hianao: hoan'iza ny vavaka?,mety sa tsy mety ny fomba fivavaka?, hahasoa sa tsia?, ahoana no mety ho fiatraikany eo @ hafa?sns...

Tadidio koa anefa fa ny vavaka dia tsy mety raha tsy hianao tompony ihany no manao azy. Ny fitondrana am-bavaka matetika dia natao hangatahana fampaherezana hoan'ny hafa.Tsy mamana tanjona ho fangatahana zavatra hafa hoan'ny hafa mihintsy ny fitondrana am-bavaka, afa-tsy io. ary aleo tsy mitondra am-bavaka olona raha mahatsapa fa tsy tena @ fo no angatahinao an'zany. Heloka eo imasony izany.

Mila mangataka izany hianao hoanao ary mampahery ny hafa koa rehefa mivavaka.
"Aza matahotra, fa momba Anao aho. Ahy hianao." Aza manaiky ho ketraka izany fa avy @ Devoly izany. Ataovy an-tsaina foana ilay tonon-kiran'i Davida, Salamo faha 103. Fa na '' dia mandalo ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia...''. Tsy hoe mivavaka ihany hianao fa mila matoky sy manaiky izay rehetra misy, ho fitondrany.

Mahereza. Ity tenin'Atra mety hahasoa anao. Jer 33 vakiana dia ny anininy rehetra. Mirary soa indrindra tompoko.
6. diamondra27 ( 09/08/2007 13:41)
xxx: aza ketraka zany fa ny devoly no manisy saindratsy ao anatinaoao

inon doly ny promesse nomenAtra antsika ao anatin'ny Baiboly?
Tsy voasoratra fahatany reny famisy dikany mot pour mot , @ andro sarotra toa izao

JESOSY KRISTY TSY MIOVA OMALY SY ANIO ARY MANDRAKIZAY

raha nanampy ny hafa izy de hanampy anao koa

mibebaha, mifonà de angataho ze tianao aminy
Minoa fotsiny ihany de tanteraho ny asany fa ho hafa mitsy ny fijerinao ny fiainanao

Za tsy mahalala ny adinao fa zao e!
Atra manolotra ny tanany mandrakariva ho anao , eo anilanao Izy aingy ianao no tsy afaka mihaino Azy
Zao de zao tonga de mivavaha de lazao hoe: Tompo ô! ovay ny fijeriko anao , ampandreneso ny sofiko hihaino anao sns... angataho ny Fanahy Masina hanazava ny lalanao

mahereza rahavako!

( zaho de efa very havana, sy materiel fa refa miaraka @ Tompo de omeny foana zany @ fotoana mahamety

Malala eo imasoko ianao... Isaia 43: 3-4

Jesosy fidèle lalandava fa isika no mety tsy fidèle
Omeo azy ny enta-mavesatrao

:-*
[/color]
7. johnnyandri ( 09/08/2007 14:02)
Ok,hivavaka ho anao aho, dia minoa sy manana fanantenana fa aza ketraka. Korazy foana e.
8. ikaretsaka ( 09/08/2007 14:50)
Dia aza adino fa "falifaly lalandava foana e, dia ampanjakao ny fitiavana"
9. Fiffi ( 09/08/2007 14:53)
xxx:
fa tena mila tsy ho zakako intsony ity fiainana ity.
ny ahy ny tsy zakako de ny mahita namana anaty fijaliana tahak'zao....ka hivavaka mafy ho anao zah....de mahereza hatrany ! :-*:-*:-*


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6146