Tezitra: Share with us your success story

1. Jeankely ( 08/08/2007 10:45)
(...)

Saika hadikako teny gasy dia tsy haiko tampoka indray...

Ataovy teny gasy raha tsy te ho tratran'izao.

Nahitsin'i hery
répondu par Jeankely le 09/08/2007 06:09
2. ainga ( 08/08/2007 10:50)
:(fandaharana vaovao @ tv angah ity siksesy story nareo ty ? Ka i tezitra no rôla ao ?:-D:-D:-D:-D
3. Jeankely ( 08/08/2007 10:52)
Mahay mitsikera loatra izy ka mila mahafantatra izahay hoe inona no vitany sa ny mpanambaka no mitsikerakera?
4. kanota ( 08/08/2007 11:18)
Nahavita milay nohon'ny olona ataony Ramose izy. Haromotana angamba ny an'i POISSON MORT.=))=))=))
5. vakiniadiana ( 08/08/2007 11:59)
tokony hisotro rano mangatsiaka kely aloha izy fa sao tapaka lalan-dra eo
6. Jeankely ( 08/08/2007 12:53)
Misaotra an'i Hery aloha @ famafana ilay soratra. Ny hanontaniako fotsiny hoe TENINDRAZANA MALAGASY ANGAHA NY TENY frantsay fa toa misy manao lavabe nefa mijanona tsy voafafa sa teny Anglisy tsy INTERNATIONALE? Fanontaniana fotsiny iny fa tsisy ny olana. Mahay teny Malagasy feno ary tsy mila mpandika teny akory izahay. Marina koa ve fa tena ho an'ny vazaha ny teny Frantsay atao eto mba hisolelahana aminy?
7. LazaDaddy ( 08/08/2007 23:49)
hery:
Saika hadikako teny gasy dia tsy haiko tampoka indray...
Fa angaha be dia be diso ka sarotra adika? =))
Jeankely:
Misaotra an'i Hery aloha @ famafana ilay soratra.
Tena isaory mihitsy i Hery mba nanala izay diso be mahamenatra olona nosoratanao teo :)
8. Jeankely ( 09/08/2007 04:02)
Mandrary mivadika ny resaka Ra-Lazadady. Tsy resaka diso no namafana an'iny fa ny fanamboniana ny teny frantsay ary fikilasiana ny teny frantsay ho tenindrazana Malagasy. Noho i Tezitra manoratra frantsay dia mba manoratra teny ANGLISY aho. Tsy anjaranao angamba no manintsy ny teny diso fa avela mihintsy izy ho hitan'ny be sy maro ahalalan'ny be sy ny maro fa tena tsy mahay ilay olona miseho manoratra. Hita mazava eto ny diso tsipelina na teny Malagasy na ny pararantsay fanaon'ny sasany manampahaizana fa tsy nisy namafa. Aleo ho hita sy hibaribary raha tena tsy fahaizana sy manalabaraka. Saingy menatra ianao sy ny tarikao satria tsy nahavita tsara ho an'ny firenena fa faly mitsikerana ny asa ataon'ny fanjakana amin'izao fotsiny.
9. tsoraka ( 09/08/2007 04:29)
Izay vitanao ho an'ny firenena omeo fa aza avadika resaka hafa. Mitsikera nefa tsy nahavita inoninona. Mba mahalala menatra fa tsy faly mitsikera ny olona miasa. Raha nanao tsara ianao ka maka ny anarana Tezitra mahagaga loatra fa ny zatra ny akamakama sy taranaky ny mpanao risoriso indray no miseho ho mpitsikera manimba saimbahoaka.
10. LazaDaddy ( 09/08/2007 04:35)
izaho ve ry Jeankely mba mahazo milaza "success story"? Fa na izany aza aloha "Grace story" no tena marina fa tsy "success story" e :)

=> Noho ny fahasoavan'Andriamanitra dia nahomby ny fianaran'ny gasy naro ao Alemana fa tsy vao "cours de langue" dia nandamoka tahaka ny zanak'i ramose...kanefa toa hoe nahazo diplaoma..."hono"
11. Jeankely ( 09/08/2007 04:50)
Tsy miditra amin'izany aho ry LazaDaddy. Izay nataon'ny zanany tsy anjarako ny miaro azy. Fa izay ataoko sy ny nataoko ho an'ny mpiray tanindrazana amiko no fantantro ary hisainako rehefa mandray ondana hatory aho. Omeo izay vitanao ho an'ny firenena. Aza avadika resaka tsipelina. aza variana ny mitsikera fa ny nataonao jerena mialoha. Sao mba anisany ireo faly mitondra film porno ary faly fa mahazo vola nefa mitondra inona ho an'ny firenena? Raha nahomby ny fianarana nolazainao nahomby eo amin'ny resaka fampandrosoana ny firenena no resaka Politika eto fa tsy ny fahaizanao manokana. Mahay baolina ary mahay mijijy daholo ny mpilalao baolina Malagasy raha raisina tsirairay saingy ny Equipe MADAGASCAR no resahina. Aza faly midera tena.
12. Jeankely ( 09/08/2007 05:13)
Mahomby koa ve izany mahazo diploma tsy nianatra izany? Ianao ihany no milaza ny firenena hianaranao mahomby nefa akaiky kely eo dia manambara fa misy mahazo diploma tsy nianatra. Izany tokoa no mahomby sy mitsara ary mitsikera. Tena mahomby tokoa ve ny sahala izany ary nitondra nankaiza? Tsy ajarako ny manonona ferenen'olona fa ianao no niampanga ilay firenena. Asa raha rehindreo izany.
13. LazaDaddy ( 09/08/2007 05:22)
Jeankely:
Mahomby koa ve izany mahazo diploma tsy nianatra izany?
ka izay mihitsy no mahagaga sy talanjona ny Gasy maro eto Alemana hoe ahoana ary ramose kely no indraindraina be any an-tanindrazana hoe nahazo diplaoma tany Alemana kanefa toa tsy nianatra akory lery teto?
14. tsoraka ( 09/08/2007 05:24)
LazaDaddy indray izany no tompon'andraikitra fa misy DIPLOMA vidiana any Alemangne ary izay no lazainy fahombiazana. Dia mampalahelo loatra ny resak'ireto manampahaizana ireto.
15. LazaDaddy ( 09/08/2007 05:28)
tsoraka> tsy inoako hoe misy diplaoma vidiana eto Alemana...fa manahy mafy aho hoe nisy namboatra diplaoma tany "Bulgarie"

Dia mampalahelo loatra ny resak'ireto manampahaizana ireto.
"manam-pahaizana"??? =))
16. tsoraka ( 09/08/2007 05:32)
Dia navadikao "Bulgarie" indray izany no nanao diploma sandoka ho azy nefa ianao nilaza fa tany Allemagne izy no nianatra tenim-pirenena dia nidaboka. Ampidiro ho fantry ny rehetra fa maro ny DIPLOMA novidiana ho an'ireo miverina avy andafy. Izany no mampalaza sy hitanao fa mety ka haparitao ho fantatray vendrana.
17. Jeankely ( 09/08/2007 05:41)
Resaka fanitsiana diso tsipelina, tsy fahaizana teny frantsay, tsy fahaizana teny anglisy izany no tsikeraina eto fa tsy ny asa fanasoavana firenena. Fa maninona no izany no resahina fa tsy sahy milaza izay mba vitanao ianao? Satria zatra loatra ny natositosika sy mpanao akamakama ka rehefa sakanan'ny olona dia resaka hafa no asesika ho dinihin'ny olona. Izahay dia mamampy tosika mihintsy fa enjeho hatramin'ny farany ny resaka akamakama na andaniny avy aiza na ankilany avy aiza. Madagasikara aminay mila mandroso ary mila olona mahalala fa tsy vita mora sahalan'ny misotro rano ny fandrosoana.
18. tsoraka ( 09/08/2007 05:52)
Resaka familiana sain'olona hifantoka amin'ny resaka hafa no ataondreo rehefa tsy sahy milaza izay mba vitany ho an'ny firenena. Mpambotry loatra manko ka na ny sain'olona aza tiany ho variana any amin'ny resaka tsy mahamaika na hitarika ny olona hanaradrenirano hatrany. Izany no tena tsy fanajana ny vahoaka Malagasy ary mihevitra handentika azy hatrany.
19. Jeankely ( 09/08/2007 06:09)
Rah tsy fantatr'i LazaDaddy dia "Success Story" ny hoe mpitatitra ronono amin'ny Bisikileta fa lasa nahavita orin'asa lehibe avy eo lasa Maire ary lasa Filoham-pirenena. Izany no hanontaniako hoe inona no vitanao milaza mahay sy mitsikera io? Tsy mba manontany tena angaha alohan'ny hatory fa faly mitsikera fotsiny?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8457