Mitady hira!
1. Herimiafina
(
21/07/2007 21:46)
Misy hiran'i BESSA efa tranaininainy izay tadiaviko saingy sady tsy haiko ny lohateniny, na ny tonony, fa ny feony fotsiny no tena tadidiko, ka sao mba misy afaka ny hanampy ahy hanome an'ireo.
Ny momba ny hira: hira Krismasy izay ilay izy, misy hoe : Noel noel, fiadanana ho anao, Noel noel.....
Misaotra.:@
Ny momba ny hira: hira Krismasy izay ilay izy, misy hoe : Noel noel, fiadanana ho anao, Noel noel.....
Misaotra.:@
répondu par Herimiafina le 26/07/2007 15:10
3. boubounezy
(
21/07/2007 22:28)
HM anotanio i fiffi any misy secour fona, sa aona lesssss!:wink::-P
4. ftma
(
22/07/2007 16:11)
Tsy haiko raha io no tadiavin'i herimiafina Noely Noely Noely
Noely Noely Noely
Noely Noely
Isa-taona dia injao
Noely Noely
Tsianjery no atao
Noely Noely
Tonta ve sa vaovao
Noely Noely
Efa mila tsy ho re
Noely Noely
Ilay teny tsotra hoe
Noely Noely
Fiadanana anie
Minia mikimpy avokoa
Izao tontolo izao
Ka ny noely zary
Andron’ny manan-katao
Odian-tsy hita ireo
mahantra marobe
Izany no noely ve?
Mamonjy tavanandro
Ireo mpiatsaravelatsihy
Ka mody avela kely aloha
Ny zera baomba ery
Fa rahampitso
Dia tohizana indray
Ny fomba ratsy hatrizay
Noely Noely
Ankehitriny fantatrao
Noely Noely
Izay tokony hatao
Noely Noely
Ho an’ny rahalahinao
Fa miofy akondro vava kosa
Ireo kamboty ray
Fadiranovana hatrany
Tsy misy mpandray
Ny maso foana no
Apitrapitrany eo
Toa miantsoantso hoe “vonjeo”
Lay famonjena nodradraina
Hatry ny ela be
Moa azonay mba hantenaina?
Rahoviana re?
Sa… ny Mpamonjy tsy mba tonga ho anay
Fa tsy mba ondriny izahay
(mmmm mmmm mm)
Noely Noely
Mba meteza ianao handre
Noely Noely
Ilay firariana hoe
Noely Noely
“FIADANANA ANIE”
Noely Noely Noely
Noely Noely Noely
Noely Noely Noely
Noely Noely
Isa-taona dia injao
Noely Noely
Tsianjery no atao
Noely Noely
Tonta ve sa vaovao
Noely Noely
Efa mila tsy ho re
Noely Noely
Ilay teny tsotra hoe
Noely Noely
Fiadanana anie
Minia mikimpy avokoa
Izao tontolo izao
Ka ny noely zary
Andron’ny manan-katao
Odian-tsy hita ireo
mahantra marobe
Izany no noely ve?
Mamonjy tavanandro
Ireo mpiatsaravelatsihy
Ka mody avela kely aloha
Ny zera baomba ery
Fa rahampitso
Dia tohizana indray
Ny fomba ratsy hatrizay
Noely Noely
Ankehitriny fantatrao
Noely Noely
Izay tokony hatao
Noely Noely
Ho an’ny rahalahinao
Fa miofy akondro vava kosa
Ireo kamboty ray
Fadiranovana hatrany
Tsy misy mpandray
Ny maso foana no
Apitrapitrany eo
Toa miantsoantso hoe “vonjeo”
Lay famonjena nodradraina
Hatry ny ela be
Moa azonay mba hantenaina?
Rahoviana re?
Sa… ny Mpamonjy tsy mba tonga ho anay
Fa tsy mba ondriny izahay
(mmmm mmmm mm)
Noely Noely
Mba meteza ianao handre
Noely Noely
Ilay firariana hoe
Noely Noely
“FIADANANA ANIE”
Noely Noely Noely
Noely Noely Noely
5. Herimiafina
(
23/07/2007 02:59)
Io indrindra ilay notadiaviko. Misaotra betsaka fa voaray. :-*=D(l):@
7. ftma
(
23/07/2007 20:34)
ari.malala: krisimasy foana anie ny andro e:wink:
Miandry an'i Herimiafina hihira izany :-D
Miandry an'i Herimiafina hihira izany :-D
8. lembelo
(
24/07/2007 09:28)
Izany moa no ilaina antsika eto, mifampizara fahatsiarovana, fadia misaotra an'i ftma nanome an'io tononkira io. Nikaroka ilay hira tamin'ny tranokala samihafa aho fa tsy nahita. Tsaroako io hira io : T@ 1973, nampanao fifaninanana hira krismasy ny governemanta (Joel Rakotomalala no minisitry ny Fampalalam-baovao), dia io no voalohany tamin'ny sokajy hiran'olon-tokana. (Ny faharoa koa tiako, hiran'i Xhi, asa raha misy mahatadidy fa sombitsombin'ny tonony no tsaroako :
"Krismasy tokoa re androany,
Be ny fahagagana eto an-tany,
Ka 'lay Koto tsy hita hanoarana
No voalohany vita fiomanana
Hibebaka"...
Ny sokajy hira-na tarika dia mbola i Bessa ihany no voalohany, tamin'ilay hoe
"Jesosy ô, mino 'zahay
Fa tsy hanao zara-vilana
Na hijery mitongilana
No nidinanao tety
Taona maro lasa izay".
Tamin'ny sokajy antoko Mpihira dia ny Antsan'ny lanitra avy any Taolagnaro no voalohany.
Tadidiko tsara satria izahay nanantena mafy kay tsy nahavoa.
"Krismasy tokoa re androany,
Be ny fahagagana eto an-tany,
Ka 'lay Koto tsy hita hanoarana
No voalohany vita fiomanana
Hibebaka"...
Ny sokajy hira-na tarika dia mbola i Bessa ihany no voalohany, tamin'ilay hoe
"Jesosy ô, mino 'zahay
Fa tsy hanao zara-vilana
Na hijery mitongilana
No nidinanao tety
Taona maro lasa izay".
Tamin'ny sokajy antoko Mpihira dia ny Antsan'ny lanitra avy any Taolagnaro no voalohany.
Tadidiko tsara satria izahay nanantena mafy kay tsy nahavoa.
9. Herimiafina
(
26/07/2007 15:10)
ftma: Ny ahy ny feonkira no tena haiko fa ts7y ny tonony kah.
lembelo: mahafinaritra ny mahatadidy ny lasa. :@
lembelo: mahafinaritra ny mahatadidy ny lasa. :@
