tononkiran'i Solomone

1. bobone ( 10/07/2007 08:04)
Ity Soratra masina ity de tena fanehoana ny fifankatiavana tanteraka hita ato ny fampakaram-bady ! hita ao ny anatra ho an'ireo izay hanaitra ny fitiavana izay mbola matory!(2/7d) asa ianareo raha miombon-kevitra amiko fa niangaly ny fihetse-po hafa loatra ity tononkira ity raha ny fitiavana no jerena !! fanoharana hita maso jereo ange ny toko 1/9-sy 2/8 hatramin'ny farany !!! tsara an!!!
répondu par Lisano le 03/08/2007 15:43
2. cutie ( 10/07/2007 13:16)
tsra daholo ny voalaza ao :lol::lol::lol::lol:
3. majesty ( 10/07/2007 14:36)
Sady mampitandrina ho an'ireo izay mbola tsy nirotsaka tao anatin'ny fitiavana hoe "Aza mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitra-pony..."
4. niryna ( 11/07/2007 04:31)
Bobone a!Ny tantaran'i Solomona manambara fa nanana vady maro izy 700 sy vaditsindrano 300 ka nampivily ny fony ireo vadiny ireo:roll:
Vakio ny I Mpanjaka 11:1-3. fa tsy mba nanaraka ny rainy Davida izy izay nanaraka an'Atra.
Tsy H.S akory fa mba lasa fotsiny ny saiko mijery ireto vady marobe sy vadikeliny angamba izany vaditsindrano izany?:
5. bobone ( 11/07/2007 06:35)
cutie: eny akia ! misaotra nilaza hevitra e!
6. bobone ( 11/07/2007 06:56)
Majesty: tena marina tokoa fa mampitandrina izy sady manoro ny lalana tokony andehanan'ny mpifankatia!
misaotra nadray anjara e!
7. bobone ( 11/07/2007 07:16)
niryna: eny akia tena misaotra @ nilaza ary tena marina tokoa ny voalazanao fa ny tena nanaitra ahy @ ity Tokon-kira ity de ilay fanehoany ny heviny ! ilay fanoharany ny zava-boary @ ilay tokan'ny fony izany hoe le nfomba filazany ny fitiavany @ zavatyra hita maso
fa jereko le I Mpanjaka de mamaly anao aho @ manaraka fa misaotra indrindra @ fandraisana anjara ! mankasitraka indrindra ô
Biz anao
8. ari.malala ( 12/07/2007 06:11)
fahitako anazy kosa de fanehoan'Andriamanitra ny fitiavany ny olombelona zanany na maniasia takan'ny inona aza de mbola malalany foana. Misy ilay hoe "ahy ny malalako ary izaho an'ny malalako" tsy mahay versets sy chapitre fa miala tsiny ooooo
9. naritsimba ( 12/07/2007 10:38)
Ny tononkiran'ny Solomona:
Mahagaga fa rehefa mandinika Baiboly ny ankamarontsika eto dia tsy mijery sy mandinika tsara izay rehetra voasoratra fa dia mandray an-tendrony fotsiny ihany.
Tsara ny voasoratra ao @ boky tononkiran'i Solomona, nanambady maro i Solomona ary dia ireo no nanodina ny lohany noho ireo vehivavy maro novadiany hafa firenena. Ny fanontaniana tonga ao an-tsaina dia hoe: raha tsy hafa firenena ve izany ireo vehivavy maro nalainy vady ireo dia tsy nisy zavatra nitranga teo @ fanjakana izay nentin'ny zanany taty aoriana? satria Andriamanitra mihitsy no nilaza hoe:
Kanefa kosa tsy hataoko amin'ny andronao izany noho ny amin'i Davida rainao; fa rehefa mby amin'ny zanakao vao hendahako aminy. 1 Mpanjaka 11:12
Moa ve izany tsy tonga any @ fanjakan'Andriamanitra i Solomona Mpanjaka?

10. niryna ( 13/07/2007 07:03)
naritsimba:

Raha mino an'Atra izy ve tsy ho tonga any.:roll:Izy anie mampianatra ny olona mba hanaja ny fanambadiana e,mampianatra koa izy ny tokony hifampizara sy tokony hanana fitiavana ao anatin'izany fanambadiana izany.Manoratra ny resaka fitiavana no tena votoatiny ao ary raha tohizana mandeha amin'ny TV dia ny fitiavan'i Jesosy kristy ny olony(ny fiangonana)
11. marozevo ( 13/07/2007 17:11)
Mitovy hevitra amiin'ny ari.malala.
12. Lisano ( 03/08/2007 15:43)
Ny tonon-kiran'ny Solomona dia anisan'ny tenin'Andriamanitra voarakitra ara-tsindrimandry.Koa mety ho samihafa no andraisantsika ny hevitra raketiny , fa ny ahy kosa dia hoe natao hahasoa an'ny olona io matoa nosoratany ao , anisan'izany ny hoe tsy tokony hofehezina loatra ny fitiavana , satria ao anatin'ny olona tsirairay izy io , ary omeny ao ny tari-dalana hitondrana izany.Tsy azo atao kosa anefa ny mamoha azy io tsy amin'ny fotoany.
Sns e...Mazotoa mandinika azy io fa mahafinaritra be
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0591