papa poule!

1. patrick2002 ( 04/07/2007 02:14)
Araky ny fanadihadiana dia misy 110 000 izao ny papa poule na monsieur maman eto canada
Ny papa poule na monsieur maman dia anarana hiantsona ny ramose izay mijanona ao an-trano mitaiza zaza fa ramatoa miasa .
Voalaza aza fa nitombo 3 fois izany tao anatin'i 5 taona .
Manitikitika ahy hoe mba tianareo vehivavy ve ny ramose nareo raha mijanona ao an-trano mitaiza zaza fa ianareo mandeha miasa :?:8O8O
répondu par pissoa le 06/07/2007 05:13
2. fasaly ( 04/07/2007 05:46)
euhhh! otran'ny tsy tiko ka!.....
3. bozyboleta ( 04/07/2007 05:54)
Efa nisy resaka nataoko ihany koa momba an'io taloha tany.
Mpandefa : bozyboleta [ Valio ] 11-06-2007 12:53:05
Lohateny : Re : fampitandremana, hafatrafatra
Raha aty Mada aza zao de somary efa mivadika ny rasa fa betsaka ny vhv no mivoaka mitady vola ary le lhl ndray no miandry trano mikarakara tokantrano sy ny ankizy. Ary tsy misy olana @ reo tokantrano reo fa manampy ny lhl ary tena mahavita ny adidiny sy zay tokony ataony ny vhv alohan'ny andehanany sy rehefa avy miasa.

Fa izaho manokana aloha de tsy tia e. Aleo ihany samy mitady ny mpivady, de samy mitaiza, de samy mikarakara tokantrano.
Ny ankizy rahateo anga ho kely foana fa tsy maintsy mihalehibe. De hanao inn ndray le lhl refa lehibe tsy mila fikarakana ntsony ny zanany?
4. kally ( 04/07/2007 06:28)
Ny hoe tia sa tsy tia raha voatery ho izay moa haninona fa izay tonga eo tiana?
Tsy aleo izy taizain-drainy toy izay apetraka aman'olona?
Raha afaka misafidy kosa aleoko ihany izaho no mitaiza sy mijanona an-trano,ny vehivavy no tena havanana amin'io matoa izy no nomena ny kibo itoerany sy ny sakafon-jaza (na dia noforonina aza ny biberon taty aoriana).
5. tslem ( 04/07/2007 07:22)
ôtrany tsy lasa raha zany koh, nefa raha sanatria tokoa ve moa tratry ny tsy azo hanoharana tsy aleo tezain'ny rainy araky ny tenin'ny kally toy izay tezain'ny hafa ny zazakely, raha misy tombotsoa kokoa ny hiasan-dramatoa noho ny hiasan-drangahy:-w
6. jimmy ( 04/07/2007 11:09)
Lehilahy izaho no miteny fa ny vehivavy anie rehefa izy irery no miasa dia matetika no manitsaka e!......:oops:
7. soanja ( 04/07/2007 12:58)
Mety tsy hitovy ny fomba fikarakarana ny tokatranon'ny vehivavy sy ny lehilahy saingy tsy misy tsara ny hoe eny ampelatanan'ny olon-tianao ny ivom-piainanareo: dia ny tokatrano sy ny ankohonana. Mahatoky ianao sady mifanampy hatrany. Izy rahateo deraina naka izany finiavana handray antanana izany asa sarotra izany. Ny asa fampidiram-bola ho an;ny vehivavy ary fikarakarana ny ao an-trano sy ny fitaizana ny zaza ho an'ny lehilahy dia SAMY tsy mora saingy betsaka ny mahavita izany. Raha atao ampitivana ny zava-drehetra sady arahina fifandraisana mavitrika dia mety foana sady matanjaka.
Raha anjakan'ny Fitiavana ny tokatrano dia tsy mipetraka ireo olana rehetra ireo.
Ny olona sambatra indrindra amin'ny fiainana dia ireo izay mahatsapa fa afaka manantanteraka ny zavatra tiany atao, ka mahasoa azy sy ny tiany ary ny manodidina azy izany asa ataony na fiainana arahiny izany, no sady manisy lanjany hatrany ny zavatra iandreketany. Soanja.


8. patrick2002 ( 04/07/2007 15:18)
raha ny fieritreretako aloha dia azon'i tsy azo anoharana ,ilay tokatrano dia tojo amin'izay ,antony
iray lehibe dia ny vehivahy mitana toerana ambony noho ny rangahy .
9. sympa ( 04/07/2007 19:15)
Eka ozy
10. pissoa ( 05/07/2007 04:38)
Ka izy aza mba hanaiky fesona ao ka za njay ve hosarotiny refa tsisy be taraina amin'ny entiko mody sy ny fodiako hariva :oops: ... Za rahateo toa tsy dia mahay an'zany asa ao an-tokatrano zany, ndrindra le mijajirika ao andakozia ... no no no, thanks :-P

eo zao dia ... :-D:-D:-D
11. pissoa ( 05/07/2007 04:39)
Ka izy aza mba hanaiky fesona ao ka za njay ve hosarotiny refa tsisy be taraina amin'ny entiko mody sy ny fodiako hariva :oops: ... Za rahateo toa tsy dia mahay an'zany asa ao an-tokatrano zany, ndrindra le mijajirika ao andakozia ... no no no, thanks :-P

eo zao dia ... :-D:-D:-D
12. pissoa ( 05/07/2007 04:40)
Oops, miala tsiny fa lasa niverina in-2 :oops::oops::oops:
13. bozyboleta ( 05/07/2007 09:27)
Raha ny maro efa hitako de sady tratra ny tsy azo anoharana nefa misy safidy ihany koa ny ankamaroany.
Maro @ lhl gasy mantsy somary bebe saina tsy te-hiasa birao satria tsy te-ho baikona de aleony manao bizn anazy manokana, zay le antony mahatonga azy mijanona ao an-trano.De ramatoa no mivoaka isan'andro satria mahatsiaro fa mila securité ihany le tokantrano @ vola raisina isam-bolana.
Fa na miasa na tsy miasa le lhl, tsy maintsy ny vhv foana no tena misahirana ao an-trano e.
Tsy vitan'ny lhl 100% ary tsy tomombana @ ilàna azy ny asa tokony ataon'ny vhv ao an-tokantrano, de tsy maintsy manao ihany zany le vhv na de reraka avy miasa aza.
14. patrick2002 ( 05/07/2007 13:28)
pissoa: za aloha mazoto ny hijanona hikarakara ao an-tokatrano raha hisy vehivavy hanaja ahy amin'izany eh! hisy mora hoatry ny mikarakara toka-trano ve :wink:, fa mihevitra izaho fa contre nature izany .:-D
bozyboleta : zah aloha tena mahavita 200% ny asa ao an-tokatrano eh! ny mampinono zazakely ihany no tsy vitako satria izaho fisaka ny nonoko :-D:-D:-D
15. diamondra27 ( 05/07/2007 13:37)
de manome biberon fa tsy nono e
16. bozyboleta ( 05/07/2007 13:45)
Mpandefa : patrick2002 [ Valio ] 05-07-2007 15:28:13
Lohateny : Re : papa poule!
pissoa: za aloha mazoto ny hijanona hikarakara ao an-tokatrano raha hisy vehivavy hanaja ahy amin'izany eh! hisy mora hoatry ny mikarakara toka-trano ve , fa mihevitra izaho fa contre nature izany .
bozyboleta : zah aloha tena mahavita 200% ny asa ao an-tokatrano eh! ny mampinono zazakely ihany no tsy vitako satria izaho fisaka ny nonoko


Hitako eto mitsy hoe ra-Pa refa mamafa meubles de le manao slalom eny anelakelaky ny bibelot reny ny tanana fa tsy manakisaka n'inn n'inn mitsy :-D
Asio silikon akia ny nono raha fisaka a!de mbo misintosintona eo ny zaza refa tomany, tsy izay ve zany no tsara kokoa noho ny tetine?:-D
17. pissoa ( 06/07/2007 05:13)
patrick2002 > ny ahy hajaiko refa tsy be kredy fotsiny :-P:-D
nefa tandremo ihany fa mety tsy mitovy amin'ilay antsoina matetika hoe "tokatranon-dahy" intsony angamba izany tokantrano tena misy vady sy zanaka an ... tsy haiko kloo fa za mbola tsy tao :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3863