Mpanao hira gasy nandevozina tatsy LA REUNION !!

1. lemenakely ( 03/07/2007 09:12)
Asa raha hitanareo ilay article ao @wanadoo.mg androany fa dia mahalàsa saina tokoa raha @ izao mbola misy olona manana toe-tsaina tena mampalahelo tokoa àry tena mahamenatra!
Nanafatra mpanakanto ilay ramatoa hanafàna ny fetin'ny asaramanitra teo ka mapnao hira gasy ireto farany : ao ny mpitsoka sodina ao ny mpilalao amponga sns....
voalohany dia tsy nomeny trano ara-dalàna ireto farany fa tao @ débarras ary tsrano efa mila hirodana

faharoa tsy nomeny sakafo fa mofo dipaina sy sardine ary rano t@ robinet

farany zara raha nomeny vola fa dia nokepohan'ilay ramatoa daholo nefa tokony nanana indemnité de repas sy hotely ireo mpanao hira gasy fa dia sendra ny tia kely e!
MAMPALAHELO TOKOA !!!!
répondu par mignone le 04/07/2007 14:29
2. xxx ( 03/07/2007 09:51)
Tena mampalahelo tokoa izany. Fa iza hono io ramatoa io? Andraso fa ho jerentsika dia handefasantsika message ara-dalàna. Tsy mety izany na dia hoe olona mpiray tanindrazana fotsiny aza.
3. rush ( 03/07/2007 10:06)
mba sahisahy koa izany ramatoa tsy misaina izany a!
4. xxx ( 03/07/2007 12:51)
Amin'izao vanimpotoana izao dia mbola izany foana ve ny fotom-pisainana ê! Mampalahelo tokoa raha izany no mitranga , nefa samy Malagasy iray tanindrazana!Samy mpitady ravinahitra ihany aty an-tanin'olona!Tokony handray fepetra isika mpanao zavakanto rehetra mba hanoerana izany toe-tsaina ratsy sy mamoafady izany.
5. jentilisa ( 03/07/2007 15:28)
misy tokoa ny toetsain'ny olona sasany tena hafa mihitsy rehefa manatrika ny mpiray tanindrazana aminy ka!
6. Bita ( 03/07/2007 17:39)
Ireo olona nalainy ireo dia tokony tsy hipetra potsiny fa tokony hitady hevitra ny handoavan'io olona io ny vola hasasaran-dry zareo ary azo atao tsara ny manao izany fa ny tsaratsara kokoa r aha nisy taratasy nifanarahana hatrany amboalohany ny fifanarahan-dry zareo mba hahamora ny hevitra hitakiana azy ary mety mbola azahoana mitaky betsaka noho ny tokony alohany aza izy satria arakaraka izay no hanaovana menace azy sy hittarihana ny fitakiana aminy. Olona ts11 miasa dia tsy maintsy mahazo ny valiny hasasarany @ tokony izy indrindra any @ toerana mandroso toy ireny.
7. menalamba ( 04/07/2007 13:38)
Tena mba tsy vaky atatra izany ramatoa izany an.Dia misy hafaliana anaty ary ve izao ao aminy nahavita nitsentsitra ny hatsembohan'ireto mpiray rà aminy?Tsara amboarina kely ny momba azy an....Mba iza hono ny anarany e?
8. mignone ( 04/07/2007 14:29)
angaha tsy nisy contrat nosiniavina ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1918