Loha-trondro
1. xxx
(
19/06/2007 17:53)
Nisy mpivady tany Ambatondrazaka tany. Rehefa mihinana na mahandro trondro izy ireo dia an'ilay rangahy foana ny lohatrondro na dia betsaka toa inona aza ny trondro andrahoina. Indray andro dia nohanin'ilay Ramatoa ankitsirano fotsiny izao ilay lohan'ilay laoka. Tonga rangahy dia nisafoaka ary dia namely tahamaina an'ilay Ramatoa. Ny niafarany dia tsy nahatanty ilay ramatoa fa nampiakatra tany @ fitsarana. Noho ny lohan'ilay loha-trondro ve?
répondu par tsoraka le 29/06/2007 09:15
2. rush
(
19/06/2007 18:20)
resaka fihinanana lohan-tsondro ve dia hampisaraka? sa dia tena efa diso tafahoatra loatra ny fitiavan-tenan'io rangaha io dia hamelaka an'ny vadiny?
3. pissoa
(
19/06/2007 18:27)
tena maivana otran'ny lohan-trondro ny lohan'ile rangahy :oops::oops::oops::-D
raha tsy hoe misy resaka fady fady angaha dia iny indray resaka hafa satria samy manana ny finoany ! :-D
raha tsy hoe misy resaka fady fady angaha dia iny indray resaka hafa satria samy manana ny finoany ! :-D
4. Jeankely
(
20/06/2007 04:04)
Tsy resaka loha-trondro no nisarahana fa teo vao nipoaka ny ady. Mifankatia tsy mifamarafara ady no hiafarany. Vao nivady dia nahatanty ny tsy nihinana ny loha-trondro ilay ramatoa. Tokony hatrany amboalohany dia mba efa nametraka fa tokony hinana ny rehetra ary tsy misy ankanavaka fa samy olombelona. Raikitra moa mivady tsy raikitra avy dia tsy mivady. Raha nanaiky hatrany ianao mazava fa mivadika izany rehefa mandray mihinana ny tsy fihinana. Mifandray amin'ny zavatra maro io ka rehefa mahasosotra sy efa leo ny olona miaraka aminao ianao dia izay zavatra fanao no dikaina. Mazava fa fisarana no farany.
5. Bita
(
28/06/2007 17:35)
Matetika ny olona any amboalohany dia mandefitra ary na dia tiany hatao aza dia tsy atao mba hitiavana ilay iray. Ary inona no mitranga aty aoriana ilay fandeferana lasa mampitroatra. Ary ilay iray ankilany koa toa nanaraotra be loatra t@ ary dia nakabahana aza, ary indro fa rehefa tsy azo izay ilainy dia tonga sdia tsy mahafehy tena intsony. Loha-trondro fotsiny io fa angamba ny olona sasany mety zavatra hafa ny azy.
Marina ny an'i Jeankely aleo tonga dia hatramin'ny voalohany dia tsorina rehefa tsy mety dia aleo miala fa tsy hararaotin'ny sasany ny fahalemen'ny sasany.
Marina ny an'i Jeankely aleo tonga dia hatramin'ny voalohany dia tsorina rehefa tsy mety dia aleo miala fa tsy hararaotin'ny sasany ny fahalemen'ny sasany.
6. Fiffi
(
28/06/2007 20:58)
pissoa::-D:-D:-D:-D:-D
tena maivana otran'ny lohan-trondro ny lohan'ile rangahy :oops::oops::oops::-D
7. tsoraka
(
29/06/2007 09:15)
Ny loha-trondro tsy maivana fa ny loha-nGana no tsy hanin'ny zaza hanala fanadinana. Tena mahamisy saina hono ny mihinana loha-trontro ary mitsoriaka be mihintsy ny rehetra.