zanak Isotry Fitiavana

1. besa1 ( 19/06/2007 06:12)
Miarahaba antsika zanak'Isotry Fitiavana rehetra
Mahafaly ny mampita vaovao amintsika fa ao anatin'ny fankalazana ny faha 140 taonan'ny fiangonana tanteraka isika izao ary ny tsangambato moa dia ny famitana ny Fiangonana any Amboasary Atsimo (akaikin'ny Fort Dauphin io any @ Antandroy) ary ny fanoloana manontolo ny dabilio ho palissandre. Natao don sy nisy amapahany namidy ny dabilio tranainy. 60 dabilio izao no efa voasolo fa mbola misy 120 izay enjehana h@ Novambra.
Koa dia manentana antsika zank'Isotry Fitiavana rehetra fa tena mila fanohanana ny Fiangonana. Efa nisy ny hetsika t@ Fitsangatsanganana Lundi de Pentecôte sy ny Sakafo t@ 03 jona izay tena réussite totale daholo ka isaorana an'Andriamanitra fa izany hoe mbola ezaka be ny famitàna azy manontolo.
Ity ny adiresy mail-n'ny Fiangonana ho an'izay mila fanazavana fanampiny : fjkmifitiavana@wanadoo.mg
Raha mahavita mivondrona moa ka manao hetsika iraisana inona no maharatsy izany ?
Misaotra antsika rehetra
répondu par besa1 le 21/06/2007 05:39
2. Fiffi ( 19/06/2007 06:59)
"besa1":
zank'Isotry Fitiavana
ahoana kay zany ?
3. xxx ( 19/06/2007 09:02)
Manararaotra manontany kely fa mba zanajanak'isotry fitiavana ihany moa ny tena t@ andron'i Pasitera Solohery Paul, iza kay izao no mpitandrina ao raha tsy mahadiso?
4. xxx ( 19/06/2007 09:06)
Ankoatr'izay, mba azon'i besa1 atao ve ny manao tatitra mikasika ilay fifidianana diakona farany teo? mba te hahalala ny anaran'ireo voafidy aho izany e.Misaotra mialoha.
5. besa1 ( 19/06/2007 12:05)
Fiffi:

"besa1":
zank'Isotry Fitiavana
ahoana kay zany ?

Izany hoe Mpiangona tao ianao sy ny fianakavianao fa noho ny elanelan-tany dia tsy afaka miangona ao intsony fa dia mahatsiaro ho manana fifandraisan tsy tapaka.
Misaotra namaly dia mba manorata any @ ialy adiresy mail
Mandra-panoratra indray

6. besa1 ( 19/06/2007 12:10)
xxx:

Manararaotra manontany kely fa mba zanajanak'isotry fitiavana ihany moa ny tena t@ andron'i Pasitera Solohery Paul, iza kay izao no mpitandrina ao raha tsy mahadiso?



Pasitera Solofo RAMAHOLIMIHASO izao no ao. Efa nitandrina nadritra ny 20 taona mahery tany @ FPMA Frantsa izy izao nody an-tanindrazana izao.
Misaotra nanoratra dia mba mba manoràta any @ ilay adiresy mail iny dia mba ilazao ny namana rehetra.
Mandrapanoratra indray
7. besa1 ( 19/06/2007 12:15)
xxx:

Ankoatr'izay, mba azon'i besa1 atao ve ny manao tatitra mikasika ilay fifidianana diakona farany teo? mba te hahalala ny anaran'ireo voafidy aho izany e.Misaotra mialoha.

Raha tsy mahadiso dia mba manoràta @ ilay adiresy mailn'ny fiangonana dia izy ireo no mamaly satria lisitra olona 100 izy ireo ka mety tsy ho feno ny fitadidiako azy rehetra.
Miala tsiny indrindra.
Misaotra

8. besa1 ( 21/06/2007 05:39)
Dia misoatra ireo izay efa namaly sahady ny antso tao @ fjkmifitiavana@wanadoo.mg fa tena mampahery. Sady mila mba mifankahalala isika zank'Isotry Fitiavana satria tsy manana base de données à jour koa hono ny fiangonana @ adiresintsika rehetra ka sahirana rehefa krismasy na taombaovao ka mba te handefa fiarahabana firariantsoa. Manoràta ry zareo a!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6077