Teny mahazatra saingy......

1. xxx ( 15/06/2007 18:49)

Misy voambolana fampiasantsika mahazatra tsy heverina velively fa hisy akony somary tsy dia tena tsara loatra eo amin'ny fiainam-panahy. Misy ohatra ireto lazaiko ireto, ary iezahana koa ny mba manitsy azy.

1 - Mivadika
Ny olona mivadika dia lasa fahavalon'izay nivadihany, na olona io na vondron'olona. Ary tsy hahitana fifandraisana tena tsara intsony eo amin'izy ireo.
Faheno matetika anefa ny hoe: nivadika katolika izy, nivadika Jesosy mpamonjy ranona... Ary mampalahelo fa dia tena lasa nivadika tokoa izy. Tsy mahita afatsy endrika ratsy sy fiheverana diso eny amin'ilay iray nivadihany... Samy Kristiana anefa, ary samy miezaka mivelona ny Vaovao mahafaly!!!

Vahaolana:
Ny Fiangonana katolika dia mampiasa ireto voambolana ireto: Mifindra, miverina, mba ilazana azy io fa tsy hoe mivadika.

Fanazava: Raha kristiana katolika no mankany amin'ny protestanta dia atao hoe: nifindra Protestanta izy. Toy izany koa ny protestantata mankany amin'ny adventista...
Raha protestanata kosa no makany amin'ny katolika dia atao hoe: niverina Katolika izy, toy izany koa ny adventista lasa makany amin'ny protesta: niverina ho protestanta izy.

Secte
Efa fandre matetika io, iantsona ireo fiangonana kely madinika miforona etsy sy eroa noho ny fiheverany hafa mihitsy.
Ny fiantsona azy ireny hoe: secte anefa dia manova be ihany ny fifandraisana aminy satria toa zary Jesosy hafa mihitsy no toriany, hany ka na misy zava-marina lazainy aza dia tsy mba henona izy. Ka maninona raha mba ampiasaina ilay voambolana hoe: Fiangonana evanjelika, nefa na izany aza aloha misy ihany ny tsy evanjelika fa apòkalipitika e.

Hampiray antsika marina tokoa anie ny Fitiavan'i Kristy! Amen.
répondu par marozevo le 25/06/2007 20:47
2. Fiffi ( 15/06/2007 19:20)
xxx:

Fanazava: Raha kristiana katolika no mankany amin'ny protestanta dia atao hoe: nifindra Protestanta izy. Toy izany koa ny protestantata mankany amin'ny adventista...
Raha protestanata kosa no makany amin'ny katolika dia atao hoe: niverina Katolika izy, toy izany koa ny adventista lasa makany amin'ny protesta: niverina ho protestanta izy.
ka inona no mahasamy hafa ny mivadika sy ny mifindra na niverina ? sa ve le teny hoe "nivadika" no raisina zavatra hafa ?


3. marozevo ( 15/06/2007 20:00)
Misaotra anao nanokatra fa misy hodinihina tokoa ny teny ampiasaina mba tsy hisian'ny fifanafintohinana.

Le hoe miverina kosa aloha tokony hahitsy koa. Raha toa izy efa katolika taloha no nifindra protestant, dia nifindra katolika indray, dia izay no atao hoe miverina. Fa raha mbola tsy katolika izy taloha dia mifindra ihany no tokony ho izy. Dia toy izany koa raha protestant izy no nifindra katolika ka nifindra protenstant indray, dia miverina koa izany.

Ny hoe mivadika dia tena nampiasaina tokoa, fa tato ho ato ohatran'ny tsy henoko intsony.

Ny hoe secte ho'aho avy amin'ny section = misindaka. Ohatra izao : Nisy Fiangonana lehibe iray nipoirany, na nialany. Mety ho maro no antony nisindahany. Raha ady aman'olana no antony dia atao hoe schisme.
4. tslem ( 16/06/2007 06:03)
Misy ho dinihin'ny tsirairay tokoa io voalazan'i xxx io ,mety hanafitohina ny olona sasany tokoa mantsy ilay ho mivadika , arakaraka.Ny ahy indray ny fiteniko dia hoe katolika izy ohatra taloha dia lasa apokalypsa na ohatra an'izany sns...
Ny hoe secte indray amiko , rehefa tsy ilay finoana voalohany(katolika) sy tsy ilay nanohitra azy tany ampiandohàna dia antsoiko daholo hoe secte satria tsy misy teny mahalaza azy afatyys izay tsinona koh !
5. ikaretsaka ( 18/06/2007 06:05)
fa hanampiako kely ilay hoe secte ..(ny ahy ataoko hoe "fiangonana kely hafa")
dia ilay hoe..
"Raha misy hevitry ny Ray aman-dreniko tsy hekeko na hoe te mba ho heno aho ao an-tonkantrano, dia tsyny handeha aho hankahala ny ray amandreniko na hitokana sy hisintaka ary no vahaolana fa mijery aloha hoe ahoana ny handravonana izay sy hahatonga ahy ho heno hevitra"

"raha misy hevitry ny Vadiko tsy ekeko sy tiako hampidirana ny hevitro manokana, dia tsy handeha hisaraka aminy aho dia hanorina hafa indray fa hitady vahaolana momba ilay hevitra tsy nitovizana teo"

"raha misy hevitry ny fiangonako tsy ekeko, dia tsy ny fialana ao aminy akory no vahaolana hialana @ disadisa fa ny fivavahana sy ny fangatahana fitsilovana ilay hevitra iny ho marimaritra iraisana ao!

Misy manko dia misaraka sy manorina hafa vokatry ny disadisa tsisy dikany!:roll:

6. hery ( 18/06/2007 07:08)
Nahafinaritra ahy koa ilay famelabelaran'i xxx. Ilaina tokoa ny mitandrina eo amin'ny fitenenana satria mety handratra olona na hanova ny zavatra tenenin'olona.

Momba ny "sekta" dia efa folo taona mahery izay no miezaka ny fiangonana misy ahy (Katolika) tsy hiantso azy ireny hoe sekta intsony fa hoe vondrom-pivavahana vaovao. Mila jerena anefa satria misy amin'izy ireny tsy mivavaka intsony (tsy vondrom-pivavahana intsony) fa lasa vondron'ny mpanao ratsy mihitsy (associations des malfaiteurs)
http://fr.wikipedia.org/wiki/Secte ny fanadihadiana lavabe momba ny sekta @ teny frantsay.
7. ari.malala ( 18/06/2007 14:09)
Ny zavatra tsy azoko @ ireny olona tao @ fiangonana katolika niala dia nanorina vondronm-pivavahan ahafa ireny, dia manaratsy ny finoana nialany, nefa dia tao no lehibe, ilay fomba fanao nahazatra tao no haratsiana etsy sy eroa, tsy azoko...ohatra iray, nisy namako nanasa ahy hanatrika english club, dia nandeha aho, satria sady pratique ny anglais no curiosité hoe inona no atao @ zany, dia nandeha ny resaka; fa fanaratsiana ny katolika rano fts no tao... de gaga aho, nefa ilay olona nitarika dia niaiky fa katolika hono taloha no niala... dia gaga aho!!!
8. xxx ( 18/06/2007 14:16)

ari.malala: tsotra ny toro-hevitra omeko anao. Mivavaha ho azy, ary mivavaha ho antsika kristiana katolika koa mba hahay handray izany fanaratsina izany isika, fa tsy hamaly ratsy ny ratsy akory.

Fanirianao ry Jesoa ny mba hampiray anay ao amininao, ary noho izany indrindra no namoizanao ny ainao, sy mbola anomezanao anay isan'andro ny teninao sy ny tenanao. Koa enga anie ho zary aina sy fiainanay ny teninao sy ny tenanao. Amen!
9. marozevo ( 18/06/2007 16:32)
Niala tao amin'ny Fiangonana (Katolika), dia lasa mpanaratsy. Tsy tokony hahagaga mihitsy izany na kely aza ka... Raha tsy manaratsy aza izy no tokony hahagaga.
10. ari.malala ( 19/06/2007 12:49)
t@ zany fotoana izany aho romotra be mintsy raha misy manaratsy ny finoako, fa ankehitriny aho dia misaotra ka!
11. ikaretsaka ( 19/06/2007 18:13)
ari> raha miala amin'ny asanao taloha aza ianao ka miditra asa vaovao... fomba ny manaratsy ilay asa taloha kewly aloha ianao ko
12. ari.malala ( 20/06/2007 06:36)
ika, tsy fombako ny manaratsy! nahitako soa ve de haratsiako?! tsy mety zany!
13. marozevo ( 25/06/2007 20:47)
ari.malala > Misaotra anao, fa tsy fombanao tokoa izany, fa fombany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1041