Taovan-kena sy henam-biby no entin'ity lehilahy ........

1. Fiffi ( 14/06/2007 09:29)

Tratra ilay dokotera mpandidy sandoka

Taovan-kena sy henam-biby no entin'ity lehilahy nilaza azy ho dokotera mpandidy namitahana ireo olona nodidiany.

Noraisin'ny zandary fotsiny, teny Andoharanofotsy, teo am-pandidiana ny marariny, omaly, ilay lehilahy nisandoka ho dokotera mpandidy. Vehivavy iray tratry ny “fibrome” no nokasain-dranamana tamin'io. “Efa teo ambony latabatra mihitsy ilay vehivavy no tonga izahay”, hoy ireo zandary avy ao amin'ny borigadin'Andoharanofotsy nisambotra azy.
Niaraka tamin'ny lehiben'ny mpitsabo avy ao amin'ny CSBII-n'Andoharanofotsy mihitsy ireto mpitandro ny filaminana tamin'io fotoana io. Gina tsy nahateny ny anao lahy ary lasa haingana nikarakara ilay vehivavy saika hodidiany.
Zava-doza tokoa, raha ny fanazavan'ireo zandary no vitany tamin'ity vehivavy ity satria nialoha ny fotoana omaly saika handidiana an'ilay vehivavy dia nanasitrihan'ity dokotera sandoka taovan-ken'omby tao ankibon'ilay vehivavy. Tamin'ilay fotoana nizahany azy no nanatanterahany izany. Dia mody nasainy nody ka tsy nasainy niverina hodidiana rehefa tapakevitra ary dia io saika notanterahina, omaly io. Teo imason'ireo mpitsabo sy ny zandary, araka izany, no nanesorany an'ilay taovan-kena tao an-kibon'ilay vehivavy.
Nitety faritra
Fofona tsy fofona, araka izany, no tao an-trano nivoahan'ilay taovan-kena.
Nambaran'ireo mpitandro ny filaminana fa tsy teto an-drenivohitra ihany ity dokotera sandoka ity no nanao izao zava-doza izao fa saika efa nitety faritra maro, tany Miarinarivo, Sakay, Soavinandriana. Tovovavy iray, R. Malala no efa voafitany tamin'ity fandidiana ity tao Soavinandriana. "“Systicércose” no nanatonako hotsaboina tao aminy. Nefa ny kiboko no nodidiany. Indroa nodidiany aho ary teo amin'ity fandidiana farany no nisy zavatra hafahafa niseho ka nahamahina anay sy nahatonga anay nitory azy”, hoy i Malala.
Nambaran'i Malala mantsy fa tongo-kisoa kely sy zavatra fotsifotsy toy ireny jabora amin'ny hen'omby ireny no nilatsaka sy hita teo amin'ny lamba nilafihany. Mbola niezaka niala bala izy teo. Saingy nony afaka avy teo dia iny izy no tsy hita intsony ary tsy tratra raha tsy izao.
Tsy misy afisy eo amin'ny trano iasan'ity "dokotera" ity fa feo mandeha no nambaran'ireo olona voafitany fa nahafantaran'izy ireo azy. Izy moa, raha ny karatra matihanina hita teny aminy dia milaza fa dokotera nahavita fianarana tany ivelany. Hary fomba izy amin'ny fitaovana ary tena manindrona amin'ny “anésthésie” mihitsy tsy handrenesana marary.
Nirina Rakotoson L'Express de Madagascar


répondu par Fiffi le 17/06/2007 11:43
2. nanoukely ( 14/06/2007 11:02)
Mba loza ko zany:-w:-w
3. bozyboleta ( 14/06/2007 11:15)
Rakotoniaina Jeannot no anaran\'le dr sandoka. Maharikoriko ny maheno ny tantarany.
Le olona voany niseho vavolombelona t@ tv.
Fa ny mahagaga de le tsy fahalalan\'le olona mitsy hoe Cysticercose no aleha any nefa ny kibo no didiana. Avy eo ndray de in-droa didiana satria le voalohany toa hoe ametrahany le taovan-kena ao anaty kibo, ary le faharoa de anesorany an\'iny tao.
Asainy manao radio, nefa hono tsy omeny ny marary ny valin\'le radio fa tazoniny ary lazainy fotsiny le marary avy eo hoe tsy maintsy didina. Enao ve de hanaikinaiky an\'izany!
Ankoatran\'izay koa de tsisy soratra eo @ le cabinet fa de resaka miampitapita no ahalalan\'ny olona ny fisiany, de be no lasa mirodorodo mankany mitady sitrany ahay.
Nefa hono volabe ihany no alainy.
Fandidiana goavana ve de atao any @ cabinet privé zany? @ zay izy irery tsisy mpanampy de tsy ho tonga saina ve enao!
Ny fanambakana sal@ zao efa azo lazaina ho tena fahavendranan\'ny voambaka mitsy.
4. agoago ( 14/06/2007 13:43)
Dia gaga sahala anao mihintsy koa aho ry Bozyboleta , lay nodidiana mihintsy no tena adala noho izy, ny fandidiana dia tokony ho any @ salle d'opération ary tsy ny dokotera rehetra koa aza no afaka manao azy fa izay nianatra sy manao ny asa ny fandidiana ihany.
Tena tokony ho ampidirin'ny mpiasan'ny fahasalamana amin'ny fanentanana ataondry zareo koa io, sahala amin'ny hoe miteraka eny @ toby fitsaboana, mividy fanafody eny @ pharmacie sns...
5. fifatiti ( 16/06/2007 05:37)
Tsy hoe fahavendranana ilay izy fa raha zoina ny tatara dia ireo avy any ambanivohitra oh: Tsiroanimandidy ... no anaovany ny asa ratsiny, ireny tsy maharaka izay mombamomba izany fa ny hoe avotraina dia izay ka raha mba manana havana @ toerana toa ireny isika dia mba atoro izy e!oh: hoe rehefa marary dia manatona toeram-pitsboana sy ny he eny @pharmacie no mividy fanafody sns
6. Fiffi ( 17/06/2007 11:43)
mafy hiany zany te-hitsabo tena zany an !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7231