Tsy vao izao fa ara-tantara mihintsy no voa i Madagasikara
1. Jeankely
(
12/06/2007 05:55)
Raha raisina ny fanjakan'andriana tamin'ny afovoantany dia na nanao ny betsimitatatra aza amiko azo lazaina tsy ampy raha mihoatra ny zava-bitan'ireo fanjakana andriana tamin'ny tany hafa. Raha ny mpanjaka sy ny taranany izay mbola misy ankehitriny eran'ny nosy koa dia aleo izireo no hanambara izay tetika fampandrosoana vitan'izany. Ny taorian'ny fanjanahan-tany hatramin'izao mbola mifampitady hoe iza no tena namadika ary be no milaza fa ny mpamadika indray no hosorana dera ankehitriny. Ny mpitondra nifandimby fitondrana taiza sy hoviana no nametraka ny laharan'i Madagasikara teny aloha mihoatra ny firenena hafa eran'izao tontolo izao? Mazava fa voa ara-tantara ka tokony samy ho tonga saina ny hanandrantra fa tsy lany andro miady seza. Tsy misy afaka mirehareha fa ny tantara avohay ho an'izay nahavita be fa arahina izany. Mahantra ny vahoaka ary ny tanora aza misy tsy tia hilaza ny tenany ho Malagasy fa tia ho vazaha. Ny vehivavy vao mahay ity "internet" dia ny fizahavana vady vazaha no atao satria ambany karama ny lehilahy Malagasy. Malahelo amin'izany ny Malagasy nefa dia ny saritaka no hifampitaritana izany. Na olana io na tsy olana, ny vahoaka sahirana foana noho izany vonona ny handroso ny vahoaka ary mahalala ny sarotra.
répondu par Jeankely le 13/06/2007 07:24
2. Jeankely
(
12/06/2007 07:58)
Mba maniry izahay vahoaka ny hamoahan'ireo milaza manampahaizana rehetra izany "Madagascar economic success stories" nandritra ny fotoana nitondrany izany.
3. marozevo
(
12/06/2007 08:40)
Andriana hoe e ?.....
Taranak'Andriana hoe eh ?....
Mbola tokony hipetraka ve izany resaka izany ankehitriny ?
Taranak'Andriana hoe eh ?....
Mbola tokony hipetraka ve izany resaka izany ankehitriny ?
4. Jeankely
(
12/06/2007 08:46)
Sanatria tsy mitady hamerina inona aho akory ry "marozevo" fa miresaka fotsiny hoe hatrany amin'ny tantara dia tsy nahitana zavatra mamirapiratra izany izay mpitondra nifanesy nefa avy eo ny sasany miseho milaza fa "Economist' e, mahay e, mijaly ny vahoaka e, sns. Ny fototry ny fahantrana no resahako izany hoe tsy vao izao io.
5. bozyboleta
(
12/06/2007 09:21)
Io lazainao io Jeankely de le fifantohan'ny malagasy be loatra @ hoe background: za izao na izao de tanisaina eo daholo na fihaviana na fahaizana sy ny etsetra de hatreo ihany fa tsy voalaza ny zava-bita ary ny tena loza de adino ny mizara le ho avy, inona no vinavina sy ny fomba matotra hanatanterahana azy.
Variana miaina @ lasa loatra. Fa azo amboarina ho tsara koa ange ny tantara e!
Variana miaina @ lasa loatra. Fa azo amboarina ho tsara koa ange ny tantara e!
6. andry44
(
12/06/2007 09:44)
Isika tanora@zao fotoana no mila tonga saina hanamboatra ny ho avin'i Madagascar!
T@ taona 80 de nolazaina fa "ny ankizy akehitriny no ho tompon'ny taona 2000"!
Isika ankizy t@zany fotoana no fototra hampandroso na tsia ny firinena afaka 30 na 50 taoana mba hananany toerana tsara eo anivon'izao tontolo izao!!
Omeo sehatra ny tanora manapahaizana, tsy hakanavaka hahafahany miasa hampandrosoana ny firenena fa tsy io resaka fiaviana sy fireha-kevitra ara-politika io foana no harangaraga eto@ firenena eto refa resaka fampandrosoana no resahina!!
Avealo hanao zay mahavita!!Alalaho ny sehatra hahafahan'ny tsirairay mitondra ny anjara birikiny @fampandrosoana ny firenena!

7. tezitra
(
12/06/2007 11:46)
t'a erdu l'occasion de te taire mon ami JeanKely, là on voit bien que t'es nul, pkoi?:
1) au temps de tsiranana ; madagascar était le seul pays Africain à Revenu intermédiaire, c le Mai 1972, qui a niké tout ça. et on nous parle des PADESM ennemi ; alors qu'on est même pas capable de faire la moitié de ce qu'ils ont fé.
Maintenant k c qu'on fé:
2)Personne n'est magicien , le seul mot clé c la liberté, liberez la parole(liberté politique, pas de prisonnier politique), liberez les energies (pas de monopolisation façon TIKO), liberez la justice
3)s'y a liberté sur tous , y'aura des ajustement naturels, la prospérité reviendra.
ALORS PARLER DES CHOSES CONCRET, car là tu parles de n'importe koi, et perds ainsi l'occasion de te taire
SEULS LES POISSONS MORTS SUIVENT LE COURANT

8. bozyboleta
(
12/06/2007 11:55)
Fa i tezitsa hoa tô tsy miteny gasy mitsy e!
Sa otsizao fôna lefa tezitsa?
Sa otsizao fôna lefa tezitsa?
9. agoago
(
12/06/2007 12:49)
Ny famenoana paosy ny mpitondra dia nampahantra ty madagasikara ity, faharoa an'izay fanaovana fifidianana lava
10. gasynamana
(
12/06/2007 16:37)
Mba sambany aho nahita zavatra mitombina sy misy raison mipetraka tsara nolazain'i tezitra. Merci e.
11. marozevo
(
12/06/2007 19:37)
bozyboleta > Ianao no vahiny eto Jerosalema angamba. Tsy fantatrao angaha fa amin'izao fotoana izao rehefa teny FRantsay (na tsy dia tena mety tsara aza), na teny Anglisy na tenim-pirenena hafa, no ampiasaina dia mino ny olona fa tena marina. Mbola ho avy eo ny Allemand sy ny Poloney fa aza maika ianao.
Fa tandremo raha tsy mampiasa afa-tsy teny gasy ianao, (na dia marina tsara aza ny fanoratra azy) dia tsy azon'ny olona intsony.
Fa tandremo raha tsy mampiasa afa-tsy teny gasy ianao, (na dia marina tsara aza ny fanoratra azy) dia tsy azon'ny olona intsony.
13. Jeankely
(
13/06/2007 01:48)
Misaotra an'i "Tezitra" amin'ilay hoe: "t'a erdu l'occasion de te taire mon ami JeanKely, là on voit bien que t'es nul".
Amin'ny maha "nul" aho dia tsy haiko ny teny Frantsainao ary rehefa nanokatra hevitra aho hoe fa ny any Frantsa ve no tokony hitondra an'i Madagasikara dia namaly koa ilay "bazylou" fa tara aho fa efa 50 taona mahery no nitondran'i Frantsa ary mbola entiny sy ho entiny. Mahay tokoa ianareo amin'ity teny Parantsay saingy lazaiko anao fa ny lova napetrak'izany Frantsay sy Dadabe tsiranana izany no tena fototr'izao gidraka izao. Anontanio ny havanao fa tamin'i Repoblika 1 io ny 3 V no nalaza. Ny dikany dia hoe: Vola, Voninahitra, Vody. Miala tsiny fa teny Malagasy io. Nilaza koa ny namana hoe tsy mijery ny ho avy fa variana ny lasa. Tsia tompoko. Mahay be tezitra fa Omeo tsirairay ny taux de scolarisation, mortality (tsisy accent ny clavier-ko), ny lalana vita, ny isan'ny mpampianatra sy ny sekoly ary ny University. Ka raha voalohany izany i Madagasikara dia mazava fa mbola mitombina ihany fa diso ara-tantara izany satria hoy ianao hoe "hadalana ny nanalana azy izany". Na "nul" araka ny teninao aho ekeko tsarabe ary misaotra anao nahita sy nanoro aho fa efa voalohany ara-toekarena eran'i Afrika i Madagasikara. Mahay nareo ka.

14. Jeankely
(
13/06/2007 06:09)
Aiza ianao ry "tezitra" a. Na "nul" aza izahay manaiky ary mihaino sy mamaky e fa nahagaga fa mbola tsy fantantro koa ity "tezitra" "Prix Nobel d'économie" Malgache ity.Mihaino anao ny nul fa hazavao ihany fa efa lasa lavitra fa simba. Manampahaizana hafa koa ity.
15. bozyboleta
(
13/06/2007 06:15)
Ka efa voa zany Madagasikara raha ny tantara no jerena de ny fanafodiny manatsara ny tantara @ fiheverana ny ho avy, inona no hampandroso de ahoana no ahatongavana @ zany. Aleo ny lasa homba ny lasa. Maro mitsy no variana mitanisa io lasa io, anisan'izany ireo mpanao politika eto @ tanàna.
Izay mantsy zao no anisan'ny miteraka olana eto Madagasikara na @ lafiny politika na toe-karena satria ny mpitondra mitady ze hampandroso, de misokatra @ any ivelany sy manao fifampiraharahana @ firenena maro hafa; nefa ny sasany mitomany sy malahelo ny tantara de midradradradra "lafrantsa reny malala" ihany. Lafrantsa koa moa manao ze ho afany hanakatsankanana an'i Madagasikara tsy hifandray @ any ivelany.
Aleo ny ho avy no hitsara.

16. Jeankely
(
13/06/2007 06:28)
Izaho manokana aloha mahalala fa lasa alavitra "lafrantsa" fa tsy izany mihintsy no midika fa lasa alavitra ireo olona be resaka nefa tsy nahavita inoninona tia "lafrantsa" ireo. Tsy ny hamisavisa ny lasa ary tsisy tombony izany fa ny fandrosoana sy ny ho avy no resahina saingy ilay fitanisana fahantrana sy fijaliana no nahatonga ahy nanambara. Izaho manokana sady tsy mahay teny Frantsay ary tsy menatra amin'izany aho,no tsy tia Frantsay ary mandrisika ny fifandraisana amin'ny firenena hafa. Ny modely Frantsay tsy tafavoakan'ny Malagasy na voalaza ho favy aza. Maro ireo mahay miteny Frantsay ary tsy azonay "nul" izay lazainy sady tsy ilainay koa izy. Tsy miverina eo itsony ialahy fa anay ny tanana.
17. bozyboleta
(
13/06/2007 07:17)
Iee, tena marina ny anao fa lasa lavitra aloha i lafrantsa e!
Fa io koa mitovy @ le hoe tsy ze milaza azy ho mahay e, economist e...tohin'ny voalazan'i Jeankely tary aloha tary de mahay mampita trai-kefa, fa mila fahaizana manokana koa io, sal@ mpampianatra ihany. Misy lasa lavitra nefa tsy mahay mizara, mitovy @ tsy manao ihany. Misy aza manimba mihitsy.
Aleo ny malagasy hihevitra sy hitady ze mahasoa azy fa ny fanampempoana lava ataon'ny mpila ranondranony io tsy mandaitra intsony.
Samia ela velona hotsarain'ny ho avy e!

18. Jeankely
(
13/06/2007 07:24)
Misaotra "bozyboleta" fa izaho koa mamporisika sady mandray anjara na mamafa lalana aza no haiko dia fafako tsara hadio e. Ilay milaza mahay mbola tie hangalatra kano =))