Kristianisma sy ny famadihana!

1. xxx ( 10/06/2007 10:38)
Afaka miaraka ve ny kristianisma sy ny famadihana na ny fomba nataon'ny razana taloha?
Maro ihany mantsy ny milaza ho kristiana nefa manatanteraka ireny fomba isan-karzany ireny ka io no mahalasa ny saiko!
répondu par Lyset le 05/08/2017 14:23
2. Rafotsy ( 10/06/2007 11:29)
Raha kristiana aloha , araka ny hevitro , tokony tsy manao famadihana izany ! Kanefa mety tsy hitovy hevitra amiko daholo ny fianakavina , ary tsy kristiana daholo ! Izahay aloha tsy manao famadihana izany, ka sahala ny mora amiko ny manomé ny hevitro !
3. marozevo ( 10/06/2007 12:23)
Izahay dia Kristianina, ary manao famadihana. Tsy misy olana.
4. Fiffi ( 10/06/2007 12:36)
zah aloha de tsy mamadika zany fa....inona kay no hidiran'hoe kristiana am le famadihana ?
5. marozevo ( 10/06/2007 12:37)
Izany indrindra no mahagaga ahy ry Fiffi ah
6. Fiffi ( 10/06/2007 12:41)
xxx:
Maro ihany mantsy ny milaza ho kristiana nefa manatanteraka ireny fomba isan-karzany ireny ka io no mahalasa ny saiko!
fa hono hoa an ! heu...rehefa kristiana ve de tsy mahazo manao an'zao sy zao ? ny fomba ny tiako lazaina eto an !


7. xxx ( 10/06/2007 14:12)
Ny maha kristiana dia tsy manafoana ny maha Malagasy velively. Toa an'i Kristy niditra tao amin'ny tontolon'ny Jody dia tsy nanafoana ny fomban'ny jody fa niaina tao anatin'izay fomba izay. Io fomba io no nohamasininy tamin'ny alalan'ny fanavaozana azy hahazoana aim-panahy. Noho izany dia azo atao tsara ny mamadika: mamindra ny razana, na mamono ny maty. Saingy ny fomba fanantaterahana azy no tsy mitovy intsony.

Ohatra: taloha rehefa hamadika dia maka dadarabe hamaritra ny andro sy ny sisa. Maro ny fombafomba atao tsy dia tena kristiana loatra aloha, ekeko izay. Ao koa ny fandanina be mihopapana sns... Ireo no esorina sy havaozina, hifanaraka amin'ny Evanjely. Izay no antsoina hoe: inculturation.

Fanamarihana:
- hahatarafana ny finoana ny FITSANGANAN-KO VELONA ny famadihana.

- Mampibebaka ny olona izy ary mampiray ny rehetra. Eo am-pahitana ny vatana zary vovon-tany sy taolana vitsivitsy eo dia maro ny sintom-panahy mahazo ny olona ka mitondra azy hitodika any amin'Andriamanitra.

Ampio izahay ry Jesoa mba hahita anao amin'ny zavatra rehetra. Amen
8. Fiffi ( 10/06/2007 15:47)
angamba kosa le fiantsoana azy hoe "famadihana , mamadika" no noraisiana zavatra hafa ve ?
9. marozevo ( 10/06/2007 15:51)
Ankoatr'io voalazan'i xxx io, izay itovizako hevitra aminy tanteraka, dia manambara koa ny famadihana fa "hafa ihany ny olona". Tsy ny varavaran'ny fasana akory no gara farany, ary ny Razana dia manana ny hasiny.

Anisan'ny endrika iray anehoana fanajana ireo efa nialoha làlana ny famadihana. Io fanajana io dia iombonan'ny olona rehetra, na aiza na aiza, na iza izy na iza. Saingy ny fisehony no samihafa. Ny an'ny Malagasy sasany dia ny famadihana no endrika noraisiny.
10. Fiffi ( 10/06/2007 15:56)
marozevo:

Anisan'ny endrika iray anehoana fanajana ireo efa nialoha làlana ny famadihana. Io fanajana io dia iombonan'ny olona rehetra, na aiza na aiza, na iza izy na iza. Saingy ny fisehony no samihafa. Ny an'ny Malagasy sasany dia ny famadihana no endrika noraisiny.
marozevo: de ahoana akia raha tsy mamadika , na tsy fomban'le olona ny mamadika ? de ahoana io hoe "fanajana" io zany ?


11. marozevo ( 10/06/2007 16:01)
Ho valin'io fanontanian'i Fiffi io, dia hoy aho eo ambony :
Io fanajana io dia iombonan'ny olona rehetra, na aiza na aiza, na iza izy na iza. Saingy ny fisehony no samihafa.

Diniho kely ange e... Tsy maintsy misy fomba hafa any ho any. Tsy voatery ho ny famadihana akory no endrim-panajana.
12. pissoa ( 10/06/2007 16:33)
Marina ny tenin'i xxx 10-06-2007 16:12:43 ankoatra ny resaka fandaniana mihoa-papana izay tsy azoko loatra :-D:-D:-D
13. marozevo ( 10/06/2007 16:55)
Misy tokoa aloha ilay fandaniana mihoam-pampana eh ... Manasa olona zato amby arivo; mamono omby aman'ondry (sy kisoa)be dia be; sns....

Io angamba no tian'i xxx holazaina. Tokony ho lanjalanjaina tokoa io.
14. ikaretsaka ( 10/06/2007 17:30)
Fijeriko ity: mety diso mety ho marina fa tsakotsakoy!
amiko dia marina ilay voalazan\'i XXX manao hoe


Ny maha kristiana dia tsy manafoana ny maha Malagasy velively. Toa an\'i Kristy niditra tao amin\'ny tontolon\'ny Jody dia tsy nanafoana ny fomban\'ny jody fa niaina tao anatin\'izay fomba izay. Io fomba io no nohamasininy tamin\'ny alalan\'ny fanavaozana azy hahazoana aim-panahy. Noho izany dia azo atao tsara ny mamadika: mamindra ny razana, na mamono ny maty. Saingy ny fomba fanantaterahana azy no tsy mitovy intsony.

Ohatra: taloha rehefa hamadika dia maka dadarabe hamaritra ny andro sy ny sisa. Maro ny fombafomba atao tsy dia tena kristiana loatra aloha, ekeko izay. Ao koa ny fandanina be mihopapana sns... Ireo no esorina sy havaozina, hifanaraka amin\'ny Evanjely. Izay no antsoina hoe: inculturation.

Fanamarihana:
- hahatarafana ny finoana ny FITSANGANAN-KO VELONA ny famadihana.

- Mampibebaka ny olona izy ary mampiray ny rehetra. Eo am-pahitana ny vatana zary vovon-tany sy taolana vitsivitsy eo dia maro ny sintom-panahy mahazo ny olona ka mitondra azy hitodika any amin\'Andriamanitra.


Aza ny lafy ratsiny foana no jerena

1)Ny olona nody mandry dia hoe akaikin\'Andriamanitra, na rehefa manao ferapara aza isika dia hoe lasan\'Andriamanitra no fiantsoantsika azy! ny famadihana azy dia mampatsiahy antsika ny oha piainana niainany fony fahavelony
2)Fiffi, raha tsy fomba tsy maninona ka, fa raha fomba koa tsy maninona (amiko io an)
3) raha miteny hoe tsy araka baiboly io dia araka baiboly io ka... ry maria madelenina raha saika handeha hanosotra zavatra ny fatin\'ny tompo anie ka saika hamadika koa raha dinihina e!
15. naughtyboy ( 10/06/2007 17:53)
nisy vahiny nanontany ahy ny momba an'io ko taloha . betsaka tsy itovy hevitra amiko eto fa tsotra ny fanazavainy saiko an'io ,tontolo samihafa ny misy ny velona sy maty ka tsy afangaro
ny rakimpahatsiarovana mitoetra ao ampony ny velona ny mamy navelany reo lasana ka tsaroana foana zay misy no lanjany koko amiko noho ny fandalana reny fomba reny,manatitra vonikazo ngaha de ekeko safidy zay na tsy azo sakanana aza ny hafa anitatra ndray oe manary ny mahagasy:-P
16. tynah ( 10/06/2007 19:14)
Amiko tsy tiako ny famadihana satria mandany vola, vita ny lanonana, ny olona iray tanana voky d mody ny tena lany vola no sady reraka manasa vilia be menaka efa ho 2 sobika be sy vilany feno harom bilany.Maninona raha sokafana fotsiny ny fasana d fonosana dadabe d samy mody avy eo eh! na koa raha te hanao fety d ny samy fianakaviana akaiky ihany no samy ao d manao + , + kely d zay eh!
17. andry44 ( 10/06/2007 19:53)
Bravo tynah=D=D=D
Fa rha @ mahakiristiana,ny hevitro de tsy misy tokony hanovana ny famadihana zany!zao mantsy:eo anivon'ireny famadihana ireny de tsy maintsy misy maka kely ny vovoky ny maty na tsy vovokany aza fa lay tsihy namosana azy iny de entina mody fa hoe hahazoana fahasoavana sy fitahiana!!Fanompoantsampy izany raha @ lalàna kristiana satria @alalan'i Jesosy Kristy irery ihany^:^^:^ no tokony hinoana fa ahazoana fitahiana sy fahasoavana!
18. pissoa ( 10/06/2007 20:12)
andry44:

Bravo tynah=D=D=D
Fa rha @ mahakiristiana,ny hevitro de tsy misy tokony hanovana ny famadihana zany!zao mantsy:eo anivon'ireny famadihana ireny de tsy maintsy misy maka kely ny vovoky ny maty na tsy vovokany aza fa lay tsihy namosana azy iny de entina mody fa hoe hahazoana fahasoavana sy fitahiana!!Fanompoantsampy izany raha @ lalàna kristiana satria @alalan'i Jesosy Kristy irery ihany^:^^:^ no tokony hinoana fa ahazoana fitahiana sy fahasoavana!


:-D:-D:-D
tsisy hoe tsy maintsy izany ka ! Izahay izao manao famadihana fa tsy maka vovoky ny maty akory ! Ny tsihy indray entina mody koa ariana aiza indray moa rehefa mbola azo ampiasaina ?!

Ny fandaniana dia izao : raha zakan'ny fiankaviana ny fanasana fokontany iray manontolo (na mihoatra izany aza), tokony ho olan'ny mpitazana ve izany ? Toy ny mariage ihany io na ny vola lany, na ny raharaha ... Omenareo tsiny ve ny mpanankarena raha manasa olona 600 amin'ny mariaziny ? :-D:-D:-D
Amiko rehefa hain'izy mianakavy ny mifandamina amin'izany, tsy misy ady avy eo ny resa-bola, tsy misy mitafy voro-kitsay ary tsy mifady hanina ry zareo ... tsy hikota ze problem, vola mihodina ho an'ny mpivarotr'omby, mpivaro-damba, mpivaro-pary (hihi) sns io ka hadalan'izay miondana volany fotsiny fa tsy te hiara-mifaly amin'ny iray tanàna !
19. marozevo ( 10/06/2007 20:25)
Ny resaka eto manko dia tsy hoe ny famadihana amin'ny maha izy azy, fa ny famadihana ampiharina amin'ny maha-Kristianina. Noho izany tsy anjarantsika eto ny miresaka momba ny vola laniny sy ny olona nasainy ary na ny fandaminana ao anivon'ny fianakaviany koa aza. Tsy izay no olana eto.

Ilay hoe manatitra voninkazo : Endrika iray hanajana ny olona efa nialoha lalana izany, ka tsy misy maharatsy azy mihitsy fa tena tsara. Raha amin'ny maha fanajana azy izany dia mitovy tsy misy valaka amin'ny famadihana ilay izy.
20. xxx ( 10/06/2007 20:28)

Marina koa ny tenin'i pissoa. Ekeko e!

Misaotra anao!
Ho aminao hatrany anie ny Fahasoavan'Andriamanitra! Amen.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8161