vavaka ho anao
1. paris10
(
08/06/2007 08:38)
Iza no mampamirapiratra ny kintana amin'ny hatsarany
rehetra ?
Iza no mampikoriana ny renirano ?
Ianao koa, tsy mila miady mafy vao tafita amin'ny
fiainana, satria ny tsara indrindra no mendrika ho anao
sady voaomana ho anao
Mifikira amin'izay irin'ny fonao, fa ho tanteraka izany.
Amena !
Ny maso izay mamaky ity hafatra ity, tsy ho tojo amin'ny ratsy
Ny tanana izay handefa ity hafatra ity amin'ny hafa, tsy
ho sasatra foana
Ny vava izay hanonona ny amena aorian'ity vavaka ity,
hitsiky mandrakariva.
Miorena amin'ny fitiavan'Andriamanitra !
Tsy hanjavona ny nofinao
Tsy ho rava ny fikasanao
Tsy ho foana ny anjaranao
Izay irin'ny fonao, dia ho azonao tokoa, amin'ny anaran'i
Jesosy.
Hahafantatra ny anaranao sy ny adiresinao ny fanambinana
alohan'ny faran'ity volana ity.
Raha mino ianao, alefaso amin'ny namanao rehetra ity.
Tsy misy mandeha mantsaka vao maraina ka mitondra rano
maloto mody !
Androany, hadio anie ny fiainanao, hiadana sy
hanelatrelatra tahaka ny loharano vao maraina.
Ny fahasoavan'Ilay Tompo Tsitoha anie hanohana anao,
hampaharitra ary hanome izay rehetra ilainao, araka ny
hareny ao amin'ny voninahitra.
Amena.
Ho andro tsara ho anao anie ity andro ity, amin'ny
anaran'i Jesosy.
Ny sitrapon'Andriamanitra anie tsy hitondra anao na
oviana na oviana any amin'izay tsy hahitanao fahasoavana
sy fiarovana.
Hisy zava-tsoa ho tonga aminao androany, zavatra izay efa
nantenainao.
Tsy vazivazy izany, fa handray ny Tompo ianao ary
hampandroso ny fiainanao amin-kery ny asan'
Andriamanitra tsy azo sakanana.
Fitahiana maharesy ny ozona rehetra no ho azonao amin'ny
anaran'i Jesosy.
Gaga ve ianao hoe nandefasanay ity hafatra ity ?
Androany maraina, nandondona tao amin'ny varavaran'ny
lanitra izahay, ary nanontany anay Andriamanitra :
"anaka, inona no tianao hataoko aminao ?"
Dia hoy izahay hoe :
"Ray ô, arovy ary tsofirano ilay handray ity hafatra ity"
Nitsiky Andriamanitra ary namaly hoe :
"tanteraka ny hatakareo"
Izay nahazo maimaim-poana aoka hanome maimaimpoana, ka handefa ity vavaka ity amin'ny namany.
"JESOSY irery ihany no lalana sy fahamarinana ary fiainana."
Mitondra anareo rehetra amim-bavaka hatrany,
répondu par marozevo le 10/06/2007 20:29
2. Fiffi
(
08/06/2007 08:52)
^:^^:^^:^ =D=D=D misaotra anao ry paris10 fa tena hisy heritreretina tsara indray zany....:)
3. felampaiso
(
08/06/2007 08:59)
Izay mihitsy no tsara antitranterina é : Jesosy Kristy no mitondra famonjena fa tsy ireo karazana antokom-pivavahana miôgaôga etsy sy eroa, izany akory tsy milaza hoe "aza mandeha mamaonjy fanompoam-pivavahana " any am-piangonana isika ilaina ny mamantatra ny fanahy rehetra hoy ny Soratra Masina satria misy fanahy mamitaka ireny ary misy antikristy,.
4. marozevo
(
08/06/2007 09:24)
Androany maraina, nandondona tao amin'ny varavaran'ny
lanitra izahay, ary nanontany anay Andriamanitra :
"anaka, inona no tianao hataoko aminao ?"
Dia hoy izahay hoe :
"Ray ô, arovy ary tsofirano ilay handray ity hafatra ity"
Nitsiky Andriamanitra ary namaly hoe :
"tanteraka ny hatakareo"
Misaotra anaREO. Amin'ny manaraka rehefa mandondona ao amin'ny varavaran'ny lanitra ianareo, dia mba angataho fitahiana koa na izay tsy maharay ity hafatra ity aza, na izay mandray nefa tsy mahatafita, toa ahy.
5. tamberina
(
08/06/2007 11:11)
misotra fa tena nilaiko anio maraina ty vavaka ty!sy ny votohatiny!:-*:-*
7. marozevo
(
08/06/2007 13:13)
Izany hoe tokony hampitaina hono izany ity hafatra ity e... araka ity :
Izaho anefa tsy afaka manao izany.
Izay nahazo maimaim-poana aoka hanome maimaimpoana, ka handefa ity vavaka ity amin'ny namany.
Izaho anefa tsy afaka manao izany.
8. Fiffi
(
08/06/2007 16:23)
hay ve an ! de (tsy hanontany zah hoe maninona an ):)
fa tsara be le vavaka...hampitombo hatrany ny finoana...ny fahitana an'zao.
fa tsara be le vavaka...hampitombo hatrany ny finoana...ny fahitana an'zao.
10. rakouth
(
08/06/2007 17:46)
Misaotra betsaka ny @ le vavaka tena manome hery
maromaroa ny olona tahaka anao mitondrambavaka ny hafa ny TOMPO anie hitahy anao sy ny ankohonanao @
lafiny rehetra
maromaroa ny olona tahaka anao mitondrambavaka ny hafa ny TOMPO anie hitahy anao sy ny ankohonanao @
lafiny rehetra
11. xxx
(
08/06/2007 19:15)
Misaotra betsaka an'ilay nandika io vavaka io teto, efa somary namboariny moa ilay izy, sa ve io no tena izy? Efa nahazo ohatran'io mantsy aho, saingy ery amin'ny farany dia misy soratra tsy dia tena kristiana loatra, ary nilazako fa tsy mba avy amin'ny Fanahy Masina ity zavatra ity fa sandoka, satria ny namaranany azy dia mampanantena fahasoavan-dehibe ho an'izay mandefa an'ilay vavaka amin'ny olona, fa maniry loza ho an'izay mandray azy kosa nefa tsy mizara ilay vavaka, indrindra raha manary azy avy hatrany.
Fa ny teny rehetra tao anatin'ilay vavaka dia ireo rehetra voasoratra ireo mihitsy. Ny hany tsy ao dia izay lazaiko izay ihany. Angamba mba nibebaka ilay namorona azy, na ilay nandray azy no namafa izay hitany fa tsy ilaina.
Mamerina fisaorana anao.
Ho amintsika mianakavy hatrany anie ny fahasoavan'Andriamanitra! Amen.

12. paris10
(
08/06/2007 19:55)
vavaka nalefan'ny zanako ahy io fa tena tanteraka no nizarako azy amitsika sy nampaherezako antsika taminy ka!
13. linarako2
(
08/06/2007 20:32)
paris10:
vavaka nalefan'ny zanako ahy io fa tena tanteraka no nizarako azy amitsika sy nampaherezako antsika taminy ka!
paris10>misaotra anao mizara.Jesosy irery ihany no loharanon'aina.Izy Irery ihany no lalana mankany amin'ny Ray.
Raha tsy misy Azy isika tsy mba hanana fiainana milamina,mifaly,mandefitra ary mitia ny fahavalo.:*
14. rakaroka
(
09/06/2007 05:20)
'za efa nahazo diaporaman'ity tany amin'ny zandriko,
dia naparitako tamin'ny namana araka ny voalaza, ary
nisy tamin'ny namana gasy maro aza "sorena TANTERAKA" fa tsy misy ilany ny toa itony velively hono ary niteny ahy rizareo hoe aza andefasana ny tahaka itony intsony!Tena marina izany!:wink:

15. Fiffi
(
09/06/2007 06:03)
rakouth:^:^^:^
Misaotra betsaka ny @ le vavaka tena manome hery
maromaroa ny olona tahaka anao mitondrambavaka ny hafa ny TOMPO anie hitahy anao sy ny ankohonanao @
lafiny rehetra
16. niryna
(
09/06/2007 06:43)
paris10:
vavaka nalefan'ny zanako ahy io fa tena tanteraka no nizarako azy amitsika sy nampaherezako antsika taminy ka!
Misaotra e,ny vavaka mampiova zavatra rehefa manankina ny fonao amin'Atra tanteraka ianao.
17. marozevo
(
09/06/2007 09:12)
rakaroka > Alefaso aty amiko le diaporama fa raisiko tsara. Tsy mampanantena hanaparitaka kosa anefa aho.
19. rakaroka
(
09/06/2007 14:14)
Marojevo, Fiffi, Maromaro ihanyizy ao izy, ity izao dia tao anatin'ny hoe: " Dieu veut que je te dises!..." .
Ny tsara angamba dia alefaso aty ny mail-nareo dia ataoko faire suivre fotsiny...
tsy quoi izany fa avec plaisir aza!:lol:
Ny tsara angamba dia alefaso aty ny mail-nareo dia ataoko faire suivre fotsiny...
tsy quoi izany fa avec plaisir aza!:lol: