Niteny i P. Urfer Inona amin'izay ny marina

1. hery ( 24/05/2007 15:08)
Hita tamin'ny gazety tamin'ity herinandro ity fa niteny i P. Sylvain Urfer ary nilaza ihany koa fa tsy fantany ny antony nandroahana azy.

http://fr.groups.yahoo.com/group/serasera/message/28411
http://fr.groups.yahoo.com/group/serasera/message/28428
http://www.midi-madagasikara.mg/textes/po070524.htm#pol2

Efa samy niteny izay ny andaniny sy ny ankilany koa tsara amin'izay raha atao fanta-bahoaka ny tena marina. Mba hialana amin'ny honohono sy ny famoronana tsaho.

Tsy misy antony hanafenan'ny fanjakana an'izany intsony raha tsy hoe angaha raha vao avoaka ilay afera dia misy zavatra hafa mitsikafona ka hahavoasingotra olona hafa (ohatra hoe minisitra na maire taloha)

répondu par xxx le 30/05/2007 13:07
2. fijo ( 24/05/2007 19:03)
amiko indray tsy hoe satria nikorontana ny kato sy ny voaroaka di ahoe tsimaintsy hanazava ny fitondrana.mahazo mitabataba ny rehetra,fa mato aizay natao dia misy antony tao.ka io tsy voatery hanazava azy ny fitondrana.zoany io ka avelao hampiariny raha tiany.

ndao mba hitady fanazavana ny tsy fanomezana visa ny gasy te hivoaka koa de jerena raha hanome fanazavana ny frantsay
3. dasy ( 24/05/2007 21:33)
namaky miadana ny soratry ny pretra sylvain u... aho, araka ny filazany dia mamoroporona ( mandainga ...) ny filohan'ny repoblika malagasy. Ka raha marina izany inona indray no hitadiavany hiverina aty @ tanana izay manana mpitondra tsy milaza ny marina.
4. jefra ( 24/05/2007 21:42)
dasy> Aza matahotra ianao fa raha mbola Ra8 no prezida tsy ho tafaverina any azy...

Fa dia tena tsa maty ambavany marina i lery. Ito ny interview-ny androany, azo henoina sur RFI:invité Afrique. http://www.rfi.fr/francais/actu/articles/089/article_52092.asp
5. fijo ( 24/05/2007 22:25)
avelao hivovo eo fa fomban'ny tsy mahita atao izay
6. naritsimba ( 25/05/2007 05:15)
Tsy manan-kolazaina fa resaka pôlitika io, izaho manokana efa ela no niteny ny tsy mety satria izay no maha malagasy ahy, koa asakasak'izay minia mikipy eo anatrehan'ny tsy ara-dalana sy ny tsy rariny ary indrindra ny tsy fahamasinana sy ny tsy fahamasinana izay dradradradraina lava ho tarigetra nefa ny ataon'ny tanana hafa ny lazain'ny vava hafa.
Aoka tsy ho sodokan'ny tsara ivelany fa mahaiza mijery @ maso tsy miangatra dia ho hitanao fa mihaingo ambony tsikoko isika malagasy manana filoha hendry sy mivavaka tahaka an'i Ravalomanana.
7. naritsimba ( 25/05/2007 05:16)
Tsy manan-kolazaina fa resaka pôlitika io, izaho manokana efa ela no niteny ny tsy mety satria izay no maha malagasy ahy, koa asakasak'izay minia mikipy eo anatrehan'ny tsy ara-dalana sy ny tsy rariny ary indrindra ny tsy fahamasinana sy ny tsy fahamasinana izay dradradradraina lava ho tarigetra nefa ny ataon'ny tanana hafa ny lazain'ny vava hafa.
Aoka tsy ho sodokan'ny tsara ivelany fa mahaiza mijery @ maso tsy miangatra dia ho hitanao fa mihaingo ambony tsikoko isika malagasy manana filoha hendry sy mivavaka tahaka an'i Ravalomanana.
8. kally ( 25/05/2007 07:08)
Io hoy aho n'iza n'iza hitondra eo tsy misy ny tonga lafatra raha tsy izany i lany 100% . Fa ny mpanohana aza manohana be fahatany fa manjary midoboka any an-kady no iafaràna, ny mpanohitra koa aza manohitra be fotsiny hoe tsy tiako tsy tiako ka hosorako fotaka, mahaiza mijery amin'ny maso tsy miangatra, dia aza manofy atoandro loatra hoe hisy fahagagana.
9. gasynamana ( 25/05/2007 11:19)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 25-05-2007 00:25:55
Lohateny : Re : Niteny i P. Urfer Inona amin'izay ny marina
avelao hivovo eo fa fomban'ny tsy mahita atao izay

Izao de fanalikana olona tsotra izao. Fa angaha moa ianao io mba manana fahendrena toy inona e?
Mba vakio tsara io lazain'i Kally io. De mba mandiniha fa aza manao loham-boto ohatra an'io. Ohatra ny olona tsy mba nianatra rangaha koa.
10. Stone ( 27/05/2007 21:36)
Ny consulat de france dia tsy voatery hilaza ny antony tsy hanomezana visa olona iray. Io fomban-jareo io ihany no naverina t@ cas Urfer, ka inona ny pb i Gasynamana?
11. xxx ( 28/05/2007 09:25)
Miezaka mi-justifier ilay expulsion ianareo fa tsy vendrana akory ny olona. Izay no ilazako hoe : mba sokafy io maso tsara io maso io.
12. lamie ( 30/05/2007 06:15)
mahavariana koa isika!nahoana no dia anaovana resaka be eto ty urfer ty!tadidinareo ve i dadah ao @ mahaleo?doktera, miasa tsara zao lery,naka sary ny frantsay, mpanao gazety io fa nisy "manifestation",hita tao i dadah, avy dia nalehany tany ampiasany, nanontaniana oe "ianao ve io?" nanao eny, avy dia tany cdg,mody!!!tsy nahatondra na lobaka 1 aza, zara fa nahazo niantso ambadiny nilaza oe "iny aho no lasa!"dia zany koa no maha sarompiaro ny malagasy,ny vahiny raha te hijanona dia tsy mahazo mitsabaka @ raharahampirenena itoeranao,anjarantsika ny misaina @ izany fa tsy mitsikera be ny fitondrana toy io!
13. pimaso ( 30/05/2007 07:23)
ny marina tsy mba maty,
fa aleo ny FFKM no haneho azy,
;-)
14. Jeankely ( 30/05/2007 07:37)
Ho hita izay tompon'ny marina e. Aleo ny marina no anjaka fa tsy ny marina sandoka.
15. xxx ( 30/05/2007 13:07)
tsy nahalala io nanjo an'i dadah io tsinona ny ffkm koa!efa niala t@ fanjanahana isika ka na inona lazain'ny ffkm eo dia tsy misy olona avy @ firenena hafa mahazo miditra na mitsikera ny raharahan'ny madagasikara e!mandehana izay sahy manaraka manifestation any ivelany e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0705