tratra ambodiomby

1. xxx ( 24/05/2007 12:58)
Ahoana indray ity ? Dia tsy ampy ve ny vady aman-janaka e no dia tratra niraikitra ambodiomby ? Filan-dratsy sa aretina sa fitaran-tsaina sa ? :

Andramasina. Lehilahy tena niraikitra… ambodiomby !
24-05-2007 / 08:54
Nanao firaisana tamin’ny ombivaviny ilay raim-pianakaviana. Asa izay zava-niseho fa dia niraikitra teo ary niantsoana dokotera mihitsy vao afaka.

Ity ilay tena tonga amin’ny fitenenana hoe : « tratra ambodiomby !». Tsy nisy nahafahany niala intsony fa dia hitan’ny mpiray tanàna ilay raim-pianakaviana nanao firaisana tamin’ny ombivaviny. Niraikitra tao amin’ny ilay ombivavy rangahy ary niantsoana mpitsabo mihitsy vao afaka. Tany Andramasina tany no nisehoan’ity tantara mahatsikaiky sady mahamenatra ity, tamin’ny faran’ny herinandro teo.

Raim-pianakaviana manam-bady aman-janaka ity lehilahy ity. Fianakaviana tantsaha ry zareo ary manana omby maromaro. Toy ny fanaony isan’andro dia mandeha miandry omby rangahy ary ny tolak’andro vao miverina. Tamin’io andro io anefa, tsy nody niaraka tamin’ny omby rangahy, ny andro anefa efa niha-maizina. Nitaintaina ny tao an-trano sao notafihan’ny dahalo na nisy zavatra hafa nanjo azy, ka natao ny fikarohana. Nalefa ny fitsofana kiririoka sy ny hazolava. Samy nikaroka avokoa ny iray tanàna. Hita tokoa rangahy tao anaty kirihitra ala, somary lavidavitra ny tanàna, saingy miraikitra amin’ny ombivaviny. Nafatony ny omby ary nanao izay nataony teo izy. Nosintonin’ny olona saingy tsy afaka mihitsy. Hany herin’ny fokonolona, niantso dokotera, ka ilay mpitsabo no nanao izay tokony hatao rehetra teo vao afaka teo amin’ny ombivaviny ilay raim-pianakaviana.

Asa na efa fanaon-drangahy ity filan-dratsy amin’ny biby fiompy ity na vao sambany izao, fa dia afa-baraka tanteraka ny fianakaviana iray manontolo. Sady maharary no mahamenatra !.

Aina

©Midi Madagasikara
répondu par menalamba le 30/05/2007 09:19
2. dongadonga ( 24/05/2007 20:26)
henjana idray izany klé ,fa taiza hono le toerana?
3. sympa ( 24/05/2007 21:00)
=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))
:-$:-$:-$ ry sympa an :!: :-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
Tsy meme loza ao fa tena tsy tantoko marina kle :-D:-D:-D =))=))=))=))=))
4. ari.malala ( 25/05/2007 11:54)
andrekaky ooooooooooooo! :-D:-D:-D:-Dfa d loza in!!!!!!:-D:-D:-D
5. Imahaka ( 25/05/2007 12:52)
xxx 8-)
6. sympa ( 25/05/2007 16:01)
=))=))=))=))=))=))
7. tslem ( 26/05/2007 07:18)
:roll:loooza zany marina , fa d nahoana lôtra re? :idea::idea:
8. menalamba ( 26/05/2007 11:54)
Fa tena marina vé izany sa angano é?Hoatry ny tsy mampino ahy,dé ahoana koa no fomba nanaovany izany satria ny vodin'ny omby ery ambony bé ery,dé ahoana
koa no inoana hoe niraikitra teo ilay olona avy eo??Tsisy mpaka sary angaha hono
tany mba nahitana marina izany?:roll::roll::roll:
9. Fiffi ( 26/05/2007 20:41)
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Grands_Smileys/non-fache.gif[/IMG] aleo hiany mitandrina am zay lazainy gazety.....
10. menalamba ( 30/05/2007 09:19)
Fiffi>Marina loatra ny voalazanao,fa raha mpanao gazety mahay ny asany tsara
no nanoratra io dia fara-faharatsiny izy nandeha nanadihady ilay mpitsabo voala
zany fa nanala ilay rangahy niraikitra teo @ omby,ankoatr'izay amiko dia dokam-
barotra mba hividianan'ny olona ny gazetiny fotsiny ihany.:twisted::twisted:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.311