Fitiavana tanindrazana hafahafa
1. Jeankely
(
23/05/2007 06:33)
Raha tafaresaka tamin'olona vahiny aho dia izao no mba fahitany azy ka mba zarako. Ianareo hoy izy tsy lasa alavitra satria "tsy ampy zavatra maro ary tsy nandalo zavatra maro ka ny ady antrano sy ny vava no tena mandeha. Ohatra hoy izy, manana General, Amiral, Colonel, manamboninahitra marobe nareo nefa ireo dia tsy nahalala izany hoe "WAR" ady antitra tsy nahita "Guerre". Ankoatra izay ny manampahaizanareo iza no nahatafavoaka "Formule" na nanao "Invention" nefa mihomehy ny sasany ary miseho mahay be daholo. Ny olona niaina tamin'izany "WAR, Guerre" izany hoy izy mahalala tsara hoe tanindrazana satria notafihan'ny sasany ary maty ny rahalahy, ray amandreny sy ny sisa, koa raha misy izany any aminareo dia mino aho fa nareo samy ianareo no mifampitifitra ary resy be nareo. Izay no fitiavanareo ny tanindrazana hoy izy. Menatra aho re olona.
répondu par Jeankely le 27/05/2007 13:33
3. nikopol
(
23/05/2007 07:49)
aiza no tokony hahamenatra ? efa complexé koa rajean zany, na marina io hevitra io na tsy marina tsy hitako ze tokony hahamenatra ...
4. sonwin
(
23/05/2007 08:13)
Jeankely:
Ankoatra izay ny manampahaizanareo iza no nahatafavoaka "Formule" na nanao "Invention" nefa mihomehy ny sasany ary miseho mahay be daholo.
Tsy tokony ho menatra ianao satria ilay olona miresaka aminao ny fahitako azy dia tsy dia maharaka loatra.Tsy adalan'ireo kely maso sy tandrefana akory ny mamatsy vola ny mpikaroka sy ny avaram-pianarana Malagasy!
5. Jeankely
(
23/05/2007 09:53)
Anisany mba nahazo Bourse Post-U koa ny tenanay rahavana fa ny fantako dia maro eto no mifandrombaka milaza ny fahantran'ny Malagasy nefa manoratra amin'ny teny Malagasy. Tsy izaho no anoro ireo manandoha ireo fa misy ny vahiny mahay mamaky teny Malagasy ary manarakaity resaka serasera ity. Aizamoa no tsy tonga saina rehefa tenen'ny olona hoe vizanabe ny seraseranareo. Tsy ny fahaizana tonga alavitra be angamba no hanomezana vatsimpianarana fa arak'izany vatsy izany hanampiana mba hiakarana. Eny e, mety ho izaho marina no donto tokoa ka malahelo sy menatra rehefa misy Malagasy maniratsira Malagasy. NY President afaka miala saingy ny fahazarana mifaniratsira sarotra esorina.
6. Aino
(
23/05/2007 10:14)
Ianareo hoy izy tsy lasa alavitra satria "tsy ampy zavatra maro ary tsy nandalo zavatra maro
na ho ela na ho aingana dia indray andro any izy tsy maintsy mbola ho tafarina eh!!
7. Jeankely
(
23/05/2007 10:23)
Izaho manantena ary miasa ahatratrarana izany amin'izay tandrify ahy saingy milaza zava-misy amin'ny resaka fanimbana toe-tsain'olona eto. Olona any andafy tsy maharesy vazaha akory any amin'ny misy azy any nefa milaza ho tena mahay manaratsy io Madagasikara io foana. Tsy anisany aho ary hita amin'ny rsako teo loha izany. Ny stirairay no miasa mafy fa tsyny President ihany akory. Tsy misy minomino foana izany fa kosa mino ny ezaka ataonao ianao.
8. bozyboleta
(
23/05/2007 13:23)
Ny hevitry ny "Fitiavan-tanindrazana" mitsy no tsy fantatry ny Malagasy maro na niniana tsy nampianarina azy mitsy, na koa hodian'ny sasany tsy fantatra.
Hita taratra izany amin'ny dinika ataon'ny sasany eto ze misy tena mamingavinga ny malagasy mitovy aminy (pauvre gasy hozy le raikalahy ato @ serasera zay). Za de mamerina fôna fa tsy ho vaza na oviana na oviana. Na vaza taratasy aza, ny tsinay mainty efa gasy. Teraka gasy, maty gasy. Miteraka mbola gasy ihany na hoe safiotra aza.
Maro ireo mpisera eto no tena manao valalan'amboa ny Malagasy mitovy @ sy i Madagasikara niaviany. Fa tian'ny vahiny ve nefa izy manao zany?
Tsy ny mpitondra no i Madagasikara, ka raha tsy tianao ny mpitondra, ny tanindrazana tsy tokony ho tsinontsinoavina zany mitsy.

9. anahely
(
23/05/2007 13:26)
Mialatsiny fa somary ho lava ny fanazavako fa manindrona ahy loatra ilay resaka.
Hoy i Jeankely hoe: "tsy ampy zavatra maro ary tsy nandalo zavatra maro ka ny ady antrano sy ny vava no tena mandeha.
Izao no azo ambara:
Tsy haiko aloha nareo miresaka ireo na miaina eto Dago na any ivelany satria tena tsy misy mahavaha ny olana ambaran-drajeankely mihitsy, eny fa na dia i Jeankely mpilaza koa ary toa manaiky be fahatany ny lazain'ny vahiny fotsiny. Izao no marina momba io fehezan-teninao eo ambony io an, 1° inona aloha ilay zavatra maro tsy ampy, fa raha ny fahazoako azy dia hoe: tsy nozarina hiresaka sy hifanakalo hevitra ny gasy, ka izay no mampisy ny dialogue des sourds eto Dago. 2° ary zay no mahatonga ilay ady an-trano sy mahatonga ilay vavabe mandeha, satria misy olona 1 na maro², mpitarika pôlitika, ny mpanohitra mba te hiteny sy hanoro hevitra nefa misy be marenina tsy hihaino sy hanaraka ny toro-hevitra mba omen'ny sasany. Ka marina raha miteny ny vahiny hoe tsy ho lasa lavitra isika satria mba mahay miteny ery ny filoham-pirenena hoe ovay ilay toe-tsaina nefa izy indrindra no mila miova satria mila mihaino, ary mandinika tsara fa tsy miteniteny foana, toy ny fanaony mahazatra.
Dia hoy indray i Jeankely hoe:
"Ankoatra izay ny manampahaizanareo iza no nahatafavoaka "Formule" na nanao "Invention" nefa mihomehy ny sasany ary miseho mahay be daholo.
Dia izao indray no azo ambara momba iny:
Sao dia tsy fantany fa manana malagasy mampianatra any @ Oniversité any Amérique isika ary vao 9 taona sa 11 taona monja izy dia nahazo ny mari-pahaizana baccalauréat ary mbola maro ny malagasy toa izany fa saingy tsy mba misy mahafantatra satria tsy omena laka ny malagasy.
Izao no azoko ambara anao, maninona ianao no menatra? satria ianao tsy mba miezaka mahafantatra ny tantaran'i Gasikara ka tsy manana hevitra anoherana ireo vahiny mitsikera be fahatany ny malagasy. F'anga mihevitra izy fa any Frantsa dia hoe manam-pahaizana. Mahay ny gasy fa ny fitaovana entiny manitatra ny fahaizany no tsy misy na aoka atao hoe: ny pouvoir d'achat no ambany ka tsy ahafana mihetsika.
Aza menatra ranamana ary mahaiza mandresy lahatra, fakafakao ny tantaran'ny tanindrazanao mba tsy hanambanian'ny hafa anao.

10. xxx
(
23/05/2007 14:09)
izaho indray aloha manao hoe aza tonga dia aloa ilay zavatra lazain'i Jeankely fa tsara jerena ihany
jereo tokoa anie hoe aiza/oviana/ahoana no tena fisehon'ny fitiavan-tanindrazana @ malagasy ankehitriny ? toa mifanambaka, mifamono , mifampitsikera fotsiny
indraindray koa toa be tsy andraofan'ny firenena ny mana-mpahaizana malagasy , mety tsy faute-ny fa noho ny circonstances. Misy any Amerika hoy nareo, qui en profites ??? Midika ho inona ho an'ny fampandrosoana an'i M/car moa izany hoe olona lasa any ananona any tsy hiverina
Betsaka koa no hitako be fierté fotsiny amintsika fa tsy misy action : culture ve sa vokatry ny fanjanahan-tany/tsaina
eritreritra iny ny ahy fa dia samia mandinika ihany

11. xxx
(
24/05/2007 13:29)
anahely:
Mahay ny gasy fa ny fitaovana entiny manitatra ny fahaizany no tsy misy na aoka atao hoe: ny pouvoir d'achat no ambany ka tsy ahafana mihetsika.
raha tena mahay ny gasy dia hitany ny hi contourner-na io pbm io . Na mahay théorie fa tsy manana sens pratique sy sens des affaires
Mba tsy tiantsika ery ny atao hoe "tsy mahay" a, nefa mahay mirefarefa isika ka sarotra atao hoe manakory
12. fijo
(
24/05/2007 22:28)
mety homarina hoe tsy nisedra ady isika,fa laviko ny hoe mila izany vao ahatsiaro fitiavana ny firenena.
13. jpapoozy
(
25/05/2007 22:21)
Tsy ny mpitondra no i Madagasikara, ka raha tsy tianao ny mpitondra, ny tanindrazana tsy tokony ho tsinontsinoavina zany mitsy.
Aza menatra ranamana ary mahaiza mandresy lahatra, fakafakao ny tantaran'ny tanindrazanao mba tsy hanambanian'ny hafa anao.
marina daholo ireo voalaza ireo=D=D^:^=D
14. Jeankely
(
27/05/2007 13:33)
Misaotra betsaka fa maro ny hevitra azo raisina. Raha nilaza aho hoe menatra dia ny fifanaratsiana eto no resahiko. Ao no mameriberina ny hoe "Pauvre Gasy", "raha tia hanary vola mankanesa any Madagasikara", "mbola PMA" sns. Tsy fantako iza no tsy menatra ary sahy miseho ho fatratra amin'ireo resaka ireo. Namaly io mpanoratra io foana aho saingy toa izaho indray marina no manaraka ny fiaingany ka dia mihezaka ny tsy hiditra amin'ny loha-hevitr'io mpanoratra io aho na tena mangirifiry amiko aza ny fiteniny. Teneniko anareo fa ny fanimbazimbana firenena dia tsy misy azafady fa mampamangy raha izaho manokana. Tsy miaro ny mpitondra aho saingy milaza ary manamafy fa tsy tsara na ahoana na ahoana ny mifaniratsira. Ny fifanajana tsy midika fa fanarahana ny tsy mety ataon'ny hafa. Izay zavatra rehetra avaoka sy hezahina hatao koa dia ny tsikera sy ny fanebatebahana no mandeha aloha. Koa izay ve no teny porofon'ny fahaizana sa ahoana?