tsipolitra ery an-taningazana

1. verokely ( 21/05/2007 11:27)
salut , za oa tena tia be an'io hira io ka ra mba manana ny tonony ianareo dia mba omeo aho , tsy haiko ny titre fa zao no hahaizako azy , efa nirain'i bodo izy io t@ tana in love ,dia misotra mialoha
répondu par Fiffi le 23/05/2007 20:41
2. xxx ( 21/05/2007 11:38)
tsy tsipolitra ery an-tany ngazana aho
ka hiatsampy @ olo-mandalo
tsy maniry fanambatambazana
Fa Fitiavana tsisy takalo

Zany elatra no enti-mikopaka
Lalan-kafa no ndeha mba hizory
Fa ny aty, tsy mba taitra koropaka
Toa voahirana anaty kamory (2)

... asa raha misy tohiny fa io no nahaizako azy
3. xxx ( 21/05/2007 11:40)
kay nisy tohiny ka ...

Tsy hiraraka mantsy ny vintana
Ka ho valaka foana ny maso
Ny anjara voatendrin'ny vitana
Tsy handositra anao fa andraso
Ny anjara voatendrin'ny vintana ô
tsy handositra anao fa andraso

Vita tompoko


4. rabilabila ( 22/05/2007 21:03)
Fanintsina kely:
Kintana fa tsy vintana:oops:
Misaotra
5. Fiffi ( 23/05/2007 20:41)
hay ve zao le tonony eh ! nahavariana anaha indray io an !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0517