hira tendry gasy

1. xxx ( 15/05/2007 12:16)
izaho mba maniry hahay hitendry ireny hira atao hoe "tendry gasy" ireny @ piano , sao mba misy afaka hanampy ahy . Misy naoty ve izy ireny sa dia intuitif fotsiny ?

Ohatra afindrafindrao, kalon'ny fahiny ireny

(PS Mahay miteny piano classique aho, dia mamaky naoty koa izany moa )
répondu par Fiffi le 18/05/2007 19:02
2. Fiffi ( 15/05/2007 12:33)
xxx:
izaho mba maniry hahay hitendry ireny hira atao hoe "tendry gasy" ireny @ piano , sao mba misy afaka hanampy ahy .
heu....de raha mba misy afaka manampy anao de ahoana ? enao aza miafina am xxx de ahoana zany ? :roll:


3. xxx ( 15/05/2007 14:07)
Fiffi angaha afaka manampy ahy ?
4. Fiffi ( 15/05/2007 20:48)
heu....manana hiany aloha zah an ! fa misy namana koh nge toa efa hitako teto hoe manana an'ireny an !
5. lapino ( 16/05/2007 14:17)
Raha mahay mitendry classique ianao, dia tokony tsy dia ho sahirana loatra intsony mianatra an'ireny: mihaino dia mamerina.
6. xxx ( 16/05/2007 14:37)
lapino:

Raha mahay mitendry classique ianao, dia tokony tsy dia ho sahirana loatra intsony mianatra an'ireny: mihaino dia mamerina.



Toa tsy dia marina loatra amiko io ka , hitako hafa ny tendry gasy, na ny saina no efa voafehin'ny partition dia tsy mahita hoe ahoana no hanaovana azy. Tsy artiste né koa ny tena fa mba nianatra fotsiny

Manandrana ihany aho, afindrafindrao ohatra, fa toa tsy ohatran'ny tena tendry gasy ireny ny fahenoako azy

7. lapino ( 16/05/2007 15:09)
xxx:
na ny saina no efa voafehin'ny partition dia tsy mahita hoe ahoana no hanaovana azy.
Ny anaovako hoe tsy tokony ho sahirana loatra ianao, dia satria efa tafapetraka tsara eo ambony clavier ny tanana, sady efa delié sy mahay doigté tsara.

Ny sisa tsy ampy aminao izany, dia :
- ny haino : mi-identifier feo (note sy/na accord)
- ny mitendry izay feo tianao haneno
Ireo manko hatramin'izay nomen'ny partition daholo foana.

Ny torohevitro aminao tsotsotra dia :
- mamerina mitendry ny melodian'ilay hira (tendry tokana), mora kokoa io amin'ny piano
- mianatra ny b-a-ba an'ny arrangement ( http://serasera.org/tahiry/index.php?rub=tahiry/tahiry&t_id=t4423aa4c241b4 sao mahaliana anao)
- mitendry hira izay misy tondrom-peo ao amin'ny tononkira (reveo amin'ny piano raha tsy mety ny gitara)
- miezaka maka ny toe-po sy feeling entin'ny hira tendrenao

Somary ohatra ny fianarana ambony tamboho izany e. Efa tombony be ho anao ny mahay classique, fa zany hoe ataovy ohatra ny hoe miverina debutant, kanefa tokony tsy hanahirana anao noho ny tena debutant. Rehefa mizatra tsikelikely an'ireo ianao, dia tonga ho azy eo tsy tsarotsaroanao akory ny tohiny :)

Momba ny tendry gasy, toa tsy mbola nahita boky na partition an'ireny mihitsy aho. Bokin'i Etienne Ramboatiana (Bouboul) no misy tsotsotra mampiasa naoty, fa bokin-gitara. Ary ny tendry gasy koa manome liberté kokoa ny mpitendry hanisy filatrolatrony, izany hoe be ihany ny improv.

Ka ny tsara raha hianatra tendry gasy, dia ny mianatra mitendry aloha, avy eo mitendry gasy :wink:
8. fijo ( 16/05/2007 21:16)
hoantsika zatra nianatra gitara taty aloha amin'ity zatra mampiasa partition ity de manahiran atokoa ny mitendry raha vao tsy eo ambany maso io.
izay no hizarako hoe mianatra mitendry tsy misy an'io koa fa tsy tiako le hoe mahay gitara nefa mila misy boky foana eo ambany maso vao hafaka hilalao
9. melody ( 16/05/2007 21:26)
izaho re-olona tsy mba mahay mitendry n'innn kou, mampalahelo o:)
10. mabloo ( 16/05/2007 22:43)
Marina daholo zany ry zalahy ah!zao e!
eo ny partition fa zao, alefaso le feeling de mino aho fa hoadino hoazy iny e!mi improv e!
andramo e!
11. Fiffi ( 17/05/2007 07:44)
fijo , lapino: misy koh le mahay hoe "jouer à l'oreille" de io toa afaka mitendry na inn na inn le mozika hono ? :roll:
12. melody ( 17/05/2007 08:22)
mabloo: na dia halefako aza ilay feeling rehefa tsy mahay atsimo sy avarata ve homety?
13. hira ( 17/05/2007 12:11)
tena marina ny an'i XXX fa tsy voatery hoe mahay classique dia hahay hanao bà gasy, fa tena misy spécificité be ny bà gasy ary raha mahay théorie tsara nareo dia presque tous les bouquins de rhytmique manisy remarque kely momba ny rhytme malgache. pour commencer aloha dia aza sodokan'ny zesta kely partout fa tazomy tsara ny mélodie de base. matetika ny main droite dia melodie fotsiny, fa avec plusieurs sons foana, izay tianao hatao tierces, sixtes, quartes etc... ny main gauche no tena mitondra ny rehetra, ary ny @ bà gasy irery io no tsy mi accompagner fotsiny fa mitondra mélodie koa. Zany hoe sady manao basse varier-na sur deux octaves au moins (mandihindihy be ny tanana an!) dia avy eo mitsaingoka kely mitondra mélodie @ octaves ambony tokony hoan'ny main droite. Ny ahy aloha dia izay ny nianarako e, avy eo après avoir écouté les chansons en boucles dia tonga ho azy ny feeling. Fa toy ny classique ihany io, ça paraît facile rehefa tsy mahay, mihaino fotsiny e bla bla bla fa mila bases io na tsy manoratra solfège aza ny compositeurs gasy
14. Fiffi ( 17/05/2007 16:58)
solfège henarana zany alohan'hitendrena na de mahay mi-jouer à l'oreille aza.....
15. xxx ( 17/05/2007 18:34)
lapino >>> misaotra betsaka @ torohevitra sy ilay pejy momba ny accord, ilay tohatra iny tena ilaiko . Efa mpampiasa matetika ny tondrom-peo n'ny serasera aho , mikitika gitara kely koa (kely noho ny piano no ataoko @ gitara)

rehetra >>>
Efa manao ihany anie aho fa hitako toa "maivana" izany ilay tendreko e, asa maninona loatra. Efa mba manao ireny Railovy tsotsotra ireny, na Bessa na Henri Ratsimbazafy . Nanandrana Naly , dia io lazain'i "hira" io , ilay zesta kely dia tsy ao amiko satria tsy dia artista aho , fa efa miezaka aloha e. Rehefa misy olona mandalo mitendry dia taitra kely aloha, dia matetika somary mahita fika kely indray (kely fotsiny) dia miandry mpandalo hafa hanampy ... mila échange @ efa manana trai-kefa

Efa hitako izao hoe namana iza no hanontaniako momba ny mozika

Hafa mihintsy ny main gauche @ tendry gasy ny fijeriko azy, Octaves 2 foana tokoa minimum, fa ilay arpège t@ classique toa manampy koa

Dia mitsiriritra ireo nianatra ambony tamboho tokoa :-)

Misaotra anareo rehetra e, mety mandefa hafatra aminareo aho raha tsy mahadiso

16. mabloo ( 17/05/2007 20:19)
marina tokoa anie hoe reny mpitaingi-taboho reny tena misy mahay e!
matetika ny bà gasy aloha sofina no tena ampiasaina e!fa efa misy ny partition fa hita hoe tsy mitovy an'ilay original le izy!
toro hevitra fa zay no ataoko hoe henoina foana ny morceau iray de mivoatra tsikelikely lay fitendry azy!!
mazotoa e!
17. fijo ( 17/05/2007 20:27)
ie,ny arpège sy ny hakingan'ny tanana amin'ny clasika no tena hilain amain'ny ba gasy.ny ahy moa tsy piano no ampiasaiko fa gitara fa ita tokoa io.

misy namana azo resahina sy hafaka mifanampy tsara ato rah amozika ka.ikaretsaka koa ao tsara raha gitara sy piano.
18. Fiffi ( 18/05/2007 19:02)
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Grands_Smileys/3d-guitare-coeurs.gif[/IMG] io aloha mahay mitendry eh ! :-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1661