hay moa izany misy sehatra matahotra fandrosoana

1. Jeankely ( 14/05/2007 02:54)
Dia tena gaga sy talanjona aho mahare tenin'olona mipetraka andafy sasany, averiko ihany sasany, fa tsy tokony handeha mafy ary alefa miadana fa hazakazaka be loatra ary tsy araka. Ka raha izao tokoa no manaraka ny tena fanalalahana ara-toekarena ve tsy hoe aleo mihintsy indray aloa hidiana fa maty eto izahay. Lazao mazava ny olona hoe handroso sa hiverina sa aleo amin'izao aloha. Rehefa mandroso dia mandroso, izay maty sy manjavona manjavona fa mandroso. Asa tsy mba nandalo izay "guerre" izany tokoa angamba ny Malagasy araka ny tenin'olona vahiny hany ka ny vava no be dia be ary ny Malagasy indray no mitabataba mitady hanao dia miverina. Mafy ny mitady lalana handrosoana ary tsy mora fa mbola tsy nisy nampanao "Kamikaze" anao ho an'i Madagasikara. Ny lehilahy eny fa na zazakely, vehivavy mandray basy dia mahalala tsara izany fitiavana Firenena izany ary sarotiny raha mikitika ny anaran'ny fireneny..
répondu par Jeankely le 16/05/2007 03:38
2. Jeankely ( 14/05/2007 06:08)
Toa hoe zatra ny tsy misy enjana mifaninana aminy hono ny "Secteur Prive" Malagasy ka mifarirotra ary misy aza hono tezitra raha amboarina ny lalana satria samy afaka mitatitra vokatra daholo ny rehetra dia tsy izy irery intsony no manjaka amin'ilay faritra. Tsy izany kosa no dikan'ny fifaninanana an?
3. kally ( 15/05/2007 12:34)
Ny fandrosoana dradrainao rajeankely aloha hatreto dia mandeha ila ihany. Izay no tsy mampety azy. Iza moa no tsy ho faly raha mandroso sy tafasondrotra ambony ny fireneny? Saingy raha fandrosoana ho an'olom-bitsy aoka ihany fa misaotra betsaka.
Rehefa fandrosoana manilika ny vahoaka dia aoka aloha!raha fandrosoana iarahana dia izay no izy.
4. rakaroka ( 15/05/2007 17:49)
kally:

Ny fandrosoana dradrainao rajeankely aloha hatreto dia mandeha ila ihany. Izay no tsy mampety azy. Iza moa no tsy ho faly raha mandroso sy tafasondrotra ambony ny fireneny? Saingy raha fandrosoana ho an'olom-bitsy aoka ihany fa misaotra betsaka.
Rehefa fandrosoana manilika ny vahoaka dia aoka aloha!raha fandrosoana iarahana dia izay no izy.



=D=D=D^:^^:^^:^^:^^:^
5. bazylou ( 16/05/2007 00:38)
Merci KALLY , izany hahay!!!!!!!!=D=D=D=D=D
6. Jeankely ( 16/05/2007 03:38)
Fa inona no dikan'izany vahoaka izany e? Samy mampiomehy na izaho na ianao. Asa na izaho no tsy mamaky teny na iza? Ianareo dia aty andafy ary mampiasa Internet eo ambany oronareo jereo fa ny tsena ary ny resaka concurrence manilika hoazy ny osa. Rehefa tsy hivoatra ianao fa ny revy omaly ihany no tianao hanin'ny mpanjifa dia rariny raha ahilikin'ny tsena ianao. Eto ve olona any andafy no hilaza hoe aleo 2CV sy 4L ihany hiasa atao taxi fa maika be izany hitady zavatra tsara izany nefa ianao miaina amin'ny tsara. Manino moa raha managona sonia koa ny aty andafy hoe aleo mijanona amin'ny revy taloha ihany izahay any Madagasikara fa andefasanareo zavatra ary ny sasany manompa sy mivazavaza hoe Gasy tsy misy fivoarana ireto.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0517