Iza no mahazo tombony @ hoe: "Pays de moramora"

1. Jeankely ( 13/05/2007 03:05)
Misy ny mahalafo T-shirt tsara-be sy mahafatifaty misy soratra hoe "Mora Mora". Ao ny mitarika ny "touristes" mba ho any Madagasikara fa "Mora Mora" ny fianana any. Saingy misy kosa ny milaza hoe ireo efa zatra ny mandeha hoazy, fiainana moramora, tsy mivoatra ary rehefa manokatra ireo hoe jereo ao ambadika ao aho dia mahita hoe izao indray ny any amin'ny "Pays de mora mora". Ny Vazaha ve no namorona io sa ny Malagasy lasa lavitra? Efa mitarika hiazakazaka mafy ny sasany ka aleo ihany ve andeha "Mora Mora" fa izay no maha-mety io Madagasikara io? Izaho dia mamerina foana fa tsy misy ny fandrosoana raha tsy nandalo ny mafy ary namoizana aina io tamin'ireo firenena lasa alavitra itoeran'ireo Malagasy lasa alavitra ireo.
répondu par Jeankely le 16/05/2007 08:41
2. kally ( 13/05/2007 03:51)
Jeankely:

Izaho dia mamerina foana fa tsy misy ny fandrosoana raha tsy nandalo ny mafy ary namoizana aina ..



Dia ny fianakavian'iza no tena tianao hatao sorona eto?
3. Jeankely ( 13/05/2007 04:24)
Na ny tenako aza tsy maninona izany. Izay anie ilay voalaza sy averimberin'ny Mpiteny Frantsay hoe "Pays de Moramora e". Ao ny hoe manambady vazaha dia lasa andafy dia miadana dia lasa vazaha. Ao ny mandeha andafy fa manana fahafahana amin'izany dia lasa vazaha ary tsy misy manenjika izany aloha aoka hazava an. Ny zavatra rehetra ao amin'ny Tanana izany dia hezahina ho azo mora mora. Izaho dia miady ary tsy miaina amin'ny moramora aloha. Izaho koa mbola tsy any Madagasikara amin'izao fotoana izao fa ny fantako dia tsy misy amiko izany moramora izany. Raha handroso amiko dia miaritra ny mafy ary na misy aza ny fomba ahalasa moramora tsy ny rehetra no afaka ahita izany fomba moramora izany. Sahirana, mijaly, miady amin'ny fiainana fa tsy tiako io filazana "Pays de moramora" io. Olona miady mafy ary miasa sy mifofotra no fantatro fa tsy mahita izany moramora izany aho ary tsy mitady ny moramora koa.
4. kally ( 13/05/2007 10:45)
Ka olona iray tsy ampy fa mangalà fianakaviana hafa re e! toa izay mantsy noantsointsoinareo eto nefa misy fomba azo atao hampandrosoana amin'ny fomba mendrika kokoa. Ny mahamaika hitako amin'ity resahinareo fampandrosoana (raha tsy hiresaka afa-tsy ilay taxi) aho dia famenoana haingana paosin'olom-bitsy.
5. bazylou ( 13/05/2007 10:55)
o rajean kely e, reheaftsy tianao ny pays des moramora izay tsy azo lavina dia manaova ho an'ireo olona rehetra miteny an'i Mada ho pays des moramora, amin'izay ko amba feno zavatra atao ianao.
6. Jeankely ( 14/05/2007 02:20)
Izaho tsy afaka ny hanova izany fa ny fatako dia tsy mitetika ny hiaina "Moramora" izany ny Malagasy. Ny Malagasy tsy miaro olona Mpangalatra izany afatsy ireo miara-mangalatra aminy. Matoa vitsy ny mifidy dia nohon'ny resaka politika avolenta izay ny olona "Prix Nobel" sy manampahaizana ohatranareo ihany no mahazo azy. Izany anefa no hilazanareo fa tia hiverina amin'ny asa efa vitanareo ny olona. Tsia tompoko, tsy mila mpangalatra izahay saingy tsy hamerina mpangalatra koa ary fantatray tsara mihintsy fa miasa mafy izahay vao mahita ny hanina hanina. Tsy hanome anay fa hamendrofedro anay no ataonareo. Ny resaka Politique sy Economie dia mifampiankina hainay izany. Hita mazava izao fa ireo sasantsasany tia hijanona amin'ny fiainana omaly izay hanjakany irery ihany. Izahay mpanjifa efa mijaly amin'ny ataon'ireo Sehatra tsy manaiky hivoatra ka raha misy ny manome "Services" tsaratsara kokoa dia izay no hilainay na ho faty aza ny zatra ny mihinandrery. Sao ireo no tena zatra ny "Moramora" ka rehefa miakatra ny "Concurrence" mafimafy dia hoe vonjy ary aleo "Pays des Moramora" ihany?
7. lamie ( 16/05/2007 06:55)
natao "pays de moramora" madagasikara,ny fitondrana taloha no tsy nanatanteraka ny fampandrosoana ny firenena fa nameno paosy no voalohan-daharana,nifankaiza t@ maurice moa isika? fa aiza izao io firenena io?ny programan'ny fampindramana vola dia betsaka fa ny fanatanterahana no tsy tao,ka mahamenatra raha izany no tanisaina sy anomezana tsiny ny fitondrana ankehitriny.Dia mandeha tsara ny raharaha ka aoka isika hanohana sy hifanampy.
8. lamie ( 16/05/2007 07:08)
raha mividy zavatra ianao eto frantsa, indrindra eny @ grande surface dia lava be ny filaharana andoavana vola, dia azo atao ve hoe "moramora" koa izany? ry zareo aty mantsy tsy dia maika,ary ny fiainana ao antanananarivo ao dia tena fiazakazahana ka aiza ny moramora?alefaso somary alavitra kely ny fisainana fa aza dia manambany ny malagasy e!
9. Jeankely ( 16/05/2007 08:41)
Misaotra "lamie". Io voalazanao io indrindra no tiako havoitra. Nandalo fotsiny aho tao Maurice lazainao dia nilaza ilay chauffeur nitondra ahy fa ny aty mifaninana ny Ministra manao lalana. Miala ny iray mahavita dia miditra koa ny iray mahavita ary teo ampanaovana vaovao reo tamin'izao sendra nandalo. Ny antsiaka dia ny hoe potehanay io raha tsy izahay no eo. F'angaha ity Madagasikara ity ny anaran'ny President no mipetraka eo rehefa hanao fampitahana ara-toekarena fa tsy ny hoe Madagasikara mihoatra ny firenena hafa. Izahay dia manantena ary miasa fa tsy hoe minomino foana fa mino ny asa ataony amin'ny tandrify azy ny tsirairay. Ny mpamafa lalana manadio tsara ny lalana ary ny sehatra hafa manao ny azy ho tsara.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0896