Nahasoa antsiaka ve ilay atoko politika betsaka

1. Jeankely ( 04/05/2007 03:46)
Raha ny entana eny an-tsena no betsaka dia faran'izay tsara isian'ny safidy maro saingy ny fananantsiaka ireo atoko politika marobe ireo ve nahitana hevitra maro hisafidianana sy hampandroso haingana sa ahoana? Tsy vao izao kosa aloha io an.
répondu par Jeankely le 06/05/2007 04:28
2. lamie ( 04/05/2007 12:20)
ny fananana atoko politika maro dia zao atao,ary ny antenaiana amin'izy ireo dia ny hifanome sosok'hevitra hampandrosoana ny fiainam-pirenena,misy ny concurence @ izany fa tsy mitamba-be ohatran'ny eto dago!
3. mandrindra ( 04/05/2007 13:48)
manana fotokevitra hijoroana sy tohanana ve ireo antoko pôlitika ireo? inona marina no tena tetikasan'ireo antoko ireo? raha SANATRIA ka misy izany dia ahoana no ataon'izy ireo mba hizarana sy hampahafantarana an'izany?
4. tamberina ( 04/05/2007 14:54)
tokony manana daolo aloha ny antoko politika rehetra kosa e!misy ny hoe :hanakorontana,hamafy tsaho,hitady seza,betsaka e!fa ny tena fototra tsara entina mampandroso ny firenena paokaty daholo!
5. fijo ( 04/05/2007 21:50)
raha maro nefa hevitra iray ihany no ita aleo mitambatra fa tsy hisaratsaraka
6. Jeankely ( 05/05/2007 05:42)
Maro noho ny isan'ny antoko any USA ny eto Madagasikara. Izany hoe nahitana hevitra maro hampandrsoana tokoa ve? Samy namaly sy nahita fa tsy dia misy "Importance" ireo. Ny loza anefa dia ity "DEMOKRASIA" tsy mandeha amin'ny loniny nolavana tamin-dry zareo mahay ity ka ny fahafahana manakilasy ny mpitondra amin'ny maloto no heverina hampandroso.
7. daomania ( 05/05/2007 09:30)
Ny @ tany efa matotra dia miorina @ foto-kevitra ny antoko politika (capitalisme, socialisme, libéralisme, humanisme, écologisme, ...). Mbola azo isaina @ rantan-tanana ny foto-kevitra samihafa izay be mpandala.
Ny @ tany toa any Madagasikara dia foto-kevitra iray ihany "mandray fahefana mba angoronan-karena ho ahy". Ilay tena hoe AHY no tena foto-kevitra ary arakaraky ny isan'ny mamba noana mihevitra fa ho AZY io hoe AHY io no isan'ny antoko polotika.
Ny do re mi anareo tsy do re mi anay. Samy manana ny demokrasiany e !
8. Jeankely ( 06/05/2007 04:28)
Fifanakalozan-kevitra moa ity ka hitako fa maro no mitovy fijery isiaka ary mahatsapa fa tsy misy dikany loatra io Antoko Politika maro io ary ny DEMOKRASIA koa voafaritra tamin'ny endriny diso hany ka miteniteny foana, manompa olona eny fa na ny maloto aza azo resahina amin'ny Internet izay miparitaka eran'izao tontolo izao. Izay manao Politika izany dia ny Ho AHY nefa tsy maintsy misy fitondrana koa ny vahoaka afaka manadihady no harena sy afaka mikapa ny Politika diso. Zarao foana ny hevitra ahaizan'ny vahoaka mamakafaka sy mijinja ny ratsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0462