Hita mazava fa tsy izay mivoaka andafy no mahay POLITIKA

1. Jeankely ( 02/05/2007 10:20)
Hita miharihary amin'ny soratra soratan'ireo tarik'i Bazylou fa tsy izay rehetra mivoaka andafy dia afaka miresaka ny fitondrana firenena. Ny olona dia mahafantatra fa ny sangany any andafy tsy miteny fa ny dondrona no mivazavaza ary na ny manazava ny heviny aza tsy hainy fa rehefa misy hidirana hanaratsiana dia hidirany na mifanohitra amin'ny resany teo aloha aza. Mianara tsara ianareo ry tanora ary rehefa mivoaka dia manitara fa ny sahala itony Bazylou mpamosavy itony tena sady vendrana no tsy misy saina ka ny Malagasy foana no teneniny. Ny President ve olona Mahantra fa i Madagasikara foana no mahafinaritra azy tsikeraina.
répondu par Jeankely le 03/05/2007 13:55
2. mpamonjy ( 02/05/2007 13:30)
Jeankely > fanazavana kely
Izany hoe tsy izay rehetra amboalambo akory dia amboalambo, na izay vandana dia kary
fa saonjo iray lohasaha tsy hilaozan'izay hamaraha e!
dia tohizo ny dinika fa matotra
(l)
3. fijo ( 02/05/2007 19:07)
j.kely an,le filazana hoe mpamosavy kosa aloha esory fa tsy mety.mamoaka hevitra izy de avelao halalaka.

raha momba ny loahevitra dia marina tokoa fa tsy hoe rehefa aty dia mahay daholo.misy tsy nianatra an'io,fa mba entim po de lasa ny vava.ary na ny nianatra azy koa aza,matetika tsy mijery ny tontolo misy any izy,fa izay itany aty fotsiny no anaovany fampitahana tsotsotra eo de lasa.nefa izay dia fahadisoana be mihintsy ,satria raha ny zavatra hiainana any sy ny aty tsy hafaka hampiarana fepetra iray mitovy.
4. Lalah ( 02/05/2007 20:03)
fa ny nianatra ihany ve zany no mila mahay politika fa ny vendra tokony hijanona vendrana foana, tsy mahazo miteny fa tsy mahay politika?
Jeankely a! fa maninona kay rehefa mivoaka andafy? genie kely doly ve, dia tokony mahapolitika be doly ve? Ilay hevitry aroson i toi aloha hazavana tsara fa manjary mitototra any indray ny riatra.
5. fijo ( 02/05/2007 21:53)
an an tsy ny nianatra ihany no hafaka miteny.za izao eo vao milaza hoe mba manana hevitra avoaka izy fa avelao.fa samy hafa ny hoe miteny sy nianatra politika.io tsy haihay fahatany.
6. Jeankely ( 03/05/2007 02:37)
Misaotra anareo rehetra. Momba ilay hoe ajanony ny resaka Mpamosavy dia miala tsiny fa tsy hanajanona anio mihintsy aho. Rehefa mitanisa hoe "Vendrana, Mahantra fadiranovana, tsy hivoatra mandrakizay, tsy misy ilavana azy sns..." ho an'ny Malagasy sy Madagasikara dia lazaina hoe aleo izy hiteny fa raha izaho no milaza fa mamosavy ny sain'ny tanora ary mitady hitarika ny tanora anaonao foana dia mampalahelo ny sasany. Olona miteny Malagasy no faly sy ravo mitantara hoe noroahan'ny foko tary ny foko sahala izao. Mampalahelo loatra raha izany no arovana. Izaho nianatra ary tsy any Madagasikara aho ary ny fianarana nianarako tsy "French System". Tiako Madagasikara ary henjehiko hatramin'ny farany ny Mamosavy io Madagasikara io. Resaka fitadiavana hevitra hampivoatra io Madagasikara io no resaka eto raha ny fahalalako azy sa tena resaka Politika amotehana io Madagasikara io tokoa no dikan'ity ka anjanoko tanteraka tokoa ny fandraisana anjara?
7. bazylou ( 03/05/2007 12:20)
ka ny politikanao anie rajeankely be, dia famotehana ny adversa fa tsy hoe fandrosoana maty paika e!! hany ka tsy mahagaga raha montena daholo ny gasy samy gasy, ny andafy sy ny ao antoerana ary ny cotier sy ny merina!!
8. maditra ( 03/05/2007 12:47)
Jeankely> Aza mora makatra lesy e! Tsy kivy amin'ny heviny izany olona te-hampandroso an'ny Madagasikara izany! :)
Don't give up
9. Jeankely ( 03/05/2007 13:55)
Ok. Tsy miakatra afo aho fa mampiakatra afo an'i Mpams mba handinihany rehefa andray ondana hatory izy. Hahahahaha.:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0452