tambitamby

1. fisher ( 28/04/2007 17:51)
mba mangataka anlé hiran'Bessa "tambitamby" anG é!!!
Msotra mandefa ahy io o.
répondu par veromahefa le 12/05/2007 15:37
2. veromahefa ( 12/05/2007 15:37)
Hiranay tam 1992 tany ange izany e! fa mbola tadidiko tsara kah dia atolotro anao am-pitiavana.


Raha toa tsy nahomby ny tetik'ady
natao hampiova ny toetra ratsy
Jereo izay tsy mety dia aza kivy,
fomba hafa indray atao

Ny kitakita niampy levy2,
izay nampiasaina toa zary nandamoaka
Vaka eo ny saina fa toa tsy mba nandaitra
Ny fananarana natao

Dia valaketraka eo mikaroka fitaiza
Lalàna miaramila angamba ?
Ndrao dia maika koa hanimba ny toe-tsaina
Ka taho-tsazy vao hiezaka...
Aoka ny kapoka, soloy fitivana
Io no fanoitra tena soa
Izao mba handramana : ny tambitamby no atao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0611