Mahasoa ny rehetra ny hoe " MINOA FOTSINY IHANY"

1. Jeankely ( 28/04/2007 04:19)
Io teny nindramina tamin'ny baiboly io dia tena faran'izay manandanja fa ny fanitarana no tsy ampy na koa hoe mijery ampotomoto. Raha mpanao fanatanjahantena ianao ohatra ny Boxe, ny Martial Art dia mila manatsara ny fanazaran-tena ataonao ary alohan'ny fifandonana sy ny ady dia ao aminao ny hoe "MINO". Resy avy hatrany ianao vao mahita ny mason'ny mpifaninana efa vonona sy "MINO" fa hamotika anao. Sahala izay ny fianarana. Mianatra, tsy manapaka fa manaraka tsara ny lesona ary manao fanazarana maro avy eo "MINO" ary afaka ny fanadinana. Ny mpikaroka koa raha tsy eo ny "FINOANA" inona no hikarohana solika sy izay rehetra ao ambany tany ao. "MINO" fa ahita. Koa mendrika loatra raha "MINO" ny ezaka atao ny vahoaka fa hivoatra i MADAGASIKARA.
répondu par Jeankely le 30/04/2007 11:23
2. rakaroka ( 28/04/2007 06:18)
Ny taona ity nierina ...foana
Asa izay mba hoentiny
fa ny vahoaka toa miha noana...
Ny "finoana" no aretiny!:wink:
3. TFP ( 28/04/2007 06:54)
Tsy ny "mino" anie ry Jeankely no olana fa ilay hoe "fotsiny" e! Ekena hoe mila mino rehefa manao zavatra fa ianareo kirstiana mantsy voan'ny fitabitron'ny mpitarika fiangonana
4. bozyboleta ( 28/04/2007 08:05)
Ny "FINOANA" tsy maintsy arahina asa, ary ny hoe "Minoa fotsiny ihany", de ny fanantenana le vokatra raisina avy @ le asa.
Satria ve hoe "Minoa fotsiny ihany" de hieritreritra enao fa tsy hanao n'inn n'inn tsony satria efa mino? de hanantena enao fa hisy vokatra horaisinao eo? Sal@ le voalaza ery ambony hoe hanala fanadinana enao de mino enao fa ho afaka, satria maninn? Satria enao nianatra. Fa raha tsy nianatra ve enao de hino hoe ho afaka?
Ary zay no mahatonga ny sasany ho noana satria miandry mana latsaka avy any an-danitra fotsiny eo fa tsy manao ezaka akory mitady. Tsy hisy fizaram-bola na sakafo zany mitsy eo fa enao ihany no mitady ze harapakao sy mamahana ny tenanao. Raha mitady enao de "Mino fotsiny ihany" fa tsy maintsy mahita hohanina, tsy ho noana, tsy ho reraka...
5. pissoa ( 28/04/2007 10:09)
Io teny nindramina tamin'ny baiboly io dia tena faran'izay manandanja fa ny fanitarana no tsy ampy na koa hoe mijery ampotomoto. Raha mpanao fanatanjahantena ianao ohatra ny Boxe, ny Martial Art dia mila manatsara ny fanazaran-tena ataonao ary alohan'ny fifandonana sy ny ady dia ao aminao ny hoe "MINO". Resy avy hatrany ianao vao mahita ny mason'ny mpifaninana efa vonona sy "MINO" fa hamotika anao. Sahala izay ny fianarana. Mianatra, tsy manapaka fa manaraka tsara ny lesona ary manao fanazarana maro avy eo "MINO" ary afaka ny fanadinana. Ny mpikaroka koa raha tsy eo ny "FINOANA" inona no hikarohana solika sy izay rehetra ao ambany tany ao. "MINO" fa ahita. Koa mendrika loatra raha "MINO" ny ezaka atao ny vahoaka fa hivoatra i MADAGASIKARA.

:-D:-D:-D

toa tsy minoa FOTSINY IHANY akory ity zavatra resahinao fa minoa ny VOKATRY NY ASA ! Dia jereo ny tenin'i Rakaroka :-D:-D:-D
6. xxx ( 28/04/2007 16:55)
Be ny teny filamatra nanomboka t@ repoblika voalohany ohatra ny teny filamatra dia : ASA FA TSY KABARY! na acta non verba tao koa ny hoe izay kibo voky no maharaka ny namany!

Tonga ny 2é repoblika niaraha-nahalàla ny hoe : NY ANKIZY ANKEHITRIO TOMPON NY TAONA 2000...MADAGASIKARA TSY HANDOHALIKA ...MADAGASIKARA PARADISA SOSIALISTA...OIE OIE MOA KA TSY IZANY VA..ROMBOY ZALAHY ...sns izany tokoa ve no nitranga ?

Tonga indray ny repoblika faha 3 tapany voalohany HERY VELONA FA TSY HERY LEVONA ...ENTO MIAKATRA ITY FIRENENA ITY..

tapany faha2 indray FANANTENANA VAOVAO !..

tapany faha3 MINOA FOTSINY IHANY ! tao koa ny hoe FAHAMARINANA sy FAHAMASINANA

AIZA IHANY IZY ITY e! maninona re no dia fahanana maloto lava toy izany ny vahoaka ?

Maninona raha ny tena MARINA tokoa no lazaina ohatra hoe FIDIO AHO fa HANODIKODIM-BOLA avy eo !
7. bazylou ( 28/04/2007 22:44)
reveo ao dia mino fotsiny ihany rajeankely fa hanaterana sakafo maraina amin'ny plateau volafotsy ianao a!! amin'izay ialahay mba masa hoe rajeankely be.....:-D:-D=))=))=)):-@:-@
8. Jeankely ( 29/04/2007 02:35)
Izaho moa no nanokatra ny loha-hevitra ka anjarako ny manazava io fa tsy sahalan-dry Bazylou tsy mahafantatra ny zavatra noresahany teo aloha. Averiko fa izaho tsy mpanao politika ary tsy mpanohana fitondrana. Tsy mahafantatra ahy na ny efa lasa na ny eo antoerana. Nalaina tao amin'ny baiboly hoy aho io nefa ny "Muslim" izay mampiasa ny "Qur'an"; ny Boudhist, sns dia "MINO" ny zavatra ataony. Ny fandrebirebena saimbahoaka dia tsy anjarako ny manohana izany ary tsy miaraka amin'izany aho. Izaho dia mpanao fanatanjahatena olo-tokana ary tena niakatra sehatra fa tsy miresaka fotsiny. Isaky ny ambony ny "FINOAKO" dia maharesy aho ary rehefa ambany ny "FINOAKO" dia mahalala ny fahareseko aho. Efa naratra aho ary efa nandratra olona maro noho io "FINOANA" io ary nifanaovana sy nifanarahana fa tsy mamely ambadika sy ankolaka sahala ny politika lazainareo. Rehefa miasa mafy, mianatra tsara, mikaroka dia "MINO FOTSINY IHANY". Ny fotsiny ihany midika hoe "ny vokatra ihany sainana". Tsy teny noforon'ilay olona amin'ny fitondrana io ka raha diso dia ny Baiboly izany no lazainao diso ka ahitsio araka ny fomba fahitanao azy.
9. bozyboleta ( 30/04/2007 06:52)
reveo ao dia mino fotsiny ihany rajeankely fa hanaterana sakafo maraina amin'ny plateau volafotsy ianao a!! amin'izay ialahay mba masa hoe rajeankely be.....


Ny tenin'ny Baiboly de hevitra marina tsisy kianina (vérité absolue) ary raisina amin'ny saina mivelatra fa tsy tery. Ny olona manana loha boribory sal@ olona normal rehetra de mahatakatra ny dikany fa ny olona manana loha EFA-JORO (normal ve zany?) de mandray bontolo ary ireo no mihevitra fa ny dikan'io "Minoa fotsiny ihany" io de hoe "Miracle" avy any an-danitra ka tonga ho azy sy vita ho azy tsy manao n'inn n'inn akory ny fiainana.
Filamatray de hoe "Miasa mafy, miasa tsara" de "Minoa fotsiny ihany" fa ho azo eo ambony plateau VOLAMENA (fa tsy volafotsy) ny rehetra.
10. Jeankely ( 30/04/2007 08:50)
Ok Boziboleta. Miasa, mikaroka ary tsy mifamingana no atao raharaha. Rehefa tonga ivelan'i Madagasikara ianao mahita ny fivoatran'ny olona dia talanjona. Tsy nataon'ireo nifandimby mpanao pilitiky Gasy ny hoe "PASSING THE BATON". Rehefa lasa izy dia tiany foana tsy misy inoninona intsony ary mitady azy ny olona. Potehina daholo, ampiadiana sns. Ny an'olona na miova ny fitondrana misy zavatra mitohy ary misy fanatsarana. Tonga amin'ilay loha-hevitro iray hoe "Izaho no namono ny voay koa ianao no hiravaka ny vanginy". Izay mandalo izany dia mamotika ary tsy asiana mitsangana. Izaho aloha dia Mino tanteraka fa mivoatra isiaka Malagasy rehefa tafiditra tsara amin'ny sain'ny tanora io fampiadiana io. Raha tsy mandinika ny tanora fa taitaitra taritin'olona amin'ny diso dia hijinja izany ihany ianao afaka taona vitsy ka mitandrema mafy.
11. akama2006 ( 30/04/2007 10:36)
jeankely> za aloha tsy miombonkevitra aminareo amin'ity hoe minoa fotsiny ihany ka mahasoa.

maka "refernce" aminy resaka finoana biblika moa nareo ,io samy manana ny tiany, fa raha dinihina sy arahina ny lozikanreo araka ny finoana kristianina dia tokony tsy olona anao sy hametraka fanadihadiahna fa tokony hanaraka sy haniaky izay tenenina aminy ,indrindra moa raha voasoratry ny baiboly.

izao anefa raha izany no natao angamba,satria moa zankely milaza fa talanjona mahita ny fandrosoany vaza,dia na ireto vaza mahagaga ny jeankely aza mbola mety ho tavela tao anaty ny aizaina satria nahona:

1-ny vahiny tsy hoe miasa fahatany fa mahafantatra ny antony hiasany izy ireo,ka rehefa misy tsy mifanaraka aminy zavtra noheveriny tsirairay aminy izay resaka asa izay dia maneho ny heviny izy.raha nolazaina sy norarany katolika romana i galile aminy filazany fa ny tany boriboety fa tsy planina mahitsy ka rehefa tapitra ny talaky maso dia hantsana sy afo be avy eo,aganmba @ izao fotoana izao isika mbola mety samy any anaty lavabato.

2-ny vahiny matoa mandroso dia tsy ampinonoanao hevitra fotsiny fa mila asa na porofo.andramo ange ity e! mandehana eny analakely na eny aminy chatelet(parisy),na 5em avenue(usa)....,dia teneno izao ny fotsy hoditra na mainty hoditra na ny mena hoditra hitanao hoe:".... minoa fotsiny ihany dia arao aho..." dia ho hitanao ny valiny.Fa ny zavtra hitranga dia hiantsoany mpitsabo ianao na lazainy hoe sekta inona razoky no misy anareo?

ny tiako lazaina dia tsotra,taminy andro fahagola aza betsaka ny olona mamakafaka dia amin'izao andro feno teknolojia sy feno fitaovana ahafahana mahazo vaovao tsy misy "influence" ny fanjakana,dia tsy misy afa tsy ny MALAGASY ihany no mbola tratrany hoe MINOA FOTSINY IHANY tsy misy programa(porofo) eo akaiky na hevitra ao afara fa dia lasa tokoa mino;???????

mba lanjalanjao ihany re olona fa na samy tsy mahay na inona na inona sy tsy manana diploma aza ny olona hafa ny hoe maranitra sy ny dombo.Andrianampoinimerina angaha nanana CEPE? na nahay mamaky teny sy manoratra,mbola ireo "scribe" mpahay sorabe no manome azy ny hevitra vaovao,fa izany tsy midika fa hoe dondrona ,jereo ireo zavatra nataony sy ny FAHENDRENA teo aminy.manaporofo iznay fa ny fahendrena sy ny faharanitantsaina no mitondra fa sty ny fiseho iuvelany na vola na harena satria mety hanatsar anao fa sty ho any daholo be.Raha mitondra anfe ho any maro an'isa fa tsy ho any tena irery! sa diso izany????
12. bozyboleta ( 30/04/2007 10:59)
Misy hoa de tsy mahazo resaka mitsy.
Ny hevitra fonosin'io teny io no resahana fa tsy alaina bontolo be fotsiny. Raha tenenina ianao hoe "Minoa fotsiny ihany" de tsy maintsy hipetraka ny fanontaniana hoe "Mino inn?" na hoe "Mino an'iza?".
@ teny frantsay io de hoe "croyez seulement" fa "en qui" na "à quoi?".
Ary raha ny resaka tiana vohizina eto de "INN" fa tsisy mitsy hoe minoa an'i ann na i ann.

Satria moa le izy teny noraisina t@ Baiboly de zay no mampalailay ny sasany fa na olon-tsotra, na silamo, na athée, n'iza n'iza na enao io aza rehefa manao zavatra tsy maintsy mino fa hahomby ny zavatra ataonao raha tsy izany enao tsy nanao an'io. Ny dikan'izany de mila action aloha ary io no tena zava-dehibe fonosin'le hoe "Minoa fotsiny ihany".
13. Jeankely ( 30/04/2007 11:23)
Ok, bozyboleta fa mi-converge ity eee. Misy tsy azon'ny namana sasany fa Andrianapionimerina tena nanana finoana ka na tsy hefany aza ny "RANOMASINA NO VALAPARIHIKO" dia noteneniny sy nasainy tohizana. Finoana io ary avy aiza ny sorabe ry leireto a? Avy amin'ny Arabo niditra na Silamo izay tena mino tanteraka. Hilazako mampihomehy ianareo fa hoy ry zalahy tamiko hoe afaka manao didipoitra anao tsy mandoa vola izahay. Nolazako izireo fa efa vita aho ary ny Malagasy vita izany vao lazainay hoe lehilahy. Tsy misy tsy vita didipoitra izahay. Tena nanamarina ry zalahy fa Silamo marina ny Malagasy talohan'ny fanjanahantany. Miala tsiny fa tsy tia hivohy hevitra aho fa nitantara ny zavatra niseho tamiko tamin'ny toerana iray. Ny finoana mahetry tendrombohitra hoy ny Ntaolo izany hoe Mino ianao ary miasa dia mahavita tokoa. Fa tsy hoe mino dia matory ary misy manatitra hanina ao ambava tahaka ny tenin'ilay Bazylou MPAMOSAVY iny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.048