Isan'ny Malagasy ao France

1. soanja ( 17/04/2007 06:45)
Hono hoy aho azafady, firy kay ny isanareo Malagasy ao Frantsa ao fa mba mahaliana ahy ny hahafantatra izany. Tsy de misy antony goavana akory fa mba te hahalala fotsiny.
Aleo manontanintany foana, toy izay manaonao foana mantsy. Misaotra mialoha o. :-*
répondu par xxx le 12/06/2007 12:18
2. sakaizakely ( 17/04/2007 09:11)
Dia tsy fantatro ry Soanja a !

Maromaro ihany hoy ilay tsy mahay manisa

Izany hoe mahafeno ny place de la république ao Paris ao rehefa mba manao manif ireny ny eto akaiky eto.

Aleo izay mahafantatra no hamaly
:P
3. vale ( 17/04/2007 12:42)
...tena tsy mahay fa bebe hiany araka ny tenin'i sakaizakely io:P
4. Fiffi ( 17/04/2007 13:16)
bdb.....tsy voatanisa...ohatra fotsiny ity... ohatra hoe raha kerena io stade io de 4 cotés nefa feno.....miampy ny stade hafa sy ny stands isakarazany.....ny teny ivelany aoka fotsiny....
De raha dinihina nefa de ny olona manenjika zavatra hafa de olon-kafa indray fa tsy ireo olona ireo...

Ny ao am gouv aloha tsy manomé chiffre affisialy eh !
5. lancia ( 17/04/2007 13:40)
:Dbetsaka tokoa izy zany kay an,
6. Fiffi ( 17/04/2007 16:03)
bdb kah ! tam zah tany Vichy no tena nahitako hoe bdb ny gasy......ohatran'le kermesse ao tana iny hihihihi na heu......tsena Noely ireny an !
7. sipagasy ( 17/04/2007 16:09)
Miarahaba,

Tsy ho ary voaisa satria na ny ao @ Ambassade aza tsy mahay akory, ny antony dia azo isaina @ ratsan-tanana (hihihi) ny misoratra anarana ao aminy, izany hoe ny manana ny "carte consulaire".:-*
8. Fiffi ( 18/04/2007 14:16)
ié ! marina zany !
9. soanja ( 18/04/2007 14:28)
Misaotra antsika na dia izany aza. Betsaka tokoa ry Fiffi matoa mahafeno stade e. Mety ho 100,000 mihoatra ve raha tsatohana fotsiny?
10. Fiffi ( 18/04/2007 14:30)
tena possible......
11. fijo ( 19/04/2007 21:53)
raha ny isa ofisialy dia toa 300 000.fa io tsy marina satria gasy aby na ny lasa vazaha na ny tsy manana taratasy
12. ds ( 20/04/2007 01:16)
Nanontany ny Masoivoho aho roa taona lasa izay momba ny fikarakarana fifidiana aty Frantsa. Nolazaina tamin'izay fa sarotra be hoy izy satria maherin'ny 100000 ny gasy eto. Ny Fanjakana frantsay ihany no tena mahalala ny isa (carte de séjour + naturalisation). Rizareo tsy manome ny fanjakana gasy ny anarana gasy manana taratasy frantsay (convention).
13. soanja ( 20/04/2007 14:29)
Misaotra antsika fa izay no nahaliana ahy tokoa. :-*:-*
14. fijo ( 24/04/2007 22:40)
ravalo no nilaza io 300 000 io,fa toa mihoatra lavitra noho izany no izy ka
15. mirana5 ( 25/04/2007 07:58)
Tandremo sao adinonareo ny manisa ny tovovavy mitoe-jaza, ny zazakely anaty berceau sy landeau sy ny vao mianatra mamindra sy any @ maternelles an! Maromaro ihany koa :roll:roll::roll:
16. Fiffi ( 25/04/2007 11:27)
fijo: tsy be loatra kosa ve akia io ? heu....nefa tena mety possible hiany an ! raha ny fijeriko ny olona tany Vichy aloha tena.....bdbbbbbb
17. fijo ( 01/05/2007 22:00)
possible io isa io ka.maro anie ny gasy no misitrika e
18. Fiffi ( 02/05/2007 17:30)
19. xxx ( 12/06/2007 12:18)
gasy retra mipetraka ao france v manana taratasy daol sa micland.
haha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.265