ilaina ve ny lainga

1. xxx ( 13/04/2007 13:39)
aza mandainga!!!
ilaina ve ny mandainga? . ZA dia manana havana akaiky mpandainga be tsy misy ohatr'izany tafahotra alo, ka efa tsy misy mino ze teneniny intsony . ny ahatahorana fotsiny raha sendra lanin'ny voay na alika izy na misy mamono ka miantso vonjeo ny tena efa tsy mino tsony fa sao lainga.
misy ve nareo efa navotan'ny lainga? ary ahoana ary le didy 10 aza mandainga!!!
répondu par degoares le 24/08/2007 07:51
2. ranarybe ( 27/05/2007 12:11)
Indraindray aloha ilaina ny lainga e! fa tsy azo atao be loatra. Misy le fitenenana hoe "ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara tototra". ka na hanao inona na hanao inona resy foana. Za aloha efa nandainga fa ny ahy a! tena ohatran'ireny hoe zavatra marina ireny mihitsy. Za koa moa atokisana be saingy tsy manararaotra izany aloha sanatria e!Ny tiako tenenina zany de ny hoe :ilaina ny lainga amin'ny lafiny ilany fa na izany aza tsy atao be fa manjary mankaleo ny manodidina (ohatra raha hangataka zavatra any amina birao ianao ka sendra hadino ny karatra na zavatra iray tena ilaina ao, dia tsy maintsy mamorona kely e! sa ahoana?)
3. rnjp ( 12/06/2007 09:01)
4. Fiffi ( 12/06/2007 09:41)
5. xxx ( 12/06/2007 13:31)
Ny lainga dia mamatotra foana fa ny aza tratra ihany fa hoain'na be eo! Aleo tsy mandaiga fa ny hafetsena agaha moa midika lainga? Samihafa ireo!
6. deric ( 25/07/2007 09:55)
xxx:



Raha ny marina aloha dia tsy mety ny mandainga na dia heverin'ny sasany fa ilaina aza. na iza na iza nandainga, mety namonjy azy androany fa hamono azy rahampitso izany.
Sady hodiana tsy fantatra ve ny soratra masina hoe aza mandainga? Tsoriko aloha fa tsy ara-baiboly ny alinga masina an! Ny mpandainga rehetra hoy ny baiboly dia ho atsipy any amin'ny farihy mirehitra afo (afobe).
7. Herimiafina ( 25/07/2007 16:37)
Manirikiry be ny lainga rehefa tsy hay ny manao azy.
Vao miteny tonga dia kobo, toa manambany ny QI izany.

ka noho izany rehefa handainga dia mahaiza mandainga tsara fa mahasorena mahita lainga donendrina be. :@
8. LazaDaddy ( 26/07/2007 00:58)
ilaina ve ny lainga?
Ny sokajin'olona anontanianao no mamaritra ny valiny omeny anao. Koa raha manontany ireto sokajy vitsy ireto ianao dia toy izao ny valinteny mety omeny anao.

* Mpanao politika: "eny"
* Kristianina: "tsia"
* Mpamitaka (i satana io): "eny, ilaina ny lainga mantsina"
9. degoares ( 24/08/2007 07:51)
Za ndraiky tsy anjely nefa koa tsy devoly fa volanoko aminareo fa ilaina ny lainga. Amin' ny maha bandy ahy de tena ilaina ny mavandivandy kelt mba tsy hisian' ny vamba satria za ohatra manana sipa maro samy tiako possible zaho mety handainga nefa koa aloha tsy atao tafahoatra loatra e! Aminay dego aty be olo mavandivandy marina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7869