Biraom-pifidianana Morafeno. Tsy nisy nandatsa-bato mihitsy
06-04-2007 / 11:19
Araka ny loharanom-baovao avy any Sambava, dia tsy nisy nandatsa-bato mihitsy ny mpifidy tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Morafeno, ao anatin’ny distrikan’i Sambava.
Ny antony, araka io loharanom-baovao io ihany, dia sahirana taorian’ny nandalovan’i Jaya ny vahoaka. Nisy tamin’ireo mantsy no voalaza fa nianjeran’ny hazo ny tranony, ny sasany niakaran’ny rano ny toerana misy azy, ny hafa ny tranony mihitsy no nianjera. Raha ny toerana hanatanterahana ny fifidianana no tsy tomombana ka nahatara ny fanombohan’ny latsa-bato tamin’ny birao sasany tao amin’ny kaominina an-drenivohitr’i Sambava, dia ny mpifidy mihitsy no tsy tonga tany Morafeno.
Amin’ny ankapobeny dia voalaza fa mitarika ny TSIA any Sambava, raha ny vokatra vonjy maika aloha. Mifanindran-dalana amin’izany, ambony ny tahan’ny tsy nandatsa-bato. Tany Antanifotsy, ohatra, dia voalaza fa tamin’ny mpifidy 2000 voasoratra anarana dia 180 no nandatsa-bato. Ary ny 140 tamin’ireo nanao tsia. Mpifidy manodidina ny 30 mahery eo izany no nanao ENY.
wanadoo