Fambara ratsin'ny fifidianana :Rivodoza
1. ronaldo09
(
03/04/2007 14:38)
Tahaka ny ho raharaha ratsy izy ity, rey olona ! Mananontanona antsika indray ny rivo-doza vaovao ka raha ny fandiniky ry zareo mpamantatra ny toetr’andro ny fandehany dia mety ho amin’ny talata hariva na amin’ny marainan’ny alarobia izao izy io no ho tafapaka eto amintsika .
Koa raha izay no izy dia ho ao anatin’ny fotoana hanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka mihitsy izany no handalovany eto !
Marina fa iny ilany avaratra atsinanana iny no tena ho lasibatra amin’izany indray, raha sanatria hitontona aty tokoa izy io, kanefa niaraha-nahita hatramin’izay fa rehefa tonga tokoa ireny sikilaonina ireny dia mila ho ny antsasaky ny Nosy no rakotry ny oram-be sy ny rivo-mahery avokoa. Koa eo no mahalasa eritreritra amin’ity raharaha ity: dia mbola hatao foana ve ny referandaoma amin’izany ?
Mahalasa fisainana
Tsy sanatria moa hifandatsa na hifanakiana fa ny fanahiana ny andro ratsy toy izao indrindra no nambara fa hoe nampandrosoana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena. Dia nahagaga anefa fa ato anatin’ny vanim-potoana fandalovan’ny sikilaonina indrindra no nametrahana an’ity fitsapan-kevi-bahoaka ity. Ka inona no tena naha-maika sy naha-dodona tao indray ?
Na ny fotoana anazavana ny saim-bahoaka mikasika an’izany fanitsiana atao ao amin’ny Lalàmpanorenana izany aza iray volana mahery kely fotsiny. Ka izay indrindra no kianin’ireo Raiamandreny am-panahy mpitondra ny Fiangonana Katolika Romana fa tsy dia hoe lasa niandany any amin’ny mpanohitra akory ry zareo. Hifidy an-jambany fotsiny izany ny olona rehefa tsy mazava aminy tsara akory izay angatahina ny safidiny.
Dia mety hanampy trotraka an’izay koa moa ity ny sikilaonina ! Hisy hamaly angamba hoe: “Minoa fotsiny ihany fa fomban’ny sikilaonina koa ny mivily lalana tampoka !”. Enga anie ! Na izany aza, mba mahalasa fisainana lalina ihany ity fisesisesin’ny rivo-doza teto amintsika tato ho ato ity ary nandravarava saika eran’ny Nosy ! Fambaran-javatra va ?
HMMMMMMMM zany midika fa tsy sitrak'ANDRIAMANITRA io fifidianana io!

répondu par Fiffi le 05/04/2007 07:12
3. Fiffi
(
03/04/2007 14:56)
ny mahagaga anaha de rehefa misy lalana simba na zavatra hafa de hoe noho Ravalomanana , izy daholo no nahatonga an'zao sy zao....de indro njay ny cyclone de hoe avy @ Andriamanitra indray io satria tsy makasitraka Izy ? :-w:-w:-w
4. ronaldo09
(
03/04/2007 15:02)
I fiffi moa mba namaky Baiboly?Rehefa manasazy Andriamanitra dia misy hatrany ny loza voajanahary!Maniraka ny mpanompony aloha izy hilazaq amin'ny mpitondra ,ary raha tsy miheno ny mpitondra dia mihatra ny loza.NyMgr Odon dia efa nampilaza nefa hoy i Ravalo hoe:henoy izany ry hazodamosiko!!!!Vokany :rivodoza
5. Fiffi
(
03/04/2007 15:12)
heu....tena mamaky baiboly tokoh zah fa......tsy mbola nahita hoe voalaza tao fa hisy cyclone indray handalo an'i Madagasikara @ zao fitsapan-kevi-bahoaka zao....
7. xxx
(
04/04/2007 11:42)
I M/car de andalovana rivo-doza foana isantaona fa tsy hasard akory ny t@ty taona ity. tsy tadidin'i Ronaldo angaha fa nisy ny antsoina hoe kamisy, geralda,sns zay nanapotika daholo. Ary hoy ny Tompo raha misy iray monja manampinoana na dia toy ny voatsinapy aza dia ahavita na dia hamindra tendrombohitra aza. Noho izany raha toa fanafaizana ny fiheverana izao zava-misy izao dia tsy noho Ravalo irery akory fa ny gasy manontolo mihitsy no mila mieritreritra sy mila mivavaka fa ny anao de efa tsy fitiavana manokana an-dRavalo fotsiny izao.
9. fijo
(
04/04/2007 21:18)
xxx somary nitarin'i ronaldo tokoa le resaka,nefa na izany aza dinio tsara fa marina io hevitra arosony io.
-lazaina fa hialana ny andro ratsy no nandrosoana ny fifidianana filoha.nekena iny.
nefa izao dia natao ao anatin'ny fotoana fandalovan'ny rivodoza mihintsy ny fitsapankevim bahoaka??????????
-fitsapankevim bahoaka no atao fa tsy fifidianan,koa nahoana no tsy ny fanjakana no manonta ny takila hoanontaniana ny vahoaka.?????????
-ary nahoana koa no tsy ny fanjakana no manatitra izany any amin'ny birao rehetra any????????
za dia nankasitraka andravalo tokoa ary faly fa lany izy.saingy aoka koa hazava,fa ny fanohanana azy tsy midika hoe ekena daholo izao tsy mety rehjetra ataony izao.
eto dia marina tanteraka ny an'i ronaldo raha miahiahy izy

10. Fiffi
(
05/04/2007 07:12)
fijo: marina zany lazaindry zany.....raha mankasitraka hoe lany izy fa tsy hoe mankasitraka ny zavatra hatao rehetra.....saingy ozy zah hoe "aza mélangéna kosa ny zava-drehetra...heu....tsy de hitako loatra zay hidiran'Andriamanitra sy hoe Ravalomanana @ fahatongavan'ny cyclone.....